Taorian'ny Fikasana Hanongam-panjakana Tao Torkia, Manontany Ny Mpiserasera Hoe, ‘Fanonganam-panjakana sa Sinema?’

Cartoon widely shared on Facebook.

Sariitatra niparitaka be tao amin'ny Facebook.

Taorian'izay heverin'ny governemanta sy ny ankamaroan'ny Torkia fa fikasana hanonganam-panjakana tsy nahomby ny alin'ny 15 Jolay hifoha 16 Jolay, mbola tsy matoky izany ny ampahany ao amin'ny aterineto Tiorka.

Nipoitra avy hatrany ny tenirohy malaza #DarbeDegilTiyatro (Tsy nisy fanonganam-panjakana, fa sinema) raha nanomboka nivezivezy tao amin'ny media sosialy ny vaovao farany mikasika ny lazaina fa fikasan'ny miaramila hanongam-panjakana.

Amin'ny ankapobeny, mihevitra ireo mpiserasera mamoaka votoaty amin'ny alalan'ny tenirohy fa ny filoha am-perinasa Recep Tayyip Erdogan ihany no nanatontosa ny zava-nitranga izay namoizana olona maherin'ny 160, parlemanta ravan'ny baomba sy ny fiaramanidina kelin'ny miaramila misidina ambany mampatahotra ny toerana be mponina ao Ankara sy Istanbul mba hanitatra ny ambaindainy efa goavana eo anivon'ny politika anatiny.

Malaza ao amin'ny Twitter ao Torkia amin'izao fotoana izao ny: “Mila ny fanamelohana ho faty aho” (#idamistiyorum) & “Tsy nisy fanonganam-panjakana. Fa Sinema.” (#DarbeDegilTiyatro)

Mankany amin'ny RTE ( Recep Tayyip Erdogan) ny Oscar!!!

Ary mankany amin'ny …Filoha Erdogan ny Oscar!

15 Jolay – 16 Jolay: iray amin'ireo alina ratsy indrindra tao Torkia

Araka ny filazan'ny Reuters, nanomboka tamin'ny manodidina ny 7:30 alina ora an-toerana ny tena korontana raha nanomboka nivezivezy tamin'ny aterineto ny tatitra fa nakaton'ny mpiasan'ny tafika ny lalana fidirana ao amin'ny tetezana lehibe Bosporus ao Istanbul, tanàna lehibe indrindra ao amin'ny firenena.

Tao anatin'izany fotoana izany, nofehezin'ny miaramila ihany koa ny tetezana faharoa ao Istanbul.

Antsasakadiny taty aoriana, tao anatin'ny fisehoana vahoaka hita fa mareforefo, nilaza ny Praiminisitra vao avy notendrena Binali Yıldırım fa nisy ny “fikomiana” nataon'ny vondrona mpisintaka tao anatin'ny miaramila ao Torkia, ary notohanan'ny fahavalo manokan'ny filoha Erdogan, ilay mpitondra fivavahana Silamo monina ao Etazonia Fetulla Gulen izany fikomiana izany.

Nandritra ny ora maro taorian'izany, nandrenesana tifitra basy sy fipoahana tao Istanbul sy Ankara, raha nivezivezy teny amin'ny lanitra ao an-tanàndehiben'i Torkia ny angidimbin'ny miaramila sy ny F16s.

Nitatitra ny olana amin'ny fidirana amin'ny aterineto ny mpiserasera Tiorka ary nanome tahiry tsy voafetra ho an'ny “naman'izy ireo ao Torkia” ny TunnelBear mpamatsy tolotra tambajotra virtoaly manokana mba hahafahana miditra aterineto.

Ho an'ny namanay ao Torkia, manana tahiry tsy voafetra ianao amin'izao fotoana izao ahafahana miditra aterineto miaraka amin'ny #TunnelBear

Nifehy ny fahitalavi-panjakana Tiorka sy ny tranon'ny CNN Turk ary ny haino aman-jery hafa lehibe ireo miaramila izay tsy fantatra avy hatrany ny komandy fara-tampony.

