
Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'i Watchcut tao amin'ny YouTube.
Natsofok'i Watchcut ho ao anatin'ilay andianà lahatsary “100 Years of Beauty,(100 taonan'ny hatsaràna)” ataony amin'izao fotoana izao i Japàna, amin'ny fanomezana fijery mahavariana momba ny fiovàn'ny hatsaran'ny endrika amam-bikan'ireo vehivavy tao Japàna nandritra iny taonjato farany lasa iny.
Mampiasa elanelam-potoana iray ilay andianà lahatsary mba hitrandrahana ireo fiovàn'ny ankosotra sy ny taovolom-behivavy nitety kolontsaina maro tato anatin'ny 100 taona farany. Etsy ankilany, ahitàna an'i Iràna, Korea ary Filipina, ankoatra ireo hafa maro ao anatin'ireo firenena izay resahan'ilay andiana lahatsary.
Junko & Marina Taylor no nanome ny fikarohana ho an'ilay lahatsary, ary maro amin'ireo fanamarihan-dry zareo no voarakitra ao amin'ny Pinterest.
Nanome lahatsary iray koa ry zareo nanazavany ny “fikarohana tany ambadik'ireo endrika ireo”:
Azo jerena eto ireo andiany manontolo amin'ny 100 Years of Beauty