
Tsy maintsy nizatra ny fiakàran'ny maripàna sy ny tsy fahampian'ny rano vokatry ny olan'ny toetrandro nateraky ny El Niño ireo mponina ao Yangon. Sary sy maribolana an'i Hein Htet / The Irrawaddy
Lahatsoratra avy amin'ny The Irrawaddy ity, tranonkalam-baovao iray tsy miankina ao Myanmar, ary naverina navoaka eto amin'ny Global Voices ho ampahany amin'ny fifanarahana mifampizara vontoaty.
Efa tsapa any amin'ny firenena maro ao Azia sy Pasifika ny vokatr'ilay tranganà teotrandro El Niño. Satria mamely be i El Niño eo amin'ny tsingerim-bolany faha-12 hatramin'ny faha18, dia ampahany midadasika amin'i Myanmar no fihàzan'ny maripàna avobe sy ny tsy fahampian'ny rano.
Amin'ny ankapobeny dia tsy manomboka alohan'ny Martsa ny lohataona, saingy efa tafakatra ambonimbony sahady ny maripàna. Novinavinain'ireo mpahay toetrandro fa mety hiha-henjana ny tsy fahampian'ny rano any amin'ny faritra maro ao Myanmar, mety ho tonga hatramin'ny avo telo heny amin'ny volana ho avy. Ao Yangon, tanandehibe tena ifamezivezena ao amin'ny firenena, efa tafanika 35 degre ny maripàna tato anatin'ny andro vitsy, nanery ny olona hialoka eny ambanin'izay rehetra hitany fa azo hialofana.
Ao Dala, tanàna iray eny ampitan'ny renirano ao Yangon, efa an-koditra ny tsy fahampian'ny rano. Vao haingana ireo mpakasarin'ny Irrawaddy, Hein Htet sy Pyay Kyaw, no nandrakitra ny fomba ataon'ireo mponina ao Rangoon sy Dala hiatrehany ny toedraharaha henjana vokatry ny toetrandro ao amin'ny firenena.

Mponin'i Dala miezaka mifandrindra amin'ireo onjan-toetrandro henjana nateraky ny El Niño . Sary an'i Pyay Kyaw / The Irrawaddy