Mifampitantana Ny Homofôbia Sy Ny Tahotra ‘ Hery Vahiny’ Ao Shina

Fangataham-badin'ny mpisipa vavy sy vavy ampahibemaso tao amin'ny Oniversite Fianarana Teny Vahiny ao Guangdong ny 21 Jona. Sary avy amin'ny bilaogin'ny Miralenta ao Shina.
Toe-javatra iray vao haingana no mampiseho fa mifampiditra indraindray ao Shina ny tahotra fahapelahana sy ny tahotra hery vahiny.
Tamin'ny 21 Jona, nanao fitoriana fitiavana teo imasom-bahoaka ny mpisipa mpifankatia vavy sy vavy avy ao amin'ny Oniversite Fianarana Teny Vahiny ao Guangdong taorian'ny lanonana fizarana diplaoma. Tsy ela akory dia nalaza be tao amin'ny sehatra media sosialy Shinoa WeChat sy Weibo ny sarin'ny oroka mamin'izy ireo sy ny vaovaon'ny fangatahana . Nidera ny fanehoam-pitiavana ny olona nanatri-maso ary nitso-drano azy ireo.
Fa nony avy eo , tamin'io andro io ihany, nesorin'ny mpanao sivana tanteraka ny sarin'ilay fandrakofana fitoriana fitiavana teo imasom-bahoaka tao amin'ny kaonty hitan'ny daholobe Wechat an'ny vondron'olona vavy tia vavy, sady lahy no vavy, lahy tia lahy, ary ny nanova fitaovam-pananahana (LGBT) ao Guangzhou antsoina hoe Sipa. Nofafana ihany koa ny fandefasana vaovao mifandraika tamin'izany tao amin'ny Weibo izay navoakan'ny Vondrona feminista ao Guangzhou antsoina hoe Fifohazam-Behivavy .
Voampangan'ny ‘fanaraha-maso fikambanana tsy ara-dalàna’
Norahonan'ny Sekretera Lefitry ny Komitin'ny Antoko Komonista Shinoa tao amin'ny Oniversite i Wang Xiaoyu ,iray amin'ireo vehivavy fofombady,fa tokony hahazo sazy fifampifehezana izy noho ny “fitondra-tena ratsy.” Namoaka lahatsoratra mitantara indray ny zavatra niainany taorian'ilay fitoriana fitiavana teo imasom-bahoaka tao amin'ny bilaogin'ny vondrona feminista Miralenta ao Shina i Wang tamin'ny 28 Jona :
我叫王小宇,是一名拉拉。我和我的女朋友同是广东外语外贸大学2016年应届毕业生。借毕业典礼之际,我们决定以求婚的方式公开出柜,让性少数群体的亲密关系在大学校园内被看见、被讨论、被思考,为创造开放多元的大学校园环境而尽一份力。[…]
事情发生不久后,我学院党委副书记杜书记火燎火急要找我谈话,希望我就此事在媒体禁声,不要给学校带来“不良影响”,“你要保护好自己,不要受到媒体伤害”,她担心“别有用心”的“国外媒体”、“国外势力”关注、利用我。
杜书记这样和我说,“这么多同性恋者,大家都不会歧视,因为他们把握得很好,不会去影响到别人,也不会去危害到别人。”
去年是我校50周年校庆,50对广外异性恋伴侣举行了集体婚礼,而我们又什么时候怀疑过他们的举动会不会“危害到别人”?[…]同性恋之间的爱欲表达怎么又变成一个不堪,更遑论危害他人的事情?
Wang Xiaoyu no anarako, vavy tia vavy aho. Samy nahazo diplaoma 2016 tamin'ny Fianarana Teny Vahiny tao amin'ny Oniversiten'ny Guangdong izaho sy ny sipako. Nanararaotra ny lanonana fizarana diplaoma izahay mba hivoahana tao amin'ny miafina ary hiseho ampahibemaso amin'ny fiarahana amin'ny alàlan'ny fitoriana fitiavana. Tianay mba ho hita ny fifankatiavana miafin'ny mpitia amin'ny fitiavana vitsy an'isa, mba handrisihana fifanakalozan-kevitra sy fandinihana ary hanorenana tontolo misokatra sy marolafy ao amin'ny tontolon'ny oniversite. […]
Tsy ela taoriana [fitoriana fitiavana ampahibemaso], nitady resaka tamiko fatratra ilay mpitantsoratra lefitry ny sekoly, ny Sekretera Du. Tsy tiany intsony aho hiresaka amin'ny fampitam-baovao, ary hanajanona izany mba tsy hisian'ny “fiantraikany ratsy ” ho an'ny sekoly. Nampirisika ahy izy “hiaro tena amin'ny fanalam-barakan'ny fampitam-baovao”, ary manahy izy fa hanome fanamarihana ahy ny “fampitam-baovao vahiny” miaraka amin'ireo “teti-dratsiny” sy ireo hery vahiny, ka hitady ahy.
Hoy i Sekretera Du tamiko: “Be loatra ny lahy tia lahy sy vavy tia vavy eto amin'ny manodidina, tsy misy manavakavaka azy ireo satria mahafantatra ny fomba handanjalanjany ny fiarahany izy amin ‘ny fomba izay tsy hampisy na hitondra fiantraikany ratsy ho an'ny hafa.
Tamin'ny taon-dasa, nandritra ny faha-50 taonan'ny oniversite, niara-nanao ny fombafomba mariazy ny mpivady lahy sy vavy miisa 50. Tsy nisy nieritreritra mihitsy fa mety hitondra fahavoazana ho an'ny hafa ny fihetsik'izy ireo […]. Koa nahoana ny fanehoam-pitiavana eo amin'ny olona LGBT no hitondra fiantraikany ratsy ho an'ny hafa?
Nalain'ny mpitan-tsoratra lefitra ny diplaoman'i Wang tamin'ny 22 Jona mba hakana antoka fa tsy hiresaka amin'ny fampitam-baovao izy. Nanery ireo ray aman-drenin'i Wang koa izy, ka nilaza tamin'izy ireo fa eo ambany fifehezan'ny “fikambanana tsy ara-dalàna ” ny zanany vavy ka nangataka azy ireo mba hitatitra amin'ny polisy fa “tsy hita ny zananivavy “, mba ahafahan'ireo polisy miditra ao an- tranony, ary hitady ny porofo amin'ny fifandraisany amin'ny fikambanana tsy ara-dalàna.
Tsy niverina tamin'i Wang ny diplaomany raha tsy tamin'ny 28 Jona rehefa nangina nandritra ny herinandro izy, ary nanafoana ny dia famitana iraka. Faly ilay mpitantsoratra lefitry ny sekoly fa voafehy ny toe-draharaha :
杜书记严肃地和我家里人说我参与了非法的、不正当的活动,会对我的前途有很大的影响。她说我原来是非常优秀的学生,但后来变化太大。现在我为与父母沟通放弃出差被他们定义为“局势的扭转”,“事态还在萌芽状态就得到控制,被扼杀了”。然而她没有意识到的是,事情没有往她丰富的想象方向发展,这可能会给她立了一个大功劳,却给我的生活带来多大的创伤与影响。
从杜书记自作主张告诉我家人“我是被非法组织控制了”开始,我就陷入了和家长非暴力沟通无效且受到双方压力的无力中。她丰富的想象力给我紧张的父母火上浇油,在我和父母有沟通隔阂的时期趁虚而入,最终导致我和家人之间信任破裂[…]。
Nilaza tamin'ny fianakaviako tamin'ny fomba matotra i Sekretera Du fa nandray anjara tamin'ny hetsika tsy ara-dalàna sy tsy mendrika aho, izay hisy fiantraikany lehibe amin'ny hoaviko. Hoy izy hoe tena mpianatra mendrika aho kanefa niova. Najanoko hankanesana any amin'ny ray aman-dreniko ny dia famitana iraka nampanaovina ahy, ary hitan'izy ireo ho “fiovana ho amin'ny tsara kokoa” izany , “fifohazana vaovao indray.” Mety hanampy azy hilaza fa nandresy tamin'ny zavatra tsy nitranga akory ny eritreriny. Tsy niraharaha ny fomba nandratrany ahy izy.
Tsy afaka nifandray intsony tamin'ny fianakaviako aho ary tsy afa-manoatra satria nilaza tamin'ny fianakaviako izy fa “eo ambany fanaraha-mason'ny fikambanana tsy ara-dalàna iray aho”. Nandraraka lasantsy tamin'ny fifandraisako sy ireo ray aman-dreniko izay efa mihenjana izy ary ankehitriny, dia rava ny fifampitokisana teo anivon'ny fianakaviana […]
‘Mahereza miresaka momba ny fitiavana’
Nandefa selfie tao amin'ny media sosialy ny vondrona LGBT mba anehoana ny fanohanany rehefa nahita ny zavatra nahazo ireo mpisipa vavy sy vavy.

