Tatitry ny Mpiserasera: Tsy Lalao Sy Fanalan'Andro Madiorano Ny Pokémon GO Any Shina Sy Afovoany Atsinanana

Kisarisary Pokemon miraikitra amin'ny fiaran-dalamby iray ao Japan. Dikasary avy amin'ny lahatsary YouTube navoakan'i 週に一度は撮り鉄を。 (Fiarandalamby Japoney!), natao ho azo ampiasaina.
Manome tatitra iraisam-pirenena ahitana ireo fanamby, fandresena, ary fironana mipongatra momba ny zo an'aterineto manerana izao tontolo izao ny Tatitr'Olona Mpiserasera Global Voices.
Niresaka ny sasantsasany amin'ireo ahiana hitera-doza amin'ilay lalao mifototra amin'ny zavamisy eo an-toerana nampiana kely antsoina hoe Pokemon GO ny sehatra fampitam-baovao, anatin'izany ny mety ahatratra ny mpilalao ao anatin'ny lozam-pifamoivozana, fianjerana any an-dranomasina, na fampitandremana tafahoatra ataon'ny polisy. Na dia ilay lalao manokana fotsiny aza dia efa manana ny mampiavaka azy manokana mety hampidi-doza any amin'ny faritra sasany eto amin'izao tontolo izao izay mbola tsy ofisialy ny fahafahana mitroka azy.
Mampiasa Google Maps ny lalao ametrahany ireo “haza” (na mpandray anjara ao amin'ny) Pokemon ao amin'ny tontolo jeografika manodidina anao. Rehefa mandehandeha ianao dia mampiasa GPS ny smartfindainao izohiany anao amin'izay misy anao eto amin'izao tontolo izao, dia ho fantany rehefa manatona ireo “haza” ianao. Afaka misambotra haza eo amin'ny efijerin'ny finday ianao avy eo, manazatra azy, ary avy eo mampiditra azy amin'ny sehatr'adin'ny “zavamisy nampiana” maha pokemon Go ny pokemon Go.
Ohatra, tsy mora ny misambotra Pokémon any Shina. Araka ny fanazavan'i Oiwan Lam ato amin'ny Global Voices ny herinandro lasa teo, tsy mbola misy ao amin'ny App Store ao Shina, izay be sivana, ity lalao ity ara-teknika, ka tsy maintsy mihanika ny Rindrin'Afo Goavana [rindrina manakana ny taratra tandrefana tsy hiditra ao Shina] ny Shinoa mpilalao raha te-hahazo ny lalao. Mamitaka amin'ny toerana misy azy mihitsy ny sasany [mg], manenika ny lohamilina Japoney sy mameno ny toeram-panatajahantena ao amin'ny Fitoerana Masin'i Yasukuni, toerana natao ho fahatsiarovana ireo matin'ny ady lehibe faharoa tao Japana. Ho setrin'izany dia nandrara ny lalao ireo toeram-pivavahana hafa any Japana toy ny Toerana Masina Izumo.
Ao Iran, tsy misokatra ara-teknika ao koa ny fitrohana ny lalao Pokemon GO. Fa mampiasa VPN (tambajotra virtoaly manokana) ny mpilalao hitrohana ny lalao, saingy vitsy ny “haza” mety hifanena aminao eny amin'ny tanàna lehibe tahaka an'i Tehran.
Nanome fampitandremana mafy ny mpilalao manatona na maka sary ny lapan'ny governemanta ireo minisitry ny governemanta tany Egypta, Koety ary Emirà Arabo Mitambatra, indrindra fa izay manandanja amin'ny fiarovana ny fanjakana. Nanao fanambarana ny sekretera lefitry ny minisiteran'ny atitany, Atoa Suleiman al-Fahd, fa “tsy misy fandeferana amin'izay rehetra manatonkatona ireo toerana tsy azo idirana, na niniana izany na tsia.”
Ao amin'ny Global Voices podcast [mg] koa mbola misy vaovao momba Pokémon GO maneran-tany.
Manakiana ny WikiLeaks ny Tiorka tamin'ny famoahana ny lahatahirin'olon-tsotra
Raha mitohy ny fihenjanana nanaraka ny fikasana hanongam-panjakana tao Torkia, dia nampiroboroboin'ny WikiLeaks ireo dosie miisa 300.000 izay lazainy ho “mailaka avy amin'ny antokon'ny fitondrana ao Torkia.” Saingy dosie ahitana mombamomba ireo vehivavy mpifidy any amin'ny faritany Tiorka 79 sy fampahafantarana saropady momba ireo mpikambana an-tapitrisany ao amin'ny antokon'ny fitondrana AKP izany, anisan'izany ireo mpanara-maso ny fifidianana. Novalian'ny governemanta Tiorka tamin'ny alalan'ny fanakanana ny Wikileaks [mg] any Torkia izany, raha tsikaritry ny mpiserasera Tiorka haingana kosa fa tsy dia mahaliana ny zavatra niporitsaka tao.
