Ho Fiarovana, Ilain'ny Mpanao Gazety Shinoa Ny Lalàna Mifehy Ny Fanaovana Gazety

China press freedom was at the lowest level in Reporters Without Borders' 2015 index. Screen capture.

Any amin'ny ambaratonga ambany indrindra ny fahalalahan'ny gazety Shinoa araka ny fanasokajian'ny Reporters Without Borders, taona 2015. Pikantsary tamin'ny fàfana

“Any Shina, asa itatazana eso sy fandrahonana ny maha-mpanao gazety” hoy ny mpanao gazety tranainy iray any Beijin tamin'ity mpanoratra ity indray mandeha.

Manomboka amin'ireo mpanao gazety tsotra esoin'ny olona ho miankin-doha aminà antoko ka hatramin'ireo muckrakers ( mpanao gazety mitatitra ny resaka kolikoly sy ny heloka bevava) mpanao fanadihadiana rahonana noho ny fampisehoana ny lafiny tsy mazava amin'ny zava-mahagaga amin'ny toekarena Shinoa, ny mpanao gazety rehetra any Shina dia voasakan'ny tsy fisian'ny lalàna mifehy ny haino aman-jery mamaritra ny zony sy ny andraikiny.

Ny 10 Martsa, nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tamin'ny Kongresy Nasionalim-bahoaka (NPC) faha-14, fivoriana isan-taona fanaon'ny antokon-draharaha fototra mpanao lalàna Shinoa natao tany Beijin, dia niadiana hevitra indray ny momba ny tsy fisian'ny antsipirihan-dalàna mifehy ny  haino aman-jery amin'ny seha-panjakana any Shina.

Nametrahan'ny mpanao gazety Shinoa-Amerikana avy amin'ny The China Press (Ny gazetin'i Shina) avy any Etazonia fanontaniana variraraka ny delege tao amin'ny kongresy :

我的问题是:新闻法已经说了几年,但是请问目前是否有时间表?如果有的话,可以公布一下吗?没有时间表,是为什么? 为什么中国的新闻法出台这么难?

Ny fanontaniako : Efa taona maro no niadiana hevitra ny lalàna momba ny gazety, manontany tena aho raha toa ka misy fandaharam-potoana ho amin'izany [ famolavolàna lalàna izany] ? raha misy, azonareo aseho ve ? raha tsia, inona no antony ? Nahoana no sarotra ny mamorona lalàna mifehy ny gazety ho an'i Shina ?

Na izany aza, haingana no namalian'ilay delegen'ny NPC ilay fanontaniana : ” Moa ve ny mpanao gazety vahiny rehetra te-hametraka fanontaniana momba ny asan'ny mpanao lalànanay ? Raha tsia, mifarana eto izao ny valan-dresaka ho an'ny gazety.”

Niteraka tosakà fanehoan-kevitra tao amin'ny Weibo mitovy amin'ny Twitter any Shina ny fandefasana mivantana ny lahatsarin'ilay adihevitra tamin'ny foiben'ny fahitalavim-panjakana Shinoa (CCTV).

Diso fanantenana tamin'ny valintenin'ny delegen'ny NPC i Wang Zhijun, mpanao gazety mpanao fanadihadiana.

从我2000年做新闻记者起,我们就呼吁出台《新闻法》,保障记者采访权益不受肮脏官员侵犯。现在16年过去了,我的师弟师妹们仍在呼吁《新闻法》,我看到这里,心中一阵悲凉。

Hatramin'ny naha-mpanao gazety ahy tamin'ny 2000 no efa nitaky ny lalàna mifehy ny fanaovana gazety izay afaka hiaro ny mpanao gazety sy ny [zony] amin'ny resadresaka ataon'ny mpiasam-panjakana mahasosotra izahay. Enina amin'ny folo taona aty aoriana, mbola izany ihany  no adin'ireo tanora namako. Malahelo be aho eo am-pijerena [ity lahatsary ity].

