36 No Maty Raha Kely Indrindra Vokatry Ny Herisetra Tao Amin'ny Seranam-piaramanidin'i Istanbul

Ataturk Airport wikipedia image.

Ny seranam-piaramanidina Ataturk, sary avy amin'ny wikipedia .

Olona 36 no maty raha kely indrindra  taorian'ny fitifirana sy fanaovana viveriniainy tamin'ny baomba roa tao Atatürk, Istanbul, iray amin'ireo seranam-piaramanidina be mpivezivezy indrindra ao Eoropa  sady fihaonamben'ny sidina iraisampirenena.

Mpanafika telo fara fahakeliny no nanao ny fanafihana nanomboka ny alin'ny 29 Jona ary nanondro ireo vondrona ekstremista ISIS ho tompon'andraikitra tamin'izany ny Praiminisitra Binali Yıldırım ao Torkia .

Midika ny fisehon'ny fanafihana tao amin'ny iray amin'ireo seranampiaramanidina iraisampirenena manana fivezivezena be indrindra fa haingana dia haingana ny fampitam-baovao sy ny mediam-bahoaka miresaka ny taorian'ny zava-nitranga :

Nahitana fipoahana 2 lehibe nidaroka ny fitodiana iraisampirenena ny sary voalohany avy any amin'ny seranam-piaramanidin'i Atatürk Istanbul, ary naharatrana olona maro pic.twitter.com/xhu1uMfzTS

TORKIA – Nifamihina ireo ankizy sy ireo ray aman-dreniny rehefa niala ny seranam-piaramanidin'ny Atatürk taorian'ny fanafihan'ny mpanao viveriniainy tao Istanbul . Avy amin'i @ozannkosee pic.twitter.com/nTGunVnOJe

Namoaka didy hitsivolana vonjimaika mampihomehy hamerana ny fampitam-baovao ao an-toerana ny manampahefana rehefa nivoatra ny toe-draharaha, satria efa nahazatra an'i Torkia rehefa mandalo fotoanan'ny krizy ny fanaovana izany:

Ny lahatsoratry ny didy hitsivolana vonjimaika navoakan'ny PM manoloana ny fanafihan'ny mpanao viveriniaina roa sosona tao Atatürk Istanbul .https://t.co/N0sHNhKJ4l pic.twitter.com/ph7zKFgzzd

Nanolotra fanadihadiana haingana momba ny fikasan'ny governemanta hanakana ny fampitam-baovao sy ny media sosialy tao amin'ny Vocativ i Efe Kerem Sozeri, mpiara-miasa ato amin'ny Global Voices, ary nanamarika fa manakana ny olona tsy hahafantatra ny vaovao amin'ny fotoana manandanja izany.

Raha nanararaotra ny krizy tamin'ny fanaovana taingim-be ny mpamily fiarakaretsaka sasany, nanokatra maimaim-poana ny varavarany ho an'ireo mpandeha  tafahitsoka avy amin'ny firenena maro samihafa kosa ireo trano fandraisam- bahiny sy ny olon-tsotra Istamboliana manerana ny tanàna lehibe indrindra ao Torkia.

Maka aina ao amin'ny efi-tranony ny vahiny 16. Iray sisa ny efitra malalaka ato aminay! #taksim #istanbul #PrayForTurkey #prayforistanbul https://t.co/TvGt0okaz6

Mahavariana : namela ireo mpandeha tafahitsoka hijanona tao an-tranony ireo Tiorka mpianatra  mipetraka akaikin'ny seranam-piaramanidina. #istanbulattack https://t.co/EVoF9SjqxF

Fampahatsiahivana mahatsiravina izay nantsoin'ireo mpaneho hevitra sasany tamin'ny teny mampalahelo hoe ny “vaovao mahazatra” an'i Tiorkia ny fanafihana  tao amin'ny seranam-piaramanidina – tranga mahazatra amin'ny herisetran'ny ekstremista mikendry ny mponina sivily ao amin'ny firenena ary tsy noeritreretina tao anatin'ny fotoanan'ny filaminana vao roa taona lasa izay.

Ireo fanafihana lehibe vao haingana .. Sy ny ady any Atsimo-atsinanan'i #Turkey …an-jatony … an-jatony no maty … https://t.co/nlJd4u1ZbU pic.twitter.com/cArfrHOhO3

Nitranga roa taona katroka taorian'ny nanambaran'i mpitarika ISIS Abou Bakr al-Baghdadi ny kalifà tao an-tanànan'i Mosul Irakiana ny fanafihana, kanefa  tsy mbola nilaza ny fanafihana tao Atatürk ho nataony ilay vondrona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.