Tsy Voasakan-tSisintany ny Mozika, Saingy Mbola Nolavin'ny Kaonsilàn'i Etazonia ny Visa Ho An'ireo Mpikambana Amin'ny Antoko Mpihira Indoneziana

Ny antoko mpihira Vox Angelica nanao fampisehoana tamin'ny fifaninanana iraisampirenena. Pikantsary tao amin'ny lahatsary YouTube.

Antoko mpihira Indoneziana telo no napetraka hifaninana tamin'ny fifaninanana amboarampeo Sing ‘n’ Joy tao Princeton, New Jersey, tamin'ny volana lasa, saingy tsy tonga tao amin'ny Garden State ny antoko mpihira roa satria nolavin'ny masoivoho Amerikana ao Jakarta ny fangatahana visa ho an'ireo mpikambana am-polony ao amin'ny amboarampeo.

Vox Angelica avy ao Manado, Sulawesi Avaratra sy El-Shaddai avy ao Sumatra avaratra ireo antoko mpihira roa ireo.

Naneho ny ahiahiany ireo vondrona voatonona ireo sy ny ny mpitsara tamin'ny fifaninanana fa vokatry ny famoretana ataon'ny Fitantanan'i Trump ho an'ireo mpitsidika avy amin'ny firenena maro an'isa Miozolomana izany. Vao mainka miha-sarotra ny toe-javatra, satria Indonezia no firenena maro Miozolomana indrindra manerantany, na dia tsy izy irery aza no firenena kendren’ ny filoha Trump amin'ny didim-panjakana mampiadi-hevitra momba ny mpitsoa-ponenana sy ny fifindramonina.

Rehefa nandre momba ny fandavàna visa ho an'ireo antoko mpihira roa Indoneziana, dia nandefa lahatsary tamim-pahatsorana maneho ny alahelon'izy ireo ny mpitsara tamin'ny fifaninanana, ary manamafy fa “tsy voasakan-tsisintany ny mozika”.

Due to unforeseen circumstances with the recent U.S. policies, the choir, El Shaddai and Vox Angelica were not able to travel to our festival. And we are saddened by this. But… regardless of the “borders” instilled by politics, there are no borders to music, no borders to unity through artistry, no borders from humanity that thrives from singing of the heart. Music brings our humaneness together, and we invite you to be a part of it.

Noho ny toe-javatra tsy nampoizina tamin'ny politika Amerikana vao haingana, tsy afaka namonjy ny fetintsika ny antoko mpihira, El Shaddai sy Vox Angelica. Ary malahelo izahay noho izany. Saingy … na inona na inona “sisintany” nampidirin'ny politika, tsy misy sisintany ny mozika, tsy misy sisintany ny firaisantsaina amin'ny zava-kanto, tsy misy sisintany avy amin'ny olombelona ny mitolona mihira avy ao am-po. Mampitambatra ny maha-olombelona antsika ny mozika, ary manasa anao izahay mba ho anisan'izany.

Tamin'ny alalan'ny pejy media sosialin'izy ireo, nanazava ny tsy fahafahany nanatrika ny fetiben'ny mozika tao Princeton ny antoko mpihira El-Shaddai:

Saudara/sahabat/kolega/rekan paduan saudara terkasih sekalian,
bersama ini kami Paduan Suara El-Shaddai ingin menyampaikan PERMOHONAN MAAF kami, berhubung kami batal berangkat ke Princeton-New Jersey, USA utk berkompetisi disana, diakibatkan ditolaknya permohonan visa kami oleh Kedubes USA di Jakarta. […]

Kami sudah mempersiapkan segala sesuatunya, dan sudah melakukan semuanya dengan semaksimal mungkin, bahkan usaha pengurusan/permohonan sudah kami lakukan sebanyak 2 (dua) kali. […]

kami meyakini hal ini juga diperkuat dengan kebijakan politik pemerintah AS yang ada saat ini, dimana dilakukan pengawasan yang lebih (sangat) ketat untuk pendatang ke negara tersebut. Saat ini kami masih berada di Jakarta untuk bersiap kembali ke Medan, dan kami juga langsung akan bersiap diri untuk kompetisi internasional lainnya dalam waktu dekat ini, semoga kami dapat mengambil hikmah dari apa yg baru terjadi, mohon doanya.[..]

TERIMAKASIH yang sebesarnya atas dukungan dan kepercayaannya kepada kami selama ini

Ry namana, fianakaviana, mpiara-miasa, mpiara-mianatra maneho ny fialantsininy ny antoko mpihitra El-Shaddai noho ny tsy fahafahany nifaninana tany Princeton-New Jersey, any Etazonia, noho ny fandavàna visa avy amin'ny masoivoho Amerikana ao Jakarta .
Nanomana ny fepetra rehetra ilaina izahay ary nangataka visa fanindroany.
Mino ihany koa izahay fa nitranga izao noho ny politika Amerikana henjana ho an'ireo mpitsidika. Eto Jakarta izahay ankehitriny, vonona hiverina any Medan ary hiomana amin'ny fifaninanana iraisam-pirenena hafa. Manantena hanatsoaka lesona avy amin'ity zava-nitranga ity izahay, mivavaha ho anay azafady.
Misaotra noho ny fitokisanao sy ny fanohananao nandritra ity fitsapana ity.

