Tantara tamin'ny 02 Desambra 2015
Ao Malayzia, Ny fiandrasan'ny zanany vavy iray ela dia ela ny fiverenan'ny rainy
Raha nanagadra an'i Anwar Ibrahim ny governemanta Malayziana, dia tsy ny lalany ara-politikany ihany no nesorina taminy fa ilay maha raibe, ray ary vady azy ihany koa.
Mihevitra ny hanamafy kokoa ny famerana fividianana karatra SIM amin'ny finday i Rosia
Efa mila pasipaoro ianao raha hividy karatra SIM vidina mialoha ny fahana mialoha ny ampiasana azy ao Rosia, saingy tian'ny mpanao lalàna hoferana bebe kokoa ny fivarotana karatra SIM, ka ny antony ara-piarovana "fandrahonan'ny mpampihorohoro" no voalohan-daharana amin'izany.
Misarakevitra i Kyrgyzstan manoloana ny fifandroran'i Rosia sy i Torkia noho ilay voromby
Satria mbola mitohy ny fifandroritana ara-diplaomatika eo amin'i Moskoa sy i Ankara, dia sarotra ny safidy mipetraka eo amin'ny firenena kely ao anatin'ny ambaindain'ny roa tonta indray miaraka.
Sambany Ny Sazy An-tranomaizina Voalohany No Hita Ao Amin'ny RuNet Noho Ny ‘Fampiroboroboana Ny Fihetsika Mahery’ Ety Amin'ny Media Sosialy
Namoahan'ny fitsaràna Rosiana iray sazy mihatra hiditra am-ponja ny mpampiasa iray voaheloka ho "nanao fampielezankevitra mampiroborobo ny fihetsika mahery tety anaty media sosialy," nanasazy azy hifonja herintaona any aminà toby iray fanefàna sazy.
Henjana Ny Fiainan'ireo Ankizy Boliviana Any Am-Ponja, Fa Mety Hihatsara Izany Ato Ho Ato
Bolivia no mety ho firenena tokana eto ambonin'ny tany izay matetika mampiditra am-ponja ny ankizy sy ny tanora miaraka ami'ireo nahitàny masoandro, raha toa ireto farany ka mbola manefa sazy noho ny fiampangàna azy ireo ho nanao heloka bevava