VAOVAO FARANY: Niantsona tao amin'ny Foiben'ny Media Dogan misy ny @cnnturk ny vondrona miaramila. Efa tafiditra ao anaty trano izy ireo.

Tao anatin'ity korontana ity, namoaka fanambaràna ny miaramila izay nilazàn'izy ireo fa efa voafehin'izy ireo ny  governemanta mba hamerenana indray ny filaminana ara-demokratika ary nanambara ny fametrahana lalàna miaramila sy ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina ry zareo.

Nampiseho fiara mifono vy milahatra eo ivelan'ny seranam-piaramanidina Istanbul ny sary.

Taorian'ny sahoan-dresaka marobe momba izay misy azy – voalaza fa tao anatin'ny fialan-tsasatra ny Filoha Erdogan raha nitranga ny fanonganam-panjakana – niala tamin'ny fahanginany ny Filoha Erdogan ary nampangina ny tsaho hoe nandositra ny firenena izy.

Niresaka tamin'ny firenena tamin'ny alalan'ny fampiharana FaceTime tamin'ny iPhone izy ary niantso mivantana ny vahoaka mba hidina an-dalambe hiady ho an'ny demokrasia.

“Midìna eny an-dalambe ary omeo azy ireo ny valinteny izy ireo,” hoy izy.

Manasa ny vahoakantsika ho eny amin'ny kianja sy ny seranam-piaramanidina aho mba hitsangana ho an'ny demokrasia sy ny finiavan'ny firenentsika.

Ary nirotsaka teny an-dalambe tokoa ny olona, izay amin'ny ankapobeny nahahenika ireo manamboninahitra.

Araka ny filazan'ny CNN live blog, nahafatesana olona 161 ary naharatrana mihoatra ny 1.400 ny fikasana hanongam-panjakana ary nahasamborana miaramila manamboninahitra 2.839.

Ary satria nilaza ny governemanta fa nahavita nifehy ireo mpanongam-panjakana ary voafehy tanteraka ny toe-draharaha, miha-maro ny Tiorka tonga tamin'ny tsoan-kevitra fa na dia eo aza ny fironan'i Erdogan amin'ny politika fihantsiana, tena nisy tokoa ny fikasana hanongam-panjakana tao amin'ny firenen'izy ireo”.

Aza matoky izany. Mipoitra miandalana ny tantatra mitombina tanteraka. Tsy afaka manomana mora foana izany zavatra izany ianao, miaraka amin'ny fandefasana sary mivantana 300.

Nitondra ny demokrasia Tiorka teo ambavahoana ny loza i Erdogana talohan'ny fanonganam-panjakana; nandroaka ny demokrasia tany anaty hantsana ireo manamboninahitra mpanongam-panjakana.

Niaina fanonganam-panjakana tamin'ny taona 1960, 1980 sy 1997 i Torkia, iray amin'ireo manana tafika lehibe indrindra manerantany.

Nahitàna ny faharefon'ny andraikitry ny tafika amin'ny politika anatiny ny fivoaran'i Erdogan sy ny antokony mpandala ny nentin-drazana AKP (Antokon'ny Fahamarinana sy ny Fampandrosoana) tamin'ny vanim-potoana taorian'ny taona roa arivo.

Heverin'ny maro toy ny iray amin'ireo mpitondra matanjaka indrindra sy fatra-paniry laza indrindra eo amin'ny tantaran'i Torkia i Erdogan, izay nilaza ny faniriana hanova ny lalàmpanorenana tao anatin'ny fotoana imbetsaka.

Na dia nekena fa hiantoka ny fandrosoan'ny toekarena matanjaka am-polo taona aza ny antokony tany am-boalohany, nitombo ny tsy fandriampahalemana sy ny ady tao amin'ny firenena taorian'ny fanapahan-kevitry ny governemanta hiditra amin'ny ady ao amin'ny firenena manodidina, Syria sy hanamafy ny ady am-polony taonany nifanaovana tamin'ireo milisy Kiorda ao atsinanan'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.