Nahoana i Facebook No Nanala Ny Lahatsoratra Fanakianana Ny Polisy Singapaoreana?

Teo Soh Lung and Roy Ngerng, another activist who has been investigated for political activities. Photos from International Service for Human Rights and The Heart Truths (Roy's blog).

Teo Soh Lung (ankavia) sy Roy Ngerng, mpikatroka hafa natao fanadihadiana noho ny hetsika ara-politika. Sary avy amin'ny Sampan-draharaha Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'Olombelona sy ny Fahamarinana (Bilaogin'i Roy).

Rehefa nanadihady ilay mpikatroka ara-politika sy ny mpisolovavan'ny zo ara-tsivily Teo Soh Lung  ny polisy Singapaoreana ary nisava ny tranony sy ny fitaovana elektronika tsy misy taratasy avy amin'ny fitsarana, hoy i Soh Lung, nanoratra ny zava-nitranga tamin'ny volana May 2016 tao amin'ny Facebook izy, ary nandefa lahatsarin'ny fikarokarohana tao amin'ny YouTube ny mpisolovavany. Niely haingana ilay tsanganana.

Fa nosivanina ny lahatsoratra Facebook farany nalefan’ i Soh Lung momba ny zava-nitranga. Nitatitra i Soh Lung fa nesorin'ny Facebook noho ny ‘fandikana ny fitsipiky ny vondrom-piarahamonina ‘ ny tsanganana nataony (jereo etsy ambany) izay nanameloka ny fanararaotam-pahefana nataon'ny polisy tao Singapaoro.

 

Teo Soh Lung received a notification that her post criticizing the Singapore police was removed on Facebook for violating community standards. Photo from the Facebook page of writer Kirsten Han

Nahazo fampahafantarana i Teo Soh Lung fa nesorina tao amin'ny Facebook noho ny fandikana ny fitsipiky ny vondrom-piarahamonina ny lahatsorany izay manakiana ny polisy tao Singapaoro. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ilay bilaogera Kristen Han ao Singapaoro.

Efa nanadihady an'i Soh Lung miaraka amin'i Roy Ngerng, mpikatroka iray, ny polisy iray andro talohan'ny fifidianana “noho ny famoahana lahatsoratra maro tao amin'ny aterineto sy ireo hafatra izay mitovy amin'ny dokambarotra ara-pifidianana” natao “hieritreretana tsara ny olana isan-karazany hita amin'ny fifidianana alohan'ny handatsaham-bato.” Voarara ihany koa ny karazana dokambarotra fanentanana tamin'ny androm-pifidianana. Nampiharina ho an'ireo  zoro fampahalalam-baovao tamin'ny aterineto ihany ireo fepetra fa tsy ho an'ny olona tsirairay. Niahiahy i Soh Lung sy Ngerng fa lasibatry ny manam-pahefana izy ireo noho ny fikatrohany ara-politika teo aloha.

Namoaka ny lahatsorany tao amin'ny amin'ny pejy Facebook-n'ny Function 8 vao haingana indrindra i Teo Soh Lung , izay tranonkalan-tsosialy sy politika, ary nilaza ny fihaonany tamin'ny polisy tamin'ny volana May. Toy izao ny tohin'ny lahatsorany (ny sary etsy ambony no sombiny amin'izany) :

The police have robbed me of my properties and gravely inconvenienced me. They have mined my data. They have seen and read all my private documents and know who are my friends. They have invaded my privacy. They have committed a crime. I am angry. But where is my recourse? We do not have a national human rights institution which our so called less developed neighbors have – Malaysia, Indonesia, Thailand and Myanmar.

This is my Singapore. This is your Singapore. We are a police state. For the slightest irritation, Singaporeans run to the police. But when the police commit a wrong, where do we run to?

Nandroba ny fananako ny mpitandro filaminana, ary tena nanankorontana ahy. Nalain'izy ireo ny lahatahiriko. Nahita sy namaky ny antontan-taratasiko manokana rehetra izy ary nahafantatra hoe iza ireo namako. Nosavainy avokoa ny fiainako manokana. Nanao heloka bevava izy ireo. Tezitra aho. Kanefa aiza aho no hitaraina ? Tsy manana andrim-panjakana misahana ny zon'olombelona izahay izay hananan'ilay mpifanolobodorindrina aminay antsoina fatratra hoe tsy dia mandroso – Malayzia, Indonezia, Thailandy ary Myanmar.

Izany no Singapaoro-ko. Izany no Singapaoro-nareo. Fanjakan'ny polisy isika. Mandeha faingana ho any amin'ny polisy ireo Singapaoreana amin'ny fahasosorana kely indrindra . Fa rehefa ny polisy no manao ny tsy mety, aiza isika no hihazakazaka ?

Nesorina tamin'ny fomba misitery tao amin'ny Facebook ny lahatsoratra araka ny Function 8:

Latest post by Soh Lung in this page was automatically unpublished by facebook!! Those people who shared that post also have theirs removed automatically from their walls.

Niala ho azy tao amin'ny Facebook ny lahatsoratra faran'i Soh Lung !! Niala ho azy teo amin'ny rindriny ihany koa ny an'ireo olona izay nizara izany lahatsoratra izany.

Voarara tamin'ny famoahana lahatsoratra tao amin'ny Facebook nandritra ny andro iray ihany koa i Soh Lung. Nanamafy izy fa voasakana ny lahatsorany rehefa niverina niditra tao amin'ny Facebook izy :

I have joined rank with Andrew Loh. My latest post on F8 facebook and which I shared here has been removed by facebook. It is titled “Police Terror”.