(1/2) MAAF & TERIMAKASIH Salam sejahtera bagi kita semua. Saudara/sahabat/kolega/rekan paduan saudara terkasih sekalian, bersama ini kami Paduan Suara El-Shaddai ingin menyampaikan PERMOHONAN MAAF kami, berhubung kami batal berangkat ke Princeton-New Jersey, USA utk berkompetisi disana, diakibatkan ditolaknya permohonan visa kami oleh Kedubes USA di Jakarta. Maaf, karena hal ini tentu saja bukan hanya mengecewakan kami, tetapi juga saudara/sahabat/rekan paduan suara/keluarga yang telah mendukung dan mendoakan kami selama ini. Kami sudah mempersiapkan segala sesuatunya, dan sudah melakukan semuanya dengan semaksimal mungkin, bahkan usaha pengurusan/permohonan sudah kami lakukan sebanyak 2 (dua) kali), dengan dukungan dari pihak2 yang sudah sangat berkompeten dinegeri ini menurut kami, namun hasilnya tetap sama, ditolak, dengan catatan penolakan "tidak adanya keterikatan yang kuat dengan negara asal". Hal ini ditambah lagi dgn case record bahwa sudah sering terjadi tim/rombongan (tidak hanya paduan suara) dari Indonesia yang berangkat ke negara Paman Sam tsb, tidak menjaga komitmen kembali ke negara kita ini sesuai waktunya, bahkan ada yang belum kembali sampai sekarang, yang mana hal ini menjadi catatan negatif bagi kepercayaan pihak pemerintah AS/Kedubes utk tidak mudah memberikan visa, terlebih bagi yang pertama kali akan berkunjung, dan kami meyakini hal ini juga diperkuat dengan kebijakan politik pemerintah AS yang ada saat ini, dimana dilakukan pengawasan yang lebih (sangat) ketat untuk pendatang ke negara tersebut. Saat ini kami masih berada di Jakarta untuk bersiap kembali ke Medan, dan kami juga langsung akan bersiap diri untuk kompetisi internasional lainnya dalam waktu dekat ini, semoga kami dapat mengambil hikmah dari apa yg baru terjadi, mohon doanya.

A post shared by Paduan Suara El-Shaddai USU (@paduansuaraels) on

Niresaka tamin'i Edward Palit, tale mpanatanteraka  sy mpitondra tenin'ny Vox Angelica ny Global Voices, namariparitra ny fandraisan’ ireo mpikambana ao amin'ny antoko mpihira momba ny fandavana ny visa ho azy ireo izy;

We are a mix choir group consisting of 41 persons (including manager and conductor). We had to fly to Surabaya from Manado to appear for an interview at the US Consulate in Surabaya. Dozens of our members were denied a visa, including our choir conductor. Our young members said that their visas were denied because they've never traveled abroad before, but our senior conductor who constantly traveled with the choir abroad was also denied entry to the US for a bizarre reason, because he and his wife (who is also one of our singers) are new parents.

Antoko mpihira ahitana lahy sy vavy miisa 41 izahay (anisan'izany ny mpitantana sy ny mpitarika). Tsy maintsy nandeha fiaramanidina nankany Surabaya niala tao Manado izahay mba atao fanadihadiana tao amin'ny Masoivohon'i Etazonia ao Surabaya. Mpikambana ampolony tao aminay no nolavina ny visa, anisan'izany ny mpitarika ny antoko mpihira. Nilaza ireo tanora mpikambana ao aminay fa nolavina ny visa an'izy ireo satria mbola tsy nandeha tany ivelany izahay teo aloha, saingy tsy navela niditra tao Etazonia noho ny antony hafahafa ihany koa ny lehibenay izay matetika mandeha any ivelany miaraka amin'ireo antoko mpihira vahiny, noho izy sy ny vadiny (izay iray amin'ireo mpihira ao aminay) mpihavana vao haingana.

Nampian'i Palit fa sarotra sy mahakivy ny dingana fangatahana visa:

We've been training diligently since we received the invitation to compete (in Princeton). Moreover, the Surabaya trip was a big deal for our choir because we don't have regular sponsors. We are surely disappointed about not being able to showcase our hard work but we're looking ahead to other events in the province, including our own concert and workshop to celebrate the choir's anniversary.

Efa niofana tsara izahay hatramin'ny nandraisanay ny fanasana hifaninana (ao Princeton). Ankoatra izany olana goavana ho an'ny antoko mpihiranay ny dia tany Surabaya satria tsy manana mpanohana maharitra izahay. Tena diso fanantenana izahay noho ny tsy fahafahana mampiseho ny asanay mafy saingy mitodika amin'ny lanonana hafa ao amin'ny faritany izahay ankehitriny, anisan'izany ny fampisehoanay sy ny atrikasanay manokana ho fankalazana ny tsingerintaonan'ny antoko mpihitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.