Nidina ambany be ny laharana misy an'i Hong Kong ao anatin'ny fampilaharana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety erantany, fihemorana “tsy mbola nisy tahàka azy” hoy ny mpanaramaso

Tondro 2024 momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, avy amin'ny Reporters Without Borders (RSF). Sary: RSF.

Hilary Leung no nanoratra ity lahatsoratra ity ary navoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 3 May 2024. Dika nasiam-panovàna no averina avoaka eto ambany ho ampahany amin'ny fiarahamiasa amin'ny HKFP.

Nidina manakaiky ny vodilaharana indray i Hong Kong ao anatin'ny tondro erantany ho an'ny asa fanaovana gazety, izay  araka ny lazain'ny mpanaramaso dia fitsimbadihana “tsy mbola nisy tahàka azy” nahitàna fanakatonana trano famoaham-baovao sy fisamborana mpanao gazety tamin'ny alàlan'ny fampiasàna ilay lalàna momba ny fiarovam-pirenena ao Beijing.

Faha-135 amin'ireo faritany sy firenena 180 no misy an'i Hong Kong ao anatin'ny fampilaharana isantaona avy amin'ny RSF momba ny asa fanaovana gazety, navoaka tamin'ny Zoma ho fanamarihana ny Andro Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety.

Tery eo anelanelan'i Filipina sy Sodàna Atsimo ao anatin'ilay fampilaharana, tohizan'i Hong Kong ny maha-iray firenena mandroso azy, nefa iray amin'ireo tena vitsy ratsy toerana.

Niakatra toerana dimy ny misy azy ao anatin'ilay fampilaharana, avy amin'ny 140 tamin'ny taona lasa. Nambaran'ilay ONG momba ny fahalalahana maneho hevitra fa io fanapahankevitra io dia noho ny fiovàna tsikaritra tany amin'ny faritany hafa no tena nanosika azy, fa raha ny marina dia nidina ny isa azon'ilay tanàna raha resaka fahalalahan'ny asa fanaovana gazety. Nilaza tamin'ny HKFP i Aleksandra Bielakowska,  tomponandraikitry ny fisoloana vava ao aminy, ho an'i Azia-Pasifik⁩a, fa:

Nahazo toerana +5  [niakatra] i Hong Kong, saingy fotsiny noho ny fihetsehan'ireo faritany hafa tao anatin'ilay fanondroana. Raha ny marina dia nidina -1,8 ny isa azony, izay fiovàna manandanja.

Iharan'ny tsindry pôlitika ny ankamaroan'ireo media goavana mpikambana anatin'ireo vondrona mpomba ny “establishment” sy ny tsy miankina, hoy ilay mpanaramaso ao anatin'ny tatitra avy amin-dry zareo:

Raha mànda fiarovana ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety fahiny, hatramin'ny 2020 dia niharana andiam-pihemorana tsy mbola nisy tahàka azy ilay faritra ara-pitantanana manokana ao Hong Kong, eo ambany fiahian'ny Repoblika Entimbahoakan'i Shina, rehefa nandany lalàna iray momba ny fiarovam-pirenena i Beijing, nataony hanampenam-bava ireo feon'ny tsy miankina.

Tamin'ny Martsa, nihazakazahan'ireo manampahefana ny fandaniana lalàna iray mitokana momba ny fiarovam-pirenena – fantatra amin'ny hoe Andininy faha-23 – izy ahitàna ireo heloka toy ny famadihana tanindrazana, fitsikilovana ary fangalarana tsiambaratelom-panjakana. Nolazain'ny sekreteran'ny fitsaràna, Paul Lam, tamin'ny herinandro lasa fa tsy mila miahiahy ny media ary mbola azo natao tsara ny manakiana ny governemanta “tsy olana na dia mahery vaika sy henjana aza izany.”

Any amin'ny Fahalalahan'ny asa fanaovana gazety daholo ny maso

Ifantohan'ny mason'ny rehetra ny toejavatra momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao Hong Kong hatramin'ny Jona 2020 nampiharan'i Beijing ilay lalànany momba ny fiarovam-pirenena. Io lalàna io dia noho ireo volana maro nisiana hetsipanoherana an'ilay tolodalàna nahabe resaka.

Ilay voaiben'ny media, Jimmy Lai, mpanorina ny gazety mpandàla ny demaokrasia  “Apple Daily”, dia miatrika fitsaràna noho ireo vesatra iampangàna azy  ho niray tsikombakomba sy niara-niasa tamina hery avy any ivelany, ary niray tsikombakomba hamoaka zavatra “mampisara-bazana” araka ilay lalàna momba ny fiarovana.