Miharatsy ny tontolon'ny haino aman-jery

Nampatsiahivin'io mpanao gazety io ho toy ny ohatry ny faharavan'ny tontolon'ny mpanao gazety Shinoa ny raharahan'ny mpanao gazety Zhang Yougsheng , mialohan'ny nametrahana ireny fanontaniana ireny.

Zhang Yongsheng, izay niasa tamin'ny  gazety Lanzhou Morning any amin'ny faritanin'i Gansu, avaratra andrefan'i Shina, dia fantatra tsara tao an-toerana noho ireo tatitra fanadihadiana an-taona maro nataony.

Nosamborin'ny mpitandro filaminana i Zhang rehefa nitatitra ilay firehetana tany Wuwei, tanàna manakaiky ny renivohitr'i Lanzhou tamin'ny volana Janoary.

Na dia efa nahazo fampitandremana ny mba tsy hitatitra ilay afo aza izy, dia mbola nandeha tany an-toerana ihany, toerana izay efa niandrasan'ny mpitandro filaminana hisamborana azy.

Nanome didy ny hitànana an'i Zhang am-ponja noho ny fanondranana olona sy ny fanambakàna tamin'ny 2009 ny sampan-draharaham-pitsarana any Gansu.

Nomen'ny mpitandro filaminana tany Wuwei fahafahana arahana fepetra ihany i Zhang nony farany rehefa notànana am-ponja iray volana, notsipahan'ny sampan-draharaham-pitsarana ny vesatra nanenjehana azy  ho nanao fanondranana olona saingy nohizingizininy ny vesatra momba ny fanambakàna.  Niangaviana mba hangiana i Zhang taorian'izay.

Tsy nanome porofo fanamarinana ny ezaka nataon'i Zhang mba hanambakàna sy hametsifetsena ny mpiasam-panjakana amin'ny vola 5.000 Yuan ( 800 dolara eo ho eo) ny sampan-draharaham-paritry ny fitsaràna, na teo aza ny antson'ny mpanao gazety sy ireo mpisolovava ny hanaovana izany.

Malaza amin'ny tsy fahamatorany ny rafi-pitsarana Shinoa. Matetika dia terena hanaiky ny vesatra hanenjehana azy ireo voampanga ho fepetry ny fanafahana na ny famotsorana azy arahana fepetra azy.

Nolazain'ny naman'i Zhang iray fa nampijalian'ny mpitandro filaminana ara-batana sy ara-tsaina i Zhang nandritra ny fakàna am-bavany azy.

Ny sampana iray filazambaovaon'ny Tencent dia nanamarika taorian'ny nisamborana azy fa ny tatitra tsy azo hozongozonina nataon'i Zhang taloha dia nampifohafoha volo ireo manampahefana maro tao an-toerana.

Nangataka fanazavana momba ny fizotry ny raharaha Zhang i Tu Zhonghang, mpanao gazety miaraka amin'ny Beijing News , nandritra ny valan-dresaka tamin'ny delegen'ny NPC tany Beijing, saingy mbola tsy noraharahiana ihany.

Nomarihin'ny Komity Miaro ny Mpanao gazety, fikambanana tsy mitady vola any New York, tamin'ny tatitra isan-taona 2015  fa mpanao gazety 49 no voafonja any Shina, ny ampahefatry ny 200, isa fantatra manerantany.

Tahotra ny Fikorontanana ara-tsosialy

Nazavain‘i Zhan Jiang, mpampianatra ao amin'ny Sekoly Iraisam-pirenena fianarana ny asa fanaovana gazety sy ny Serasera ao amin'ny sampam-pampianarana vahinin'ny Oniversite any Beijin tamin'ny resadresaka niarahany tamin'ny People's Daily tamin'ny 2009 ireo lafin-javatra sasany manakana ny fanaovana ny lalàna mifehy ny asa fanaovana gazety.

Efa hatramin'ny taona 1980 ny governemanta Shinoa no nandrafitra lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety, hoy ny fanamarihan'i Zhan.

Na izany aza, taorian'ny rà nandriaka noho ny hetsi-panoherana tao amin'ny Tiananmen Square tamin'ny 1989, sy ny faharavan'ny Firaisana Sovietika, dia niato ny asa fandrafetana noho ny ahiahy ny mety hisian'ny fikorontanana ara-tsosialy.

