Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices: Lasa Politika ny Pokémon Go

Amin'ity herinandro ity izahay miresaka amin'ny tonia Oiwan Lam, Mahsa Alimardani ary Nevin Thompson ato amin'ny Global Voices amin'ny fiantraikan'ny politika sy ny fanapenambava amin'ny Pokémon Go ao Iran, Japan ary Shina. Hanopy maso amin'ireo tantara toa mifandraika amin'ny fahalalaham-pitenenana ao Timor-Leste sy Meksika ihany koa isika.

Amin'ity tokon-tantara ity izahay manasongadina ny tantara navoakan'i Dalia KiakilirGiovanna Salazar [teny malagasy: Nahazo ny Tambajotram-pifandraisan-davitra Azy Ireo Manokana Ihany Ny Vondrom-piarahamonina Indizeny ao Meksika] Nevin Thompson [Teny malagasy: Nivoaka Niaraka Tamin'ny Tebiteby Sy Fientanam-po tao Japana Ihany Ny Pokémon Go ] Mahsa Alimardani ary Oiwan Lam. Isaorana be dia be ireo mpanoratra, mpandika lahatsoratra ary tonia rehetra nanampy tamin'ny fanatontosana ity tokon-tantara ity.

Amin'ity tokon-tantaran'ny Herinandro tato amin'ny Global Voices ity izahay manasongadina ireo hira avy ao amin'ny Arisivan'ny Mozika Maimaim-poana nahazo lisansa Creative Commons, ka tafiditra amin'izany ny Please Listen Carefully avy amin'i JahzzarParade Shoes avy amin'ny Blue Dot Sessions; Mobile also avy amin'ny Blue Dot Sessions; Falcon Hood avy amin'ny Podington Bear; ary Another Brick in the Wall (live) avy amin'i Montana Skies.

Ny sary nampiasaina ho hajia SoundCloud dia dikasary avy amin'ny lahatsary YouTube nataon'i SeaMTee Gaming.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.