Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Fantaro Ilay Kintan'ny Youtube Ao Japàna

Doctor Hajime on YouTube

はじめしゃちょー(hajime) no malaza indrindra amin'ireo vlogger (mpandefa lahatsary) amin'ny YouTube ao Japàna, manana olona 3,2 tapitrisa mamandrika azy.

Fatoran'ny sàkana ara-kolontsaina sy ny fiteny hisaraka amin'ny tontolo ivelany, fa dia misy ao anatin'ny tontolo azy manokana ny Youtube Japoney. Tonga tsy mampilaza, noraisina avy any rehetra ivelan'i Japàna tany, ireo kisary mahatsikaiky miparitaka be.

Soa ihany, nasian'i Hajime Shacho, ilay malaza indrindra amin'ireo vlogger ao Japàna, maribolana amin'ny fiteny Anglisy ireo lahatsariny be mpijery indrindra (sy tena manafintohina).

Miaraka amin'ny fijerena azy efa maherin'ny 18 tapitrisa, “Nandro tamin'ny Coca-Cola nolaroina Mentos”, ilay malaza indrindra amin'ireo nakarin'i Hajime Shacho ao amin'ny Youtube hatreto. Ohatra tena tonga lafatra io ho an'ny andrana faratampony izay nahatonga ny fantsona Youtube-n'i  Hajime ho toy ny karazana Mythbusters kely:

Hatreto, nahangona jery efa ho 11 tapitrisa Ilay lahatsary maha-tapa-tsinay—sy misy fampianarana—”Ahoana no Hahafahana Mandro Maditidity”:

Ao anatin'ity lahatsary malaza manana jery 7,2 tapitrisa ity , asehon'i  Hajime Shacho ny fihinanana ireo vokatra rehetra hita ao amin'ny McDonald's.

Afaka jerena eto ireo lahatsary malazan'i Hajime Shacho ao amin'ny YouTube.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.