
Fanazavana: Natao hamohazana ny fahatsapana ny faharefoan'ny mpanjifa, manomboka androany (23 Febroary 2017) ny ‘Premium Fridays’ . Pikantsary avy amin'ny Fantsom-baovao ofisialy ANN.
Tsy dia niraika firy ireo mpiasa Japoney nanararaotra ny hetsika vaovaon'ny governemanta antsoina hoe “Zoma Premium” mandrisika ny olona hiasa kelikely kokoa ary handany vola bebe kokoa.
Ny “Premium Friday” dia ahafahan'ny mpiasa mitsahatra tsy miasa manomboka amin'ny 3 hariva isaky ny Zoma faran'ny volana, ary mandeha mivoaka miantsena, mijery sarimihetsika na fampiratiana any amin'ny mozea, na koa misakafo sy misotrosotro miaraka amin'ny namana sy fianakaviana. Raha mandray anjara amin'ny Zoma Premium ireo mpiasa manerana an'i Japana, tombanana mety hiakatra eo amin'ny ¥124 tapitrisa (eo amin'ny 1,1 milliara dolara Amerikana) eo ny fandaniana manokana ao Japana.
Saingy voalaza fa tsy nahomby ny Zoma Premium tamin'ny 24 Febroary, izay mpiasa Japoney latsaky ny 4 isan-jato ihany no nandray anjara. Ny antony lehibe mahatonga izany dia toa marobe ireo mpiasa Japoney be asa ka tsy afaka miala aloha.
プレミアムフライデー、実際に早く帰った人は3.7% すでに死語領域にhttps://t.co/TTonaUDuqw
— 岡三マン (@okasanman) March 3, 2017
[Araka ny voalazan'ity lahatsoratra ity], 3.7% n'ny mpiasa monja no nandao mialoha ny asany tamin'ny Zoma Premium (tamin'ny 24 Febroary 2017). Toa hita fa maty sahady teo am-pahatongavana ny hetsika.
Natao hamahana ireo olana roa ao Japana ny Zoma Premium: ny faharefoan'ny fandanian'ny mpanjifa sy izay hita fa kolontsain'ny asa tafahoatra. Raha lazaina amin'ny ankapobeny, tsy nihetsika ny fandanian'ny mpanjifa ao Japana nandritra ny 20 taona mahery, indrindra hatramin'ny taompolo nisian'ny Fitontonganana Goavana.
Na dia eo aza ny antontan'isa avy amin'ny Fikambanam-Piarahamiasa sy Fampandrosoana Toekarena (OCDE) izay mampiseho fa vitsy ny ora iasan'ny mpiasa Japoney isan-taona raha oharina amin'ireo namany any amin'ny firenen-kafa, misy ny fiheverana fa lava loatra ny ora fiasàna ao Japana, ary misy ny zavatra tsy maintsy vitaina.
hours worked per worker according to @OECD_Stat
Some interesting figures:
Mexico 2246
Greece 2042
OECD 1766
Germany 1371 pic.twitter.com/0P0wYO3a0E— DimitrisMakrystathis (@makrystath) January 9, 2017
ora iasàna isaky ny mpiasa araka ny antontanisan'ny @OECD_Stat
Antontan'isa sasany mahaliana:
Meksika 2246
Gresy 2042
OECD 1766
Alemaina 1371
Nanangona karazana fanehoan-kevitra momba ny Zoma Premium ilay bilaogera Nyokike, manoratra ao amin'ny tranonkala Japoney Naver Matome. Ny olana lehibe amin'izany? Tsy manam-potoana handaozana ny asa mialoha ny olona.
Araka ny fanamarihana maneso avy amin'ny mpisera Twitter iray:
プレミアムフライデーの反対語は金曜労働ショー
— プレミアムさわでぃ@かいしゃちほー (@sawadybomb) February 23, 2017
Ny mifanohitra amin'ny “Zoma Premium” angamba dia “Zoma Fampisehoana An-dalambe”
Ny “Zoma Fampisehoana An-dalambe” (kin'yo rodosho, 金曜労働ショー) dia lalaon-tenin'ny fandaharana sarimihetsika amin'ny fahitalavitra amin'ny fotoana mahabe mpijery isaky ny Zoma hariva sy ny teny Japoney midika hoe “asa”, rodo (労働).
