Miteny Amin'Ireo Niharam-Boinan'ny Fitifirana Tany Orlando Ny Vondrom-Piarahamonina LGBTQ  Ao Shina: Tsy Irery Ianareo

A vigil for the victims of the Orlando shooting at a gay bar in Beijing. Photos: Adam’s. via HKFP

Fiaretan-tory ho an'ny niharam-boina tamin'ny fitifirana tany Orlando tao amin'ny baran'ny sarimbavy ao Beijing. Sary: Adam’s. tamin'ny alàlan'ny HKFP

Nivoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press ny 15 Jona 2016 ity lahatsoratra  nosoratan'i Catherine Lai ity.  Navoaka eto amin'ny Global Voices noho ny fifanarahana fiaraha-miasa.

Naneho  firaisan-kina niaraka tamin'ireo niharam-boina tamin'ny fitifirana tao amin'ny trano fandihizana  Pulse ao Orlando, Florida, ny vondrom-piarahamonina LGBTQ ao Shina , ilay fitifirana ratsy indrindra tamin'ny tantaran'ny Etazonia izay nahafatesana olona 49 tamin'ny Alahady.

Nikarakara fiaretan-tory ho an'ny niharam-boina tamin'ny Talata 14 Jona ny baran'ny sarimbavy Adam's ao Beijing.

Nilaza tamin'ny Hong Kong Free Press i Mondo Wong,  tompon'ny Adam's fa te hanao zavatra ho an'i Orlando izy:

I was heartbroken after I saw the news. We want to use the internet, the media and other channels to let them know that they’re not alone.

Vaky ny foko rehefa nahita ny vaovao. Ilaintsika ny mampiasa ny aterineto, ny fampitam-baovao ary ireo fantsona mba ho fantatr'izy ireo fa tsy irery ry zareo.

A vigil for the victims of the Orlando shooting at a gay bar in Beijing. Photo: Adam’s via HKFP.

Ny fiaretan-tory ho an'ny niharam-boina tamin'ny fitifirana tao Orlando tao amin'ny baran'ny sarimbavy ao Beijing. Sary: Adam’s amin'ny alàlan'ny  HKFP.

Tokony ho 60 hatramin'ny 70 olona teo no nanatrika ny fiaretan-tory, araka an'i Wong. “Namana maro no tonga ary naneho ny fitiavany”, hoy i Wong nanoratra tao amin'ny sehatry ny hafatra WeChat tamin'ny alarobia maraina.

I saw everyone cried, I saw everyone’s eyes, don’t cry my dears, let’s be strong and hold each other’s hands.

Hitako nitomany ny olona rehetra, hitako ny mason'ny rehetra, aza mitomany ry malalako isany, aoka isika hahery, ary hifandray tànana.

A vigil for the victims of the Orlando shooting at a gay bar in Beijing. Photos: Adam’s via HKFP.

Ny fiaretan-tory ho an'ny niharam-boina tamin'ny fitifirana tao Orlando tao amin'ny baran'ny sarimbavy ao Beijing. Sary: Adam’s amin'ny alàlan'ny  HKFP.

Nanao sonia fanambarana iraisana tamin'ny famonoana nivoaka Alatsinainy ny fikambanana LGBTQ ao Shina manodidina ny 190. Izay nilaza hoe:

Image uploaded on Blued. via Blued's Weibo.

Sary nalaina tamin'ny Blued. tamin'ny alàlan'ny Blued ao amin'ny Weibo.

We, members of China’s LGBTQ community stand with the victims of this tragedy and their families, friends, and loved ones, and with all LGBTQ people around the world. Together with them, we grieve the loss of so many innocent lives and strongly condemn terrorism and all violence based on sexual orientation, gender identity, and gender expression […]

In China, violence based on sexual orientation, gender identity, and gender expression occurs throughout daily life, including the use of conversion therapy to ‘cure’ gay and bisexual people, bullying of LGBTQ youth in schools, and overall discriminatory treatment.

 

 

 

 

Miara-mijoro amin'ireo niharam-boina tamin'ny voina sy ny fianakaviany, ny namany, ary ireo olon-tiany izahay mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ aty Shina, ary miaraka amin'ny olona LGBTQ rehetra manerana izao tontolo izao. Misaona amin'ny fahalasanan'ny tsy manan-tsiny maro miaraka amin'izy ireo izahay ary manameloka tanteraka ny fampihorohoroana sy ny herisetra mifototra amin'ny fironana ara-pananahana, amin'ny maha lahy na vavy, ary ny fanehoana ny maha lahy na vavy  […]

Hita mandritra ny fiainana andavanandro aty Shina ny herisetra mifototra amin'ny fironana ara-pananahana, ny maha lahy na vavy, sy ny fanehoana ny maha lahy na vavy , anisan'izany ny fampiasana ny fanaovana ny fitsaboana ny sarimbavy sy ny olona manana fitaovampananahana sady lahy no vavy, ​​ny fampijaliana ny tanora LGBTQ  any an-tsekoly, ary ny fanavakavahana amin'ny ankapobeny  .

Blued, ilay fampiasa mampifandray ny sarimbavy malaza indrindra ao Shina, nanova ny efijery fandraisany mba hanehoana fa “miara-mijoro amin'i Orlando izahay.”

” Anisan'ny fianakaviamben'ny olombelona ny vahoakan'ny LGBT. Hampiasa ny fitiavana izahay mba handresy amin'io ady io, “hoy ny mpanorina ny Blued tao amin'ny kaontiny Weibo.

Nisy olona ampolony ihany koa nivory tao Hong Kong tamin'ny Alatsinainy hariva ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy.

Niantso ny Filoha Amerikana Barack Obama ny Filoha Shinoa Xi Jinping mba haneho ny fiaraha-miory tamin'ny Alatsinainy. Nilaza ny Praiminisitra Li Keqiang nandritra ny valan-dresaka nataony tamin'ny gazety tamin'ny Alatsinainy fa ” Manohitra ny fampihorohoroana amin'ny endriny rehetra i Shina,” .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.