Ny Herinandro Teto Amin'ny Global Voices Podcast: Izahay, Vahoaka

Manopy maso ny sasany amin'ireo tantara nivoaka tsy ela avy ato amin'ny famoaham-baovaon'ny Global Voices ny Herinandro Teto amin'ny Global Voices Podcast. Amin'ity herinandro ity, mitafa amin'ireo mpiaramiasa aminay izahay: Elizabeth Rivera, Giovanna Salazar sy Juan Tadeo momba ny fahasorenan'ny vahoaka amin'ny politika ao Meksika

Hoantinay koa ianareo ho any Kôlômbia, India, Siria ary Etazonia, toerana ihaontsika amin'ireo olondehibe hatramin'ny ankizy izay natao hisian'ny fahasamihafàna.

Fisaorana mitafotafo ho an'i Joey AyoubGabriela García Calderón, Tori EghermanPalash Ranjin Sanyal, ary ireo mpanoratra, mpandika sy mpamoaka lahatsoaratra ato aminay, nanampy mba hahatontosa ity andiany ity.

Anatin'ity andiany ity, nasongadinay ireo hira nampiasàna ny lisansa Creative Commons  nalaina tao amin'ny Rakitra Malalaky ny Mozika, isan'ireny ny  Please Listen Carefully an'i JahzzarFirst steps on earth an'i David Skeztay; Backward an'i David Szesztay; Making A Change an'i Lee Rosevere; Breezin an'i Podington Bear; Indian Summer an'i Zero V; ary ny Cree an'i Satellite Ensemble.

Ny sary nasongadina ato anatin'ity tantara ity dia avy amin'ny pejy Facebook-n'i Pedro Kumamoto ary milaza ny hoe “No nos soltemos, los muros sí caen” (Aza avela handeha, hirodana ny rindrina).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.