Nandritra izany, tamin'ny herinandro lasa ny fahefam-pitsaràna dia nilaza fa ilay didy tamin'ny fitsaràna momba ny fampisaraham-bàzana natao ny Stand News sy ireo olona roa toniandahatsoratra fahiny tao aminy dia nahemotra ho amin'ny faran'ny volana Aogositra – efa mahery ny roa taona sy tapany taorian'ny fisamborana tamin'ny Desambra 2021.

Na tsy voalazan'ilay lalàna momba ny fiarovam-pirenena tamin'ny 2020 aza ny momba ny fikomiana, lalàna izay manenjika ny fisintahana, ny fanodinkodinana, ny firaisana tsikombakomba amin'ny hery avy any ivelany sy ny asa fampihorohoroana, dia novelomin'ilay tanàna indray taorian'ireo hetsipanoherana tamin'ny 2019 ilay lalàna fony fanajanahantany rehefa tsy nampiasaina nandritra ny ampolon-taona marobe. Nampiasaina hanenjehana ireo lahatsoratra miendrika “fikomiana” ety anaty tambajotra ilay lalàna, ary kely ny vintana hahazoana fahafahana vonjimaika ho an'ireo voasambotra – toy ireo olona voaheloka araka ilay lalàna momba ny fiarovam-pirenena nataon'i Beijing.

Tamin'ny 2021, samy nanaovan'ny pôlisy bemidina daholo ny tany amin'ny trano famoaham-baovaon'ny Apple Daily sy Stand News ary nosamborina ireo mpiasa ambony tao amin-dry zareo. Fotoana fohy taorian'izay, nikatona ireo mpamoaka vaovao ireo.

Governemanta ao HK: Hajaina sy arovana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety

Nanamafy anefa ireo manampahefana fa “hajaina sy arovana” ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao Hong Kong.

Tamin'ny Desambra lasa teo, taorian'ny nilazan'ny   Media Freedom Coalition,  hoe “mitohy iharam-panafihana” avy amin'ireo manampahefana “ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao amin'ilay tanàna, dia nilaza ireo manampahefana fa:

Afaka mampiasa ny fahalalahan-dry zareo manao ny asa fanaovany gazety ireo media, mifanaraka amin'ilay lalàna. Tsy voasakana ny fahalalahan-dry zareo mametraka fanehoankevitra na manakiana ny politikan'ny governemanta rehefa tsy mandika ny lalàna izany.

Nifandray tamin'ireo manampahefana ny HKFP, hiresaka momba ilay fampilaharana nataon'ny RSF.

Tamin'ny volana lasa teo, Bielakowska⁩ – solontenan'ny RSF – dia tsy navela hiditra tao Hong Kong rehefa avy nosavaina sy nalaina am-bavany nandritra ny ora enina tao amin'ny seranam-piaramanidina. Nambaran'ny RSF fa ilay tranga dia manamarika “fikororosiana iray vaovao” amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao amin'ilay tanàna. Kanefa, nahazo alàlana hiditra ihany ny solontena iray hafa avy amin'ny RSF taty aoriana.

Fanambaràn'ny FCC

Tao an-toerana, ny 3 May, ny Foreign Correspondents’ Club ao amin'ilay tanàna dia nilaza ny fanamafisany ny fanolorantenany hiaro ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety “ao Hong Kong sy manerana izao tontolo izao”. Hoy ilay klioba nanoratra:

Koa satria miatrika fisalasalàna sy faneriterena tsy mitsaha-mitombo ireo mpanao gazety sy fikambanana media ao Hong Kong noho ny fandaniana vao haingana an'ilay Andininy faha-23, ny 3 May dia miasa ho toy ny fampahatsiahivana an'ireo manampahefana ao amin'ny governemanta mba hanajàn-dry zareo ny fanolorantenan'ny fanjakàna hanaja ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety.

Tamin'ny 2002, tany amin'ny faha-18 no nisy ny fahalalahan'ny asa anaovana gazety tao Hong Kong, taona voalohany namoahan'ny RSF ny tondro famoakany. Nidina ny laharan'ilay tanàna tamin'ny 2022, taorian'ny fanakatonana ny Apple Daily sy ny Stand News.

Nolazain'ilay mpanaramaso fa io fidinana io no “fianjeràna lehibe indrindra” tamin'ireo firenena sy faritany rehetra ho an'io taona io. Cedric Alviani, filohan'ny biraon'ny RSF any Taiwan misahana ny faritra Azia Atsinanana, nilaza hoe:

Saingy mendrika tanteraka izany noho ireo fanafihana tsy miato mahazo ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety sy ny fanjavonana tsikelikelin'ny fanjakàna tàn-dalàna ao Hong Kong.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.