Ny Fikambanan'ny Mpampianatra ao Ichinomiya, amin'ny alalan'ny kaonty Twitter iraisana izay sahanin'ny mpikambana ao amin'ny biraonà Fikambanana iray any amin'ny tanàna kely iray ao amin'ny manodidina an'i Nagoya, dia nandefa bitsika mahaliana avy ao an-tanànan'i Harbin, ao avaratra atsinanan'i Shina.
Mpiasa amin'ilay fikambanan'ny mpikarakara fialantsasatra ao avaratra atsinanan'i Shina no naka sary ny maritrano japoney tamin'ny faha-zanatany sy ireo fampatsiahivana hafa ny ady naharitra notanterahina tany Shina hanoherana an'i Japana tamin'ny taona 1930 sy 1940.
Ny sasany amin'ireo sary miavaka indrindra navoaka tao amin'ilay fàhana dia avy any amin'ilay fonja fantratra amin'ny hoe Foibe Fushun Fitantanana ireo Jiolahy an'Ady.
Ny fonja ao Fushun dia nitazona Japoney mpitantana teo amin'ny 1.000 teo avy any Manchuko, ilay fanjakan-tsaribakoly natsangana niaraka tamin'ny fanohanan'ny Japoney tao avaratra atsinanan'i Shina tamin'ny 1932.
Puyi (溥儀), ilay amperora farany tao Shina, dia napetrak'i Japana h toy ny mpanjaka araky ny lalàm-panorenan'ny mpanjaka tokana nanomboka ny 1932 ka hatramin'ny 1945 ary nogadraina tao amin'ny fonjan'i Fushun niaraka tamin'ireo Japoney mpitantana sy mpitari-tafika noheverina ho jiolahy an'ady.
労働する溥儀。 pic.twitter.com/ZDw6T3vv9l
— 一宮市教組 公式 (@138shikyoso) August 11, 2016
Puyi amperin'asa.
Raha toa ka milaza ny sasany amin'ireo mpitsikera fa ny jiolahy an'adin'i Japana izay voafonja ao Fushun dia “voasasa atidoha” avy amin'ny Antoko Kaominisita Shinoa, ny fijoroana vavolombelona am-bavan’ireo gadra tenany dia nanamafy fa ny fanarenana no tena nifantohana ary ny fiaikena ny heloka manoloana ny olombelona vitan'ny tafika Japoney nandritra ny ady naharitra fianaovany tamin'i Shina, izay nanomboka niaraka tamin'ny fananiham-bohitra tao Manchuria tamin'ny 1931 ary nitohy mandra-paharesy an'i Japana tamin'ny 1945.
Ireo bitsika avy amin'ny kaontin'ny Fikambanan'ny Mpampianatra ao Ichinomiya no maka ny sasantsasany tamin'io fihetsehampo io.
撫順戦犯管理所での日本人戦犯の様子。この絵も元戦犯が描いたもの。 pic.twitter.com/1o51OY5Gel
— 一宮市教組 公式 (@138shikyoso) August 11, 2016
Japoney jiolahy an'ady voatàna ao amin'ny fonjan'i Liaodong No.3 (Fushun) taorian'ny Ady Lehibe Faharoa. Hosodoko nataon'ny Japoney POW .
Nandritra ny dian'izy ireo tany amin'ny avaratra atsinanan'i Shina, ny olona niandraikitra ny kaonty Twitter an'ny Fikambanan'ny Mpampianatra ao Ichinomiya dia nahita fa mbola feno porofo betsaka mikasika ny fitondrantena Japoney nandritra ny ady ao avaratra atsinanan'i Shina.
平頂山事件の現場。在瀋陽日本国総領事も献花に訪れたことがあります。つまり、日本政府もこの事実を認めています。 pic.twitter.com/JtOCzmz6Kt
— 一宮市教組 公式 (@138shikyoso) August 11, 2016
Toerana nisehoan'ny famonoana faobe Pingdingshan. Misy satroboninahtra eto avy amin'ny Masoivohon'i Japana ao Shenyang, ary niaiky tamin'ny fomba ofisialy ny fanjakana Japoney fa nisy tokoa ity (habibiana) ity.
Raha toa ka tsy isalasalana fa nampiasaina ho fandaharan'asa politika ny tranombakoka ao Fushun, mihetsika ireo fampiratiana ary mamelona andiana olona matetika antsoina hoe ”Japoney Jiolahy an'Ady .”
