Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Hitaro Ny Fahalalanao YouTube Amin'ireto Afrikana Nandresy Tamin'ny Famoronana Lahatsary An-tserasera Ireto

Award for Tanzanian journalist Millard Ayo. Image shared on his Twitter page @millardayo.

Loka ho an'ny mpanao gazety Tanzaniana Millard Ayo. Sary nozaraina tao amin'ny pejiny Twitter  @millardayo.

Niarahaba Ireo Afrikana mpamorona lahatsary an-tserasera tao amin'ny fanokanana ny Lokan'ny Youtube any Afrika Atsimon'i Sahara  (SSA) ny YouTube tamin'ny zoma 11 Novambra. Natao tao Johannesburg, Afrika Atsimo ny hetsika.  Efa natao tany amin'ny faritra hafa ny fanomezana ny loka hatramin'ny taona 2007.

Mpamorona  efatra amby roapolo no nambara fa nandresy tao anatin'ny sokajy miisa 22. Tsy maintsy manana, fara fahakeliny, mpanjohy (mpamandrika) miisa 50.000 ary monina any amin'ny iray amin'ireo firenena valo  any Afrika Atsimon'i Sahara ireo mpamorona mendrika. Ghana, Zimbabwe, Tanzania, Kenya, Nizeria, Afrika Atsimo, Ogandà ary Senegaly ireo firenena mpandray anjara  izay efa novahan'ny YouTube ny fahafahana mamadika ho vola ny votoaty avy amin'ireo firenena ireo.

Ity misy topimason'ny lahatsarin'ireo mpamorona nandresy :

Avy amin'i Ramscomics / Supastrikas ny lahatsary eto ambany, mpandresy tamin'ny sokajy sarimiaina/tantara an-tsary:

Vehivavy Mahia Ampandehanana, lahatsary avy amin'i NdaniTV , mpandresy tamin'ny sokajy Fialamboly:

Nandresy tao amin'ny sokajy tsy mitady tombombarotra i Jim Nduruchi:

Nahazo ny Lokan'ny Mpamorona Be mpamandrika indrindra ao Ogandà i Kansiime Anne:

Manasongadina mpanao hatsikana 6 taona i Emmanuel Samuel, Mpamorona be mpamandrika indrindra ao Nizerià :

Diamond Platinumz no Mpamorona Be Mpamandrika indrindra ao Tanzania :

Nahazo sitraka manokana amin'ny fananana mpamandrika miisa 1 tapitrisa ny fantson-kira Afrikana Tatsimo Yellow Brick Cinema :

Jereo ato ny lisitr'ireo mpandresy feno .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.