Milaza ny sora-baventy hoe :”Rankizy, tsy misy ifandraisany amin'ny fitiavana marina ny fifankatiavan'ny manana fananahana mitovy. Mahereza miresaka momba ny fitiavana.” Sary avy amin'ny vondrom-pianakaviana mpanohana ny LGBT ao amin'ny weibo.
Nanao antso ho an'ny mpiserasera ny vondrona feminista Miralenta ao Shina mba handefa ny sarin'ireo fitoriana fitiavana ho an'ny mitovy fananahana eo imasom-bahoaka hiadiana amin'ny fankahalàna ireo mpifankatia manana fananahana mitovy. Ireto ambany ireto ny sary sasany amin'ny iditra :

Hoy ny sora-baventy : ” Mitovy ny fangataham-bady ho an'ireo mpifankatia mitovy fananahana sy ny mpifankatia samy hafa fananahana .” Sary avy amin'ny Miralenta ao Shina.

Hoy ny sora-baventy: “Mitovy ny fangataham-bady ho an'ireo mpifankatia mitovy fananahana sy ny mpifankatia samy hafa fananahana.” Sary avy amin'ny Miralenta ao Shina.

Hoy ny sora-baventy: “Mitovy ny fangataham-bady ho an'ireo mpifankatia mitovy fananahana sy ny mpifankatia samy hafa fananahana.” Sary avy amin'ny Miralenta Shina.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...