Mavesa-danja Ny Tombontsoan'ny Pasipaoroko Kanadiana Noho Ireo Krizin'ny Ny Mpitsoa-ponenana Miha-Mitombo

A rally in solidarity with the plight of refugees in Amsterdam on September 5, 2015. Image by author.

Hetsika firaisankina miaraka amin'ny fahorian'ireo mpitsoa-ponenana ao Amsterdam ny 5 Septambra 2015. Sary an'ny mpanoratra

Metisy Iraniana-Kanadiana aho, ankehitriny mponin'i Netherlands (Pays-Bas). Nipetraka tao an-tranoko ao Amsterdam aho, nandinika ny pasipaoro Kanadiana-ko. Feno hajia ao anatiny. Eo ankilan'ny pasipaoroko ny karatro Holandey ahazoako monina ao. Nahoana aho no mendrika ireo antontan-taratasy ireo?

Eny, nanomboka hatramin'ny fangatahan'ny raiko ho mponina ao Kanadà io tamin'ny taona 1985 raha mbola nonina tao Iran izy. Tsy nanana havana akaiky tao Kanadà izy.
Tsy nanan fidiram-bola manokana nahafahany niaina tsara izy, na koa ao anatin'izay voalaza ho ao anatinà firehana politika mpanakorontana. Tsy dia nisy olana ny taratasin'asa. Ny taona 1988, azony ny taratasy fahazoan-dalana honina any, ho azy, ho an'ny reniko ary ny anabaviko. Ny fanombohan'ny taona 1989 no nandeha nifindra ry zareo, volana vitsivitsy mialoha kelin'ny nahaterahako. Haingana ny fandehanan'ny taratasin'asa, vokatr'izay tamin'ny fotoana naha-feno telo taona ahy nomena zom-pirenena Kanadiana ho azy ireo fianakaviana akaiky ahy, hatramin'ny tenako teraka ho Kanadiana.

Tima Kurdi, nenitoan'i Alan Kurdi, izay hita maty an-drano tany amin'ny morontsirak'i Torkia, no nanao ny taratasy ho an'ny lahimatoa indrindra tao amin'ny fianakaviany mba hitady fialofana tany Kanada ny taona 2015. Fenony daholo ireo antontan-taratasin'asa nilaina rehetra. Namorona vondron'olona ihany koa izy mba hampandre ny fanjakana Kanadiana fa handray an-tanana ny fianakaviana Kurdi ry zareo rehefa tafafindra monina any izy ireo.

Vola hamatsiana anadahy iray ihany no teo ampelatanany tamin'io fotoana io.  Noho izany, nanoratra taratasy ho an'ny Minisitra misahana ny fifindrà-monina, Chris Alexander, izy mba hangataka fanampiana amin'ny fanampiana ny fianakavian'i Alan. Niteny tao amin'ny onjam-peo marainan'i Vancouver, nanazava ny mpanohitra mpikambana ao amin'ny Parlemanta, Fin Donnelly, fa nateriny an-tànana tany amin'i Alexander tamin'ny Martsa 2015 ny taratasin'i Tima, saingy tsy nahazoana valiny.

Vakio ihany koa: Fahafatesan'i Alan Kurdi nanery an'i Kanadà hiatrika ny andraikiny manoloana ny fanampiana ireo mpitsoa-ponenana Siriana (teny Anglisy)

Tsy misy azoko atao afa-tsy ny mieritreritra fa tena tomponandraikitra amin'ny fiainana mirindra sy ahafahako mivezivezy amin'izao fotoana ilay mpiasam-birao nandefa ny fangatahan-draiko mba ho isan'ireo nekena tamin'ny taona 80. Tsy voabahana amin'ny fahazoana miditra any amin'ireo firenena maro eto amin'izao tontolo izao aho ankehitriny. Ny tena marina, nilaozako ny fiainana milamina tsara ary azo antoka tao Kanada mba hanomboka fiainana iray hafa azo antoka aty Pays-Bas.