Nanamarika ihany koa ny mpisera Twitter hafa, manasongadina ny vokatry ny fitsapan-kevitra nivoaka tamin'ny gazety iray, fa iray amin'ireo sakana lehibe indrindra hanaovana ny Zoma Premium ny asa be loatra:
実際にプレミアムフライデー利用した人は3.7%。
帰れなかった人の理由は、仕事が終わらなかった88.4%。
で、貴重な3.7%の人の退社後の行動は、自宅で過ごした41.8%。
…何がしたいの? pic.twitter.com/lRbQNtXn4U— NOWAR (@666fusei) March 3, 2017
Ny 3,7% monja tamin'ireo namaly ny fanadihadiana no nilaza fa nandray anjara tamin'ny Zoma Premium. Ny anton'ny tsy fahafahana miala mialoha dia satria “mbola nisy asa natao aho” hoy ny (88,4%). Tamin'ireo olona 3,7% nandao ny asa mialoha, nilaza ny 41,8% fa mandany fotoana any an-trano izy ireo.
Tsy nankasitraka ny Zoma Premium ihany koa ireo mpampiasa Japoney. Nahita ny fanadihadiana tamin'ny Febroary fa 5,8 isanjaton'ny orinasa manana mpiasa maherin'ny 1.000 no nandray anjara tamin'ny Zoma Premium, raha 2,4% kosa no nandray anjara tamin'ny orinasa manana mpiasa latsaky ny 100.
Mpisera Twitter iray nanamarika fa, na dia amin'ny fanombohan'ny hariva aza ny Zoma Premium, mbola mazava ny ao Dentsu, iray amin'ireo mpampiasa mpiasa birao manana ny heriny indrindra ao Japana.
電通~プレミアム・フライデー~ pic.twitter.com/tdQeyh91qU
— shichi (@shichichaos) February 24, 2017
Premium Friday ao Dentsu.
Mety hoe manakana ny fanaovana ny Zoma Premium ihany koa ny fahavitsian'ny mpiasa ao amin'ny tsenan'ny asa ao Japana. Misy ankehitriny ny tsy fahampian'ny mpiasa ao Japana – misy asa 143 ho an'ny mpitady asa 100 ao Japana – ambany ny kalitaon'ny asa ao Japana. Tahaka ny ao Etazonia, Canada sy ao amin'ny Fanjakana Mitambatra, ambany ny karama ary maro amin'ireo asa no tapak'andro na amin'ny fotoana voafetra fa tsy mpiasa raikitra .
Araka izany, afaka manararaotra ny Zoma Premium ny mpiasa tsy raikitra atao an-jorombala, saingy tsy manana fahafahana ara-bola hanampy ny governemanta hampiroborobo ny tanjona fandanian'ny mpanjifa.
Mpisera Twitter iray namintina am-panesoana ny olana:
政府「プレミアムフライデー導入する」
社員「3時に退社できる!」
飲食店「プレフラ限定ビール半額!」
97%の企業「うちは導入しない」
社員「ファッ!?」
ぼく(無職)「くぅ〜ww働かずに飲む半額ビールうんめぇ〜ww」
結論:プレミアムフライデーで得するのはニートだけ
— 中退くん (@chuutaikun) February 24, 2017
Governemanta: “Hampiditra ny Zoma Premium isika.”
Mpiasa: “Afaka miala amin'ny 3 hariva izahay!”
Toeram-pisakafoanana: “Antsasa-bidy ho an'ny labiera Zoma Premium “tolotra voafetra”!”
97% n'ny orinasa: “Tsy hanatanteraka ny Zoma Premium izahay.”
Mpiasa: “Maninonà – ?”
Izaho (tsy an'asa): “Aahh, hatramin'ny tsy niasako, mahafinaritra ity labiera atsasa-bidy ity!”
Fehiny: Ny TAM ihany (ireo Tsy mianatra, tsy an'Asa, ary tsy Miofana) no mahazo ny Zoma Premium.