Bolivia no mety ho firenena tokana eto ambonin'ny tany izay matetika mampiditra am-ponja ny ankizy sy ny tanora miaraka ami'ireo nahitàny masoandro, raha toa ireto farany ka mbola manefa sazy noho ny fiampangàna azy ireo ho nanao heloka bevava, araka ny angon-drakitra avy amin'ny Biraon'ny Kaomisiona Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana Misahana ny Zon'Olombelona miasa any Bolivia.
Dennis Racicot, solontenan'ny masoivohon'ny Kaomsiona Ambony, dia nanandra-peo nanohitra ny fisian'ny ankizy sy tanora any am-ponja—indrindra fa any amin'ireo fotodrafitrasa natao hitànana ny lehilahy voafonja:
Señaló que si en la práctica de algún Estado existe presencia infantil en las cárceles porque sus dos progenitores están privados de libertad, se debería tomar en cuenta que como “mínimo” el infante esté junto a la madre hasta concluir la etapa de lactancia, pero no junto al padre, donde, al estar en un penal poblado de hombres, está expuesto al riesgo de abusos y violencia.
Notsipihany fa, raha eo amin'ny fampiharana ataon'ny fanjakana rehetra, misy ankizy any am-ponja satria samy any daholo ny ray sy reniny, tokony hapetraka hoe ‘farafaharatsiny’ mba miaraka amin'ny reniny ny ankizy mandra-pahatapitry ny vanimpotoana fampinonoana, fa tsy miaraka amin'ny rainy, tahàka ny any amin'ireo fotodrafitrasa feno lehilahy, tandindonin'ireo fanararaotana sy herisetra mamoa-doza [ilay zaza].
Ny tranonkala” Prensa Bolivia” dia mitanisa tarehimarka ofisialy mba hanipihana fa manodidina ny 2.100 ireo ankizy miaina any am-ponja Boliviana.
Araka ny tatitra iray avy amin'ny Biraon'ny Mpanelanelana amin'ny Fanjkàna Boliviana, ratsy lavitra ny toedraharaha any amin'ireo fonja fanarenana izay ahitàna lahy sy vavy miaraka aminà toerana iray :
Aunque en Bolivia la mayoría de las cárceles tienen espacios separados para mujeres, todavía subsisten algunas en que no hay estas divisiones como las de Montero, Riberalta y Oruro, donde las condiciones de las reclusas fueron similares a las de los hombres.
Na dia hoe manana efitrano misaraka ho an'ny lahy sy vavy aza ny ankamaroan'ireo fonja ao Bolivia, tsy misy fisarahana tahàka izany any amin'ny sasany, toy ny ao Montero, Riberalta, sy Oruro, izay mitovy amin'ny zavatra iainan'ireo lehilahy mifonja no mahazo ireo vehivavy.
Na eo eza izany zavatra mampalahelo izany, misy ihany koa ny vaovao mahabe fanantenana. Ny Novambra 2015, nisy tatitra momba ny fanombohana habaka natao manokana ho an'ireo ankizy miaina miaraka amin'ny ray aman-dreniny any am-ponja:
El Centro de Orientación Femenina de Obrajes (COF) inauguró cuenta desde ayer con el primer Centro de Atención Integral Pedagógica (CAIP) del país, un espacio de apoyo educativo para los niños […] que viven con sus madres en el reciento penitenciario. El CAIP de Obrajes tiene una biblioteca, sala de informática y jardín para juegos.
Notokanan'ny Foibe Fanarahamaso ny Fanabeazana (fantatra amin'ny hoe CAIP) ao amin'ny firenena ny Akany Fitarihan-dàlana ny Vehivavy ao Obrajes (COF) : habaka iray natao hanomezana tohana ho an'ireo ankizy […] miaina miaraka amin'ireo reny voafonja. Manana trano famakiana boky. solosaina, ary kianja filalaovana ny CAIP.
#Bolivia Educación abre centros para niños en cárceles https://t.co/h4UuqmOSBp pic.twitter.com/fe0YmJlzVR
— Periódico Cambio (@CambioBo) noviembre 19, 2015
Nanomboka nametraka ireo akany ho an'ny ankizy any am-ponja ny [sehatry ny] Fanabeazana ao Bolivia.
#Bolivia Apoyo pedagógico en las cárceles https://t.co/yRJB5Y6EKC pic.twitter.com/M87Nh8JJY6
— Periódico Opinion (@OpinionBo) noviembre 19, 2015
Fanohanana ara-pedagojika ao Bolivia ho an'ireo toerana fanarenana.
Los niños que viven en las cárceles tendrán educación en centros pedagógicos #ANF #Bolivia https://t.co/YBBdWw532Z — Agencia Fides (ANF) (@noticiasfides) noviembre 18, 2015
Hahazo fanabeazana any amin'ireo foibe pedagojika ireo ankizy miaina any am-ponja.
En Bolivia cerca de 342 adolescentes no deberían estar en las cárceles, según un estudio https://t.co/7cSWzzEpwG
— Políticas Infancia (@polinfancia) noviembre 6, 2015
Ao Bolivia, adolantsento manodidina ny 342 no tsy tokony hiaina any am-ponja, araka ny tatitra iray [vaovao].