寛大な判決文を読み、涙を流す武部六蔵。死刑は一人もいませんでした。 pic.twitter.com/W46ojUFDwM
— 一宮市教組 公式 (@138shikyoso) August 11, 2016
Ny lehiben'ny mpiasam-panjakana faha-zanatany, Takebe Rokuzo, dia nitomany rehefa namaky ny didin'ny (fitsarana heloka bevava) manameloka azy. Tsy nisy jiolahin'ady nahazo ny fanamelohana ho faty (tany Fushun).
Ny mpiasa avy amin'ny Fikambanan'ny mpampianatra ao Ichinomiya ihany koa dia nanatri-maso ny iray tamin'ireo zava-nitranga maro nalaza ratsy nataon'i Japana nandritra ny ady tany Shina.
Unit 731 no anaran'ilay toerana ao avaratra atsinanan'i Shina izay nitarihan'ny tafika Japoney fanandramana ara-pitsaboana mampihoron-koditra tamin'ireo gadra Shinoa.
731部隊跡。 pic.twitter.com/7ygeHSNzlM
— 一宮市教組 公式 (@138shikyoso) August 10, 2016
Ny sisa tavela tamin'ny Unit 731.
Ireo bitsika hafa dia manome topimaso, tsy hoe fotsiny tamin'ny fotoana izay niezahan'i Japana hanjanaka an'i Manchuko, fa ihany koa ny vanim-potoan'ny herin'ny dindo Rosiana tao avaratra atsinanan'i Shina.
Ireto misy sary sasantsasan'ny Katedraly Saint Sophia ao Harbin, vita tamin'ny 1932, fony foko Rosiana ny iray ampahatelon'ny mponina tao Harbin:
聖ソフィア聖堂。 pic.twitter.com/r6vW3aTSx6
— 一宮市教組 公式 (@138shikyoso) August 12, 2016
Katedraly Saint Sophia
Manana fifamatorana mafy amin'ny Saikinosin'i Korea ihany koa ny faritra:
平壌館。 pic.twitter.com/2WLcLhvL8j
— 一宮市教組 公式 (@138shikyoso) August 11, 2016
Trano fisakafoanana Pyongyang, Harbin
Manarik'azy i Shenyang, ny tanàna lehibe indrindra ao avaratra atsinanan'i Shina.
Fantatra amin'ny hoe Mukden io tanàna io nandritra ny vanim-potoana fanjanahantany Japoney ary lehibe ara-barotra tamin'izany ary orinasa ao Manchuko. Maro ireo tranobe tamin'ny vanim-potoana fanjanahantany no tavela.
旧東洋拓殖株式会社奉天支社。 pic.twitter.com/ZbjAGgD6uz
— 一宮市教組 公式 (@138shikyoso) August 11, 2016
Sampana fahinin'ny Orinasa Fampandrosoana Tatsinanana tao Shenyang .
旧朝鮮銀行奉天支店。 pic.twitter.com/vBqavX1O2Q
— 一宮市教組 公式 (@138shikyoso) August 11, 2016
Sampana fahinin'ny Bankin'i Korea tao Shenyang.
旧奉天警察署。 pic.twitter.com/G9IbCEYPAO
— 一宮市教組 公式 (@138shikyoso) August 11, 2016
Foiben'ny polisy Shenyang teo aloha (tamin'ny fitondrana fanajanahatany Japoney).
旧奉天大和ホテル。 pic.twitter.com/jQyM86SB4Z
— 一宮市教組 公式 (@138shikyoso) August 11, 2016
Yamato Hotel fahiyn tao Shenyang.
正確には分かりませんが、かつての日本人住宅? pic.twitter.com/r3esgwpTzO
— 一宮市教組 公式 (@138shikyoso) August 11, 2016
Sarotra ny hanamarina, fa mety hoe ireo ve no fonenan'ny Japoney mpanjanaka taloha ?
旧奉天郵便局。約100年前の建物。 pic.twitter.com/VVH4eHhpPg
— 一宮市教組 公式 (@138shikyoso) August 11, 2016
Biraon'ny Paositra taloha tao Shenyang. Naorina teo amin'ny 100 taona lasa izay.
Ny fitetezam-paritra sy ny bitsika dia manarona an'i Kingdao, manerana ny ranomasin'i Bohai ka hatrany amin'ny ho eo antsimo andrefan'i Shengyeng sy Harbin.
Zanatany Alemana fahiny talohan'ny nitakian'i Japana azy, malaza noho ny labierany atao amin'ny fomba Munich i Qingdao:
青島ビール。 pic.twitter.com/Jgr10Ath5k
— 一宮市教組 公式 (@138shikyoso) August 13, 2016