Hankahala Ny Fasika Mavo Ao Japana Ny Hoditrao

yellowdust

Tandremo ny Vovoka Mavo. Sary: Kevin Rothrock.

Fambara nentim-paharazana famantarana ny fiavian'ny lohataona ny vovoka mavo na antsoina hoe kosa (黄砂) ao Azia Atsinanana. Mitondra fasika, vovoka, ary antsanga avy amin'ny faritra maina ao amin'ny kôntinanta Aziatika ny rivotra maherin'ny lohataona avy any andrefana, anisan'izany ny Tany Efitra Gobi  ao Mongolia sy ny Lembalemba Loess ao Shina.

Misy fampitandremana “Fasika Mavo” sy potika PM 2.5 [fandotoana] tamin'ny 25 Aprily 2016. Tokony tsy handeha hivoaka ny varavarambe, na handray fepetra amin'ny fanaovana ny saron-tava ireo olona manana aretin'ny taovam-pisefoana. Namoaka fanairana faobe fisian'ny Fasika Mavo ny Ivontoerana famantarana ny toetrandro ao Japana. Mampihena ny fahitana ny Fasika Mavo, koa mitandrema ianareo izay mitondra fiara

Mitsoka manerana ny avaratra atsinanan'i Azia ny vovoka , anisan'izany ny Saikanosy Koreana , Japana, ary hatrany amin'ny farany atsinanan'i Rosia ihany koa aza.

Ao Japana, manambara amin'ny fomba nentim-paharazana ny fahatongavan'ny tsikoko matevina manamaina ny fiara, varavarankely, sy akanjo miantona ny vovoka mavo. Mahatonga setroka manga na mavo ihany koa ny rivotra mitsoka ilay vovoka izay manamaizina ny masoandro. Niafara tamin'ny hatsaran'ny rivotra ao Japana, eny fa na ao an-tanàn-dehibe tahaka Tokyo aza ny ezaka maro natao hampihenana ny fiparitahan'ny etona ao Japana tao anatin'ny dimampolo taona, mifangaro amin'ny fironana ankehitriny izay mahita ny ozinina (sy ny famokarana angôvo mandoto rivotra ilaina hamelomana azy) misy any amin'ny fari-dranomasin'i Shina, .

Tsy tsara  fahatongavana ny Fasika Mavo isaky ny lohataona, tsy noho ny lanitra manjavozavo sy ny vovoka mitsoaka amin'ny zava-drehetra ihany no anton'izany, fa mahatonga tsy fahazakan-javatra mahery izay manimba ny lohataonan'ny olona maro ihany koa izany.

Mahatsiravina ny fifangaroan'ny vovobony amin'ny Fasika Mavo amin'izao fotoana izao!

Maloto be ny fitaratra arotsioka ka hoy aho hoe tokony hampiasa famafana fitaratra arotsioka aho hanaisorako ny vovoka. Fa hita hatraiza hatraiza ny Fasika Mavo ! Tsy vanona itony Fasika Mavo itony!

Nahazo ny sarin'ny sehon'ny ny fasika mavo tao Japana ity tatitra vaovao ity -sy ny ahiahy aterany-:

Araka ny tatitra etsy ambony, kely noho ny voan'ny vovobony ny Fasika Mavo, ka matetika no ahitana mpandoto maro ao anatiny. Miditra amin'ny hoditra amin'ny alàlan'ny masonkoditra ireo potipoti-javatra ireo ary farany mijanona anaty hoditra, ka mahatonga izany ho mamaivay.

Caption

“Misy loto maro ny Fasika Mavo.” Sary mampiseho ny fidirany eo amin'ny hoditra. Vovobony  (haboka) sy Fasika Mavo, PM 2.5 potin-javatra majinika (volomparasy) miditra amin'ny hoditra amin'ny alàlan'ny masonkoditra . Sary avy amin'ny fantsona YouTube ofisialin'ny ANN.

Sahirana nifanakalo soso-kevitra ny mpisera Twitter tamin'ity volana ity ny amin'ny hoe ahoana ny hiatrehana ny hoditra mamaivay vokatry ny onjan'ny Fasika Mavo  ankehitriny:

Mampalahelo be ny hoditro tao anatin'ny andro vitsivitsy izay. Manontany tena aho raha toa ka noho ny fahatongavan'ny Fasika Mavo izany?

[…] mieritreritra aho fa tsy maintsy noho ny fitambaran'ny tsy fahazakana vovobony, Fasika Mavo ary ny loto avy amin'ny fiara (no mamparary ahy). Tahaka izany ihany koa rehefa kelikely eo, hamaivay ny maso, ny orona, ny hoditra ary ny zavatra rehetra, noho izany aoka isika hitandrina. […]

Misy fikarohana sasany milaza fa vokatry ny etona mivoaka avy amin'ny fiara, ny eton'ny orinasa sy ny sisa ny aretin'aty (シ ミ, Shimi) sy ny aretn-koditra hafa. Mandray anjara amin'ny ny olana  mahatonga tsy fahazakan-javatra ihany koa ny Fasika Mavo  sy ny potika PM 2.5.

Na dia mety ho trangan-javatra  vao haingana ihany aza ny fandoto,  dia efa ela no nahazo an'i Japana sy ny kolontsaina Japoney ny Fasika Mavo. Raha ny marina, misy mihitsy aza ny teny hafahafa ampiasaina hamariparitana ny fahatongavan'ny ny Fasika Mavo :tsuchiburu (霾, つちぶる).

Tsuchifuru

Tsuchifuru. Sary avy amin'ny fantsona YouTube ANN ofisialy.

Na dia tsy teny iraisana aza (ary azo inoana fa tsy fantatry ny ankamaroan'ny mpijery fahitalavitra Japoney ),  ny tsuchiburu dia midika hoe  “ny fahatongavan'ny Fasika Mavo” ary manambatra ny toetry ny ‘orana’ (雨,あめ) sy ny ‘alika be volo,’ (狸,タヌキ), biby faly amin'ny loto fantatra amin'ny angano Japoney .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.