Nahazo Fanohanana Tamin'ny Vahoaka Ilay Mpanankato Shinoa Ai WeiWei Rehefa Nolavin'ny Lego Ny Fangatahany

Ai Wei Wei Twitter Wallpaper - Royal Academy Exhibition 2015

Sary ao amin'ny Twitter-n'i Ai Weiwei avy amin'ny Royal Academy Exhibition 2015. Sary avy amin'i Kevin Rennie.

Nanjary ivon'ny adihevitra ilay Shinoa mpanakanto sady mpanohitra Ai Weiwei — tsy nanaiky hanatanteraka ny komandin'ny Efitra Fampiratiana Nasionaly Victoria amin'ny fampirantiany ao Melbourne, Aostralia ny goavan'ny kilalao Lego..

Nilaza ny antsipiriany tamin'ny fifampiresahany tamin'ny Lego tao amin'ny kaontiny Instagram i Weiwei. Nanamarika izy fa iray volana taorian'ny tsy naneken'ny orinasa ny komandiny rehetra, nanasonia fifanarahana ny vondrona miavaka tompon'ny Legoland mba hanokatra toera-pialam-boly ao Shanghai.

Notsiponin'i Beckett Mufson tao amin'ny bilaogin-javakanto sy ny teknolojia The Creators Project ny tantara:

The public reaction was overwhelming and supportive of the artist, with many fans offering Weiwei their own (often sizable) Lego collections to use instead. Yesterday, Weiwei announced that he'd take them up on their offers with soon-to-be-announced Lego collection points, and that their bricks would be used in an artwork designed “to defend freedom of speech and ‘political art.'”

Manenika sy vonon-kanohana ilay mpanakanto ny fanehoan-kevitry ny vahoaka, ka marobe ireo mpankafy manolotra ho an'i Weiwei (matetika maro dia maro) ny angona kilalao Lego azy ireo manokana haka toerana ho solon'izany. Nanambara i Weiwei, omaly, fa horaisiny ireo ary ambara atsy ho atsy ny toeram-panangonana Lego, ary ny birikin'izy ireo dia ho ampiasaina amin'ny zavakanto natao “hiarovana ny fahalalaham-pitenenana sy ny “kanto ara-politika”.

Sarah Joseph, talen'ny Foibe Castan Lalànan'ny Zon'olombelona ao Melbourne, nanampy nampiely ny vaovao tao amin'ny Twitter:

Inona ity fihetsika feno hakanosana avy amin'ny Lego tsy manaiky ny komandin'ny #AiWeiWei ity. Mahatonga fitsarana amin'ny olona mampiasa ny vokatra avoakany izany. Mandiso fanantenana tanteraka.

Na inona na inona fiampangana sivana, na dia ny haino aman-jery Shinoa ofisialy aza mba naneho hevitra. Nilaza ny Global Times an'ny fanjakana tamin'ny lahatsoratra fanehoan-kevitra fa kapitalisma tandrefana eo ampiasana fotsiny ny fanapahan-kevitr'i Lego (dikateny anglisy avy amin'ny What's On Weibo, habaka mitatitra ny resaka mitranga ao amin'ny Weibo sehatra Shinoa malaza):

这是个很有意思的摩擦:艾未未采购积木搞政治作品,他这样做受到西方一些支持者的鼓励。而乐高公司同样以西方跨国公司通行的原则拒绝被艾的政治标签牵连,它希望在商言商,极力避免卷入它无力影响的政治纠纷。

Fifandirana mahavariana. Nampiasa ny Lego amin'ny asany ara-politika i Ai Wei Wei, ary nahazo dera avy amin'ireo mpanohana tandrefana amin'ny fanaovana izany. Saingy tsy nety hifandray amin'ny asa ara-politikan'i Ai ny orinasa Lego, taorian'ny fanarahana ny fitsipika ankapobeny ataon'ny vondron'orinasa tandrefana marorantsana. Tian'izy ireo hijanona ho ara-barotra hatrany ny fandraharahan'izy ireo, ary tsy miditra amin'ny disadisa ara-politika.

Nanoratra i Inona no ao amin'ny Weibo fa hita ao amin'ny fanehoan-kevitra media sosialy Shinoa ny zava-manaitra amin'ny fifampiresahana malalaka amin'ny mpanohitra iray, ny fahasosorana amin'ny mizàna tsindian'ila ataon'ny Tandrefana momba ny zon'olombelona, ary fanohanana ny Lego.

Nametraka ny raharahany tamin'ny endrika an-tsary ahafantarana azy tao amin'ny Instagram i Weiwei:

"Everything is awesome "

A photo posted by Ai Weiwei (@aiww) on

Mahafinaritra avokoa ny zava-drehetra

Tao amin'ny Twitter, nisy ireo fanehoan-kevitra tsy azo ihodivirana momba ny Lego amin'ny maha marika ara-barotra azy:

Tsy asiana Lego amin'ny lisitry ny entana hovidiana amin'ny Krismasy. Mandiso fanantenana tanteraka ny tsy fanohanana an'i Ai Wei Wei

Afa-po amin'ny Legoland ao Shanghai ilay Lego kanosa, saingy tsy mety mivarotra amin'ny komandy antsipirihany ataon'ilay mpanakanto ara-politika Ai Wei Wei

Voalaza fa miaro ny renivolany i Lego:

In an email to The Guardian, Lego spokesperson Roar Rude Trangbæk, said: “Any individual person can naturally purchase or get access to Lego bricks in other ways to create their Lego projects if they desire to do so, but as a company, we choose to refrain from engaging in these activities – through for example bulk purchase.”

It also denied insinuations from Ai that Lego’s decision was coloured by a desire to protect its business in China, stating that its Legoland parks were sold to UK-based Merlin Entertainment a decade ago.

Tamin'ny mailaka ho an'ny The Guardian, nilaza ny mpitondratenin'ny Lego, Roar Rude Trangbæk fa: “afaka mividy na mahazo ny birikin'ny Lego amin'ny fomba hafa ny olona rehetra hamoronany ny tetikasa Lego azy ireo manokana raha tian'izy ireo atao izany, saingy amin'ny maha orinasa anay, dia misafidy hihatakataka amin'ireny karazana hetsika ireny izahay – ohatra amin'izany ity fividianana amin'ny antsipiriany ity. “

Nolaviny ihany koa ny fanendrikendrehana nataon'i Ai fa noho ny fikasana hiaro ny fandraharahany ao Shina no anton'ny fanapahan-kevitr'i Lego, tamin'ny filazana fa namidy tamin'ny Toera-pialam-boly Merlin miorina ao amin'ny Fanjakana MItambatra folo  taona lasa izay ny zaridaina Legoland.

Hatramin'izao, tsy misy ny fanehoan-kevitra avy amin'i Lego na tao amin'ny kaonty haba-tranonkalany na tao amin'ny Twitter.

Tao anatin'izany, nahazo ny biriky Lego-any tamin'ny alalan'ny fitia tsy mba hetra (crowdsourcing) i Weiwei:

Raiso ity, Lego. Nahazo fanomezana Lego marobe i Ai Weiwei rehefa nolavin'ny mpanamboatra kilalao ny handefa biriky eo amin'ny tontolo politika.

Nanambara i Weiwei fa nanapa-kevitra ho lasa toeram-panangonana voalohany ao Aostralia amin'ny fanomezana biriky Lego ny Efitra Fampiratiana Nasionaly Victoria ary toerana maro no mbola hapetraka ao an-tanàndehibe manerana izao tontolo izao :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.