Tiako ny misaina an'izany ho toy ny tombontsoan'ny pasipaoro azoko tamin'ny alalan'ny fifangaroan'ireo singa marobe izay tsy izaho no mifehy azy, na ny fahamendrehako na ny fianakaviako. Vokatry ny politika iray fisokafan'ny fifindra-monina nataon'i Lester B. Pearson ny tombontsoan'ny pasipaoroko, ary notohizan'i Pierre Elliot Trudeau taty aoriana kely -Praiminisitra roa tao Kanada izay nanamafy ny toeran'i Kanada ho lohalaharana amin'ny resaka maha-olona. Io politika io, ireo mpitarika ireo, ary ny mpiasam-birao izay nifanojo eritreritra fa azo nekena ny taratasin'asan-draiko tao anatin'ireny politika ireny dia efa nandrafitra marina tokoa ny fizotry ny fiainako amin'izao fotoana izao.

Kanefa, tahaka izao no antsipirihany manokan'ny fiainan'ny fianakaviana Kurdi. Fangatahana fialokalofana natolotra an-tànana ho an'ny Minisitra misahana ny Zom-pirenena sy ny Fifindràmonina, izay niafara teo anatrehan'ny mpitàna birao izay nahita ireny politika ireny, ary nandray ny fanapahankevitra handà tanteraka. Ny politikan'ny fifindràmonina amin'izao fotoana izao no nifehy ny  “fisokafana” izay nanomboka tamin'ny taona 80, ary mifototra betsaka amin'ny maridrefiko hentitra momba ny fanànana fahaizamanao, sy mety hahafahan'ilay olona hijanona ao Kanadà aorian'ny fahazoana io tombontsoa omen'ny pasipaoro io. Ireny mpiasam-birao nanilika taratasy ireny koa dia manana fahefana betsaka hanaiky na handà ireo tranga entiny eo aminy, rehefa izay tena tsapan-dry zareo tokoa hoe handao nyfirenena ilay olona vantany vao mahazo ilay tapakila volamena (fantatra loatra amin'ny hoe Lalàna Fanamafinsana ny Zom-Pirenena Kanadiana na Lalàna C-24).

Taorian'ilay zava-doza nanjo ny fianakavian'i Kurdi, nivoaka tamin'ny fahanginany ny Praiminisitra Kanadiana hiteny hoe ny governemanta Kanadiana no voalohany eto amin'izao tontolo izao amin'ny fandraisana mahafapo ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana amin'ny fanekena fatranà mpitsoa-ponenana misimisy kokoa miohatra amin'ireo firenena hafa erantany. Lainga mahamenatra izany, izay amin'ireo zavatra navoakan'ny Firenena Mikambana izay manaporofo fa tsy tafiditra akory ao anatin'ireo firenena folo voalohany amin'ny fampiantranoana mpitsoa-ponenana i Kanadà.

Ny zava-nisy hoe nolavin'ireo mpitàna birao nijery azy ny fangatahan'ny fianakaviana Kurdi  dia milaza betsaka momba ilay loza izay hitantsika isanandro vaky eo ambany masontsika miaraka amin'io olana io. Izany dia olana mitoetra eo ambony ravin-taratasy izy ireo mpitàna birao  no mampihatra ireo politika izay ny betsaka aminy dia avy amin'ireo lehilahy izay tsy nahafantatra velively ny lanjan'izany atao hoe pasipaoro misy tombontsoa manokana.

Ary izaho, toy ny maro amintsika, tia ny mipetraka eto miaraka amin'ny fahatsapàna ho tsy mehfa na inona na inona. Mahazo aina tsara, ary voaaro amin'izay toerana misy sy ivezivezentsika eto amin'izao tontolo izao. Tsy hoe satria izika no tena mendrika izany, fa vokatry ny toedraharaha tsotra izao izany, izay idiran'ny politika, ny tetiandro ary hatramin'ny sata ara-tsosialy sy toekarena. Misy fikambanana maro samihafa azontsika tohanana, ary misy  olona marobe samihafa mitondra fanovàna ao anivon'io. Mandrisika anareo rehetra aho hijery sy hanohana ireny tolona ireny. Nefa koa tiako isika raha mba hemetraka fanontaniana momba ny rafitra manontolo. Ny hevitry ny hoe hetsika, ary ny fahalalahana sy ny fahazoana tombontsoa mifamatotra amin'izy ireny. Tena tokony ho izao ve no fomba itantanana ity izao tontolo izao ity?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.