Ny Fiainana Ivelan'ny Asa Ho An'ny Filipino Mpanampy An-trano Ao Hong Kong

Video interview screenshot.

Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny antsafa .

Nosoratan'i Avery Tsui, i Li Sunpin, i Minnie Wong, i Vivienne Tsang ary i Achlys Xi ity tantara ity ary nivoaka voalohany tao amin'ny Varsity , gazetiboky tantanan'ny mpianatra avy ao amin'ny Sekolin'ny Fanaovan-gazety sy ny Serasera ao amin'ny Oniversite Shinoa ao Hong Kong.

Tsy mitsaha-nitombo ny isan'ireo vahiny mpanampy an-trano any Hong Kong , nahatratra 340.380 izany tamin'ny herintaona, niakatra 24 isanjato raha oharina tamin'ny dimy taona lasa izay. Na dia tafiditra anatin'ny fiainan'ny fianakaviana maro miasa any Hong Kong aza izy ireo, dia maro ny olona no mbola mihevitra ireo mpiasa an-trano ho toy ny mahantra sy tsy nandalim-pianarana. Rehefa ao amin'ny vaovao izy ireo, dia matetika resahana amin'ny zava-misy mampalahelo – na milaza azy ireo ho misoloky na mangalatra ao amin'ny mpampiasa azy sy manararaotra ny mpiray paroasy aminy izany, na momba ny fampijaliana ataon'ny mpampiasa azy ireo .

Na izany aza, tsy hafa amin'ny olona hafa rehetra ny mpanampy an-trano. Manana namana sy fianakaviana izy ireo, ary mankafy ny fiainana ara-tsosialy betsaka amin'ny andro tsy iasana.

Tonga tao Hong Kong i Michelle Saluta, 37 taona herintaona lasa izay. Nanomboka nandihy niaraka tamin'ny fiarahamonina sy manao izany miaraka amin'ny ekipany isaky ny alahady izy.

Efa 10 taona mahery izy izao no nandihy ary nanomboka izany tany amin'ny oniversite tany Philippines. Mihevitra izy fa afaka manome fanafahana avy amin'ny rotoroton'ny asa ny dihy ary manampy azy hifandray amin'ny namany. Tian'i Saluta ny manao zavatra tsara indrindra amin'ny andro tokana tsy hiasany isan-kerinandro:

We have to enjoy it rather than sitting down [and being] sad.

Tokony hankafy izany isika fa tsy hipetraka fotsiny [ary ho] malahelo.

Mandray anjara amin'ny atrikasan'ny fakana sary i Ann Lee Hidalgo, mpiasa an-trano iray hafa. Nisafidy ny fakana sary i Ann Lee satria manome azy hery tsara izany. Te haneho ny talentan'ny mpanampy an-trano izy amin'ny alalan'ny fakana sary:

I don't like domestic helpers just saying that we are just domestic helpers. We may have the lowest salary here in Hong Kong, but in some ways we are helping Hong Kong. Instead of focusing on the negative sides, like being sad or being homesick, photography helps me to be positive. With the use of my photos, I want them to see we are not just cleaners, we can do other good things.

Tsy tiako ny mpanampy an-trano raha miteny hoe mpanampy an-trano fotsiny izy ireo. Mety isika angamba no kely karama indrindra eto Hong Kong kanefa manampy an'i Hong Kong amin'ny fomba hafa isika. Raha tokony hifantoka amin'ny lafiny ratsy, toy ny hoe malahelo, na manina ny any an-tanàna, dia mankahery ahy ny fakana saripika. Amin'ny alàlan'ny fampiasana ny sariko, tiako izy ireo hahita fa tsy mpanadio fotsiny izahay fa afaka manao zavatra tsara hafa.

Ankoatra ny raharaha isan'andro fanaony, mankafy ny fiainam-piarahamonina miaraka amin'ny mpiray tanindrazana aminy ireo mpanampy an-trano Filipino ao Hong Kong. Leo Selomenio, mpanampy an-trano iray, izay tonga tany Hong Kong tamin'ny taona 1996, ary 10 taona taty aoriana nanangana ny Global Alliance, vondrona iray natokana hanampiana ny vondrom-piarahamonina Filipino ampitan-dranomasina, ary mandany ny faran'ny herinandrony amin'ny fikarakarana hetsika ho an'ireo mpanampy an-trano miaraka aminy. Na dia miatrika zava-tsarotra maro toy ny tsy fahampian'ny fotoana sy ny fanohanana ara-bola aza izy, dia manohana ny ezaka ataony amin'ny alalan'ny famelana azy hahazo roa andro tsy hiasana amin'ny faran'ny herinandro ny mpampiasa azy:

Wherever I go, I may be back to Philippines for good, I will never be able to forget my employer because they have already become a part of my life.

Na aiza na aiza ho alehako, mety hiverina hody ho any Filipina tsy miverina intsony aho, fa tsy ho adinoiko ny mpampiasa ahy satria efa anatin'ny fiainako izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.