Ela Ny Ela, Nahanton'ny Facebook Ilay Pejy ‘Pegida Macedonia’ Mpankahàla Miozolmàna

Facebook thumbs down

Facebook ankihibe miondrika ambany.

Taorian'ny herinandro maro nolanian'ireo Makedoniana nanaovana tatitra momba ilay pejy, noho ireo resaka feno fankahalàna tao anatiny, nahantona ihany ilay “Pegida Macedonia”, pejy iray ao amin'ny Facebook amin'ny fiteny Makedoniana fantatra amin'ireo hafatra feno hankahalàna Silamo.

Amin'ny fanànany mpampiasa maherin'ny 1.1 tapitrisa ao amin'ny firenena iray misy eo amin'ny vahoaka 2 tapitrisa eo ho eo, Facebook no sehatra media sosialy isan'ny tena manana dindo ao Makedonia. Matetika ihany koa ny Facebook no ampiasaina hanelezana vontoaty feno fanavakavahana sy fankahalàna alefa ho an'ireo Makedoniana. Tahàka ireo firenena Balkàna hafa, manana tantàra lavabe momba ny kolontsaina marolafy i Makedonia, ary ny rafitry ny mponina ao aminy dia voafaritra ho toy ny fifangaroan'ny foko sy finoana maro rantsana. Ny Kristiana Ortôdôksa no vondrona ara-pinoana lehibe indrindra (65 %) ary ny Miozolmàna  (33%), miara-miaina anaty fifandeferana amin'ny ankapobeny.

Na maro tamin'ireo Makedôniana mpampiasa aza, amin'ny alàlan'ilay “Report Abuse” (fitaterana ny fanararaotana) ao amin'ny Facebook no tsy tapaka mitatitra ny fisian'ny resaka fankahalàna, mbola betsaka amin'ireo vontoaty nanaovan-dry zareo tatitra no mbola tavela tao. Nandritra ireo taona maro lasa, zara raha namafa pejy, vondrona, na lahatsoratra, na hetsika ny Facebook rehefa nandefasana tatitra hoe manaparitaka resaka fanavakavahana sy fankahalàna, na ohatra misy tranga hoe niaty fampihorohoroana mivantana alefa ho an'olontsotra na vondrona izy ireny.

Ny 15 Desambra 2015, nosokafana tao amin'ny Facebook ny “Pegida Macedonia”, pejy iray izay nanandratra ankarihary ny fankahalàna Silamo. Tsy dia mazava tsara raha toa ka manana fifandraisana mivantana amin'ilay hetsika politika Alemàna Pegida (Eoropeana Tia Tanindrazana Manohitra ny Fianahan'ny Silamo any Andrefana) ireo mpamorona ilay pejy, na mpaka tàhaka fotsiny ihany ry zareo. Nahatonga ireo olona marobe handefa tatitra momba azy ilay pejy, ary koa niantso ny naman'izy ireo hanao toy izany. Raha jerena hoe zara raha misy vokany ny fitaterana fanararaotana ao amin'ny Facebook tany aloha tany, maro tamin'ireo sorena no tsy nihetsika firy sy tsy nanantena ny hanakatonana marina ilay pejy.

Profile picture of the page Pegida Macedonia on Facebook

Sary iray mombamomba ny pejy Pegida Macedonia tao amin'ny Facebook

Na teo aza ireo tatitra marobe, imbetsaka nilaza ny Facebook hoe tsy nanitsakitsaka ny  Fenitry ny Vondrom-piarahamoniny ilay pejy, saingy notohizan'ny sasany tamin'ireo mpampiasa ihany na izany aza ny tatitra momba ny fanararaotana ataon'ilay pejy. Ny sasany miresaka mivantana amin'ireo nàmany izay nanao ‘tia’ an'ilay pejy .

Nitombo isanandro ny antso tao amin'ny Facebook nitatitra ity pejy ity taorian'ny Taombaovao ary ny 26 Janoary 2016 dia nakatona amin'izay ny pejy Pegida Macedonia. Mpampiasa iray, izay nitatitra io pejy io noho ny resaka feno fankahalàna ary naniry ny hijanona tsy hitonona anarana, no naharay filazàna nanazava fa nanitsakitsaka ny Fenitry ny Vondrom-piarahamonin‘ny Facebook io pejy io.

Facebook notification to the users who have continuously reported this page, inform that Facebook has removed this page because it violates its Community Standards.

Filazàna voaray tamin'ny Facebook izay nitatitra ilay pejy ho nanitsakitsaka ny Fenitry ny Vondrom-piarahamonin'ny Facebook.

Nampitombo indray ny fanantenan'ireo mpampiasa ilay filazàna avy amin'ny Facebook hoe afaka hitondra vokatra tsara ny ezaka miainga avy eny ifotony tahaka izany. Maro tamin'ireo mpampiasa Facebook no nandefa ny sarin'ny fàfana nisy ilay filazàna, izay ny sasany tamin'izy ireny dia misy marika ny amin'ny mety hanatsaràna miaraka amin'ny fotoana ny kalitaon'ny resaka/kabary eny anatin'ny fiarahamonina. Fanampin'izany, betsaka ireo media Makedoniana ao an-toerana sy ireo fanentanana izay miady amin'ireo resaka feno fankahalàna ety anaty aterineto no nanoratra momba io vokatra miabo tratran'ireo Makedoniana mpampiasa Facebook io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.