Niray laharana tamin'i Andrew Loh aho. Nesorin'ny facebook ny lahatsoratro farany tao amin'ny Facebook F8 sy izay nozaraiko teto. Mitondra ny lohateny hoe “Fampihorohoroan'ny polisy”.

Eny tokoa, tsy vao lahatsoratra voalohany mitsikera ny manam-pahefana Singapaoreana voasivana tao amin'ny Facebook izany. Nitanisa ny raharahan'ny bilaogera Andrew Loh izay nanana lahatsoratra nesorina tao amin'ny Facebook mitsikera ny politikan'ny governemanta Singapaoreana ihany koa i Soh Lung . Tsy nahazo niditra tao amin'ny Facebook nandritra ny telo andro ihany koa izy. Taorian'izay,  niala tsiny ny Facebook noho ny fanesorana ‘tsy nahy’ ny lahatsoratra sy ny fanakanana an'i Andrew Loh tsy hiditra amin'ny tranonkalan'ny tambajotra sosialy nandritra ny telo andro.

Soh Lung has been given no further information about why her post was removed. Facebook's automated message states that it violated the company's “Community Standards,” but did not specify which of the standards was violated.

Tsy nomena fanazavana fanampiny i Soh Lung momba ny hoe nahoana no nesorina ny lahatsorany. Nilaza ny hafatra mandeha ho azy tao amin'ny Facebook fa nandika ny “Fitsipiky ny Vondrom-piarahamonin‘ny orinasa ilay izy kanefa tsy nilaza hoe iza tamin'ireo fitsipika no voahitsakitsaka.

Namerina nandefa ny hafatra tao amin'ny pejiny manokana i Soh Lung:

I am testing if there is a computer glitch on FB side since I don't know where to write to in order to complain about the removal of my earlier post.

Nandramako raha toa ka misy olana ara-teknika tao amin'ny FB satria tsy fantatro hoe aiza aho no tokony hanoratra momba ny fitarainana momba ny nanesorana ny lahatsoratro teo aloha.

Niahiahy ny bilaogera sady mpanoratra ato amin'ny Global Voices Kirsten Han ao Singapaoro fa mety nitaraina na nitatitra ny lahatsoratra  tamin'ny fampiasana ny rafitra ao amin'ny Facebook “Report Abuse” ireo mpisera hafa. Manahy izy fa mety ho “tetika iray vaovao mba hampanginana” ny tsikera ao Singapaoro izany:

It's bizarre that Facebook would remove a post about police powers and due process in Singapore because it violates community standards – what standards have been violated here? Then again, it's not the first time – I had a post removed ages ago, and it happened to Andrew Loh recently.

It is possible that the post was removed because it was reported by a large number of people….If this is the case, then it's troubling how this could be a new tactic to silence.

Tena hafahafa raha i Facebook no hanala ny lahatsoratra momba ny fahefan'ny polisy sy ny dingana ara-dalàna ao Singapaoro satria mandika ny fitsipiky ny vondrom-piarahamonina izany- inona ilay fitsipika voahitsakitsaka eto? Avy eo indray, tsy vao voalohany io- Nesorina ny lahatsoratro taona vitsivitsy lasa izay, ary nitranga tamin'i Andrew Loh vao haingana izany.

Mitombina fa nofafana ilay lahatsoratra satria notaterin'ny olona maro ilay izy …  Mampiahiahy noho izany hoe ahoana ny fomba mety mahatonga izany ho tetika vaovao amin'ny fampanginana raha izay tokoa no zava-nitranga.

Milaza ny politikan-tahirin-kevitry ny Facebook fa tsy manala ny lahatsoratra araka ny habetsaky ny fitoriana fanitsakitsahana izay voarainy ny orinasa.  Ho averina hodinihin'ny mpiasa ny lahatsoratra rehetra izay voalaza fa misy fanitsakitsahana ary izy no mamaritra raha mandika na tsia ny Fitsipiky ireo Vondrom-piarahamonina ilay izy.

Azo inoana fa nesorina mifanaraka amin'ny fitsipiky Facebook momba ny “fitsikerana ny olo-malaza” ny lahatsoratr'i Soh Lung.  Mivaky toy izao ny politika momba ity olana ity :

We permit open and critical discussion of people who are featured in the news or have a large public audience based on their profession or chosen activities. We remove credible threats to public figures, as well as hate speech directed at them – just as we do for private individuals.

Mamela ny fifanakalozan-kevitra misokatra sy ny tsikera izahay ho an'ny olona izay malaza ao amin'ny vaovao, na olona manana mpihaino maro miorina amin'ny asany na sehatra voafidy. Manala ny fandrahonana olo-malaza voamarina izahay, ary ny fankahalana azy ireo mivantana – tahaka ny ataonay amin'ireo olona tsirairay.

Moa ve ny orinasa namaky ny lahatsoratr'i Soh Lung ho toy ny “fandrahonana voamarina”? Mety hanamarina ilay fihetsika ny firesahany momba ny namany nanao voady “handefa ny alikany hanafika polisy”. Nilaza ny fanamarihana iray hafa nomena fa mailo tanteraka ny orinasa momba ny hetsika mifandray amin'ny asa fampihorohoroana ao amin'ny sehatra, mety ho ny fampiasana'i Lung Soh ny teny hoe “fampihorohoroana ” izany no mety hanome ny valin'izay. Na ahoana na ahoana, manantena  i Soh Lung fa hijanona ao amin'ny aterineto ny adihevitra ho avy izay ho ataony momba ny olana , mba ho hitan'ny olona rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.