Manohana ny fanaovana ny lalàna mifehy ny asa fanaovana gazety i Profesora Zhan :

我国宪法规定,公民有言论、集会、结社和出版等自由。这是很好的原则和规定,但是这些原则具体实施起来很难,这样,《新闻法》的价值就体现出来了,它是体现宪法精神、落实宪法原则的法律。……新闻立法的重要价值在于,可以通过这样一部法律管理新闻界和与新闻界相关的社会领域,赋予新闻界以采访、报道、评论等权利,也让新闻界承担一定的义务,防止它对社会和公民个人造成损害。

Baikon'ny lalàm-panorenana ny fahalalahan'ny fanehoankevitry ny olom-pirenena, amin'ny fivoriana, ny fikambanana ary fanaparitahana sns… izay fomba sy fitsipika tsara saingy sarotra ampiharina [ amin'ny fanatanterahana]. Mety hanana ny hevitry ny Lalàm-panorenana sy hanampy amin'ny fampiharana izany ny toetra raiki-tampisaka amin'ny lalàna mifehy ny fanaovana gazety. Afaka manampy amin'ny ny asa fanaovana gazety sy mampifandray ny sehatra ara-tsosialy ary manome zo ny mpanao gazety mba hanao resadresaka, tatitra, fanamarihana sy ny sisa ity lalàna ity. Mamela ihany koa ny mpanao gazety handray andraikitra sasantsasany, hametra ny hadalàna [ fanaovana gazety amin'ny tsy fiheverana na tsy fandraisana andraikitra ] mety hatao aminà fiarahamonina na olom-pirenena tsotra.

CCTV displayed its slogan on president Xi Jinping’s visit as signal of Communist Party’s upgraded control over media. (Image from Weibo)

Izao no vakin'ilay peta-drindrina goavana: “Mifikitra amin'ny fitsipiky ny antoko ny CCTV. Raisinay amim-pahatsorana tanteraka ny fanehoankevitrareo.” (Sary avy amin'ny Weibo)

Fa hafa ny fahitan'ireo henjam-pihetsika ao anatin'ny antoko ny zavatra rehetra.

Tamin'ny fiandohan'ny volana Febroary, nitsidika ireo haino aman-jety teo an'ny fanjakana ny filoha Shinoa Xi Jinping – ny masoivohom-baovao Xinhua, ny People’s Daily ary ny Chinese Central Television (CCTV), nilaza ny politika vaovaon'ny antoko, ho henjana ny fanaraha-maso ny haino aman-jerim-panjakana.

Mandritra izany fotoana izany, inoan'i Chen Yun, mpitarika ambony taloha tao amin'ny Antoko Kaominista fa tsy misy ilàna ny fanaovana lalàna mifehy ny asa fanaovana gazety , satria” mety manome alàlana ny hafa hanararaotra antsika izany” :

在国民党统治时期,制定了一个新闻法,我们共产党人仔细研究它的字句,抓它的辫子,钻它的空子。现在我们当权,我看还是不要新闻法好,免得人家钻我们空子。没有法,我们主动,想怎样控制就怎样控制。

Tamin'ny fanapahan'ny Kuomintang [talohan'ny Kaominista], dia natao ny lalàna mifehy ny asa fanaovana gazety, izahay mpikambana ao amin'ny antoko Kaominista dia nandinika tsara ny voalazany, nahazo tsara izany ary naka tombony tamin'izany [ mba ahazoana mifehy an'i Shina amin'ny fivoizana ny fanentanam-baovao ]. Ankehitriny, anay ny fitondrana, heveriko fa tsara kokoa ny tsy hamelàna ny famolavolàna ny lalàna mifehy ny fanaovana gazety fa mety hanararaotan'ny hafa antsika izany. Rehefa tsy misy ny lalàna, raisintsika ny andraikitra ary afaka mifehy [ny haino aman-jery] araka izay itiavantsika azy isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.