Tao amin'ny sombin-dahatsoratra iray ho an'ny Huffington Post, niresaka momba ilay votoaty tafavoaka ny mpampianatra ambony Tiorka Zeynep Tufekci:
I’ve long been critical of the AKP’s censorship practices in Turkey and will continue to speak out. But there is not a single good reason to put so many men and women in such danger of identity theft, harassment and worse – especially after the country was rocked by a bloody coup targeting this political party.
Efa mpitsikera ny fombam-panivanana ataon'ny AKP ao Torkia aho ary mbola hanohy amin'ny fitenenako hatrany. Saingy tsy misy antony tsara na dia tokana aza ametrahana lehilahy sy vehivavy maro ho mety idiran-doza noho fangalarana mari-panondroana, fanohintohinana ary ny ratsy indrindra – vao nisy fanonganam-panjakana nahafatesana olona nanao ho lasibatra ity antoko politika ity.
Nametraka lalana vaovao henjana kokoa momba ny VPN i Emirà Arabo Mitambatra
Hanenjana kokoa amin'ny lalàna efa misy momba ny Tambajotra virtoaly manokana (VPN) ny governemanta federalin'i Emirà Arabo Mitambatra ary hatao toy izany koa ny fitaovana fihodinana amin'ny sivana ka ny fanenjanana ny lalàna dia mametraka ho jiolahy izay rehetra “mampiasa tambajotra adiresin'arofenitra (adiresy IP) solosaina efa misy hosoka amin'ny alalan'ny fampiasana adiresy diso na adiresy IP an'olonkafa ary manao izany hanaovana heloka bevava na manao izay tsy hahitana ilay fanaovana heloka bevava.” Maro ireo VPN no manao izay mahasarotra, raha tsy hoe tsy misy hevitra mihitsy, ny fanaraha-maso ny zotra sy izay ataon'ny mpisera. Koa ahoana moa no hahalalàn'ny manampahefana fa hanaovana heloka bevava no antony ampiasain'ny olona VPN
Iavonan'ny vazimba teratany Meksikana ny orinasa goavana, mandefa ny orinasan-tseraserany manokana ry zareo
Sambany teo amin'ny tantaran'i Meksika, namoaka lisansa [mg] ho ampiasain'ny indizeny eo amin'ny sehatra ara-piarahamonina ny Ivontoerana Federaly Momba ny Fifandraisandavitra. Ny Tambajotram-pifandraisandavitry ny Fokonolona Indizeny dia hotantanina sy natao ho an'ny fokonolona indizeny any amin'ny kaominina 356 any amin'ny fanjakan'i Chiapas, Guerrero, Oaxaca, Puebla, ary Veracruz.
Mpiaro ny tontolo iainana ao Makedonia tratran'ny fahafaham-baraka amin'ny solokin-tseramailaka
Ahiahian'ny vondrona mpikatroka Makedoniana ny manampahefana ao an-toerana ho mampiasa seramailaka maro hisolokiana vondrona mpikatroka mpiaro ny tontolo iainana iray eo am-piezahana hanakana ireo tetikasam-pampandrosoana ataon'ny governemanta. Efa manana ny tantarany ny antoko mpitondra Makedoniana VMRO-DPMNE amin'ny fikarakarana hetsika manohitra izay hetsika miseho sy kaonty hosoka mba hanalana baraka vondrona mpikatroka sy fampitam-baovaon'olontsotra.
Mbola ao anaty afo fandiovana ny WhatsApp
Rehefa tsy nahatontosa ny didy navoakan'ny fitsarana amin'ny tsy maintsy anomezana azy votoatin-kafatra WhatsApp amin'ny raharaham-pamotopotorana ady heloka bevava iray ao Brezila ny Facebook, dia nogiazan'ny Fampanoavana Federalin'i Amazona ny vola 38 tapitrisa reais – 11,7 tapitrisa dolara amerikana – ao amin'ny tahirimbolan'ny kaontin'ny Facebook ao amin'ny Banky iray ao an-toerana, izany dia ny totalin'ny onitra isan'andro nodidian'ny mpitsara iray noho ny tsy nanomezana ny lahatahiry. Raha mbola tsy mety mifanaraka ny roa tonta, dia mety ho voasakana ao Brezila indray ny tolotra.
Fikarohana vaovao [teny anglisy]
- Digitizing dissent: cyborg politics and fluid networks in contemporary Cuban activism – Sam Kellogg, Teknokultura
- Group5: Syria and the Iranian Connection – Citizen Lab
- ICT Facts and Figures 2016 – International Telecommunications Union
- The Global Surveillance Industry – Privacy International
Fandriho amin'ny alalan'ny seramailaka ny Netizen Report [tatitry ny mpiserasera]
Nandray anjara tamin'ny fanaovana ity tatitra ity i Ellery Roberts Biddle sy i Sarah Myers West.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...