Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Lasa Kilalaon’ny Vehivavy Ny Fanafangaroana “Sake” any Japana—Indray

Master brewer - or toji - Emi Machida at the 130-year-old Machida Brewery in Gunma, Japan. Under her direction, her family's premium sake has won gold seven times at the Annual Japan Sake Awards.  Credit: Naomi Gingold. Used with PRI's permission

Master brewer – na toji – Emi Machida ao amin'ny Machida Brewery 130 taona any Gunma, Japana. Teo ambany fitantanany, im-pito nahazo volamena tamin'ny Loka Fanome Isan-taona momba ny Sake any Japana ny sake tsara indrindra vokarin'ny fianakaviany. Loharano: Naomi Gingold. Fanomezandàlan'ny PRI

Ity lahatsoratra ity sy ny tatitry ny onjam-peo avy amin’i Naomi Gingold ho an'ny Le Monde dia niseho voalohany tao amin’ny PRI.org tamin'ny 11 Septambra 2015, ary avoaka eto indray toy ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Nandritra ny fotoana ela, ny fanamboarana sake any Japana dia indostria natsangan'ny tompony saingy tsy ny tenan’izy ireo no nampifangaro ny sake, sy ireo “master brewers”  mpifindra monina, antsoina hoe Toji, izay monina any amin‘ny orinasa fanamboarana zavapisotro amin’ny vanim-potoana ririnina fanamboarana izany ary mody any an-tranony rehefa avy eo.

Henoy ity tantara itao amin'ny PRI.org

Listen to this story on PRI.org »

Nefa nitotongana ny indostria. Nihena ny isan'ny olona misotro sake, nidina ho antsasany ny isan'ny fanafangaroana any Japana raha oharina tamin’izay nitranga tany amin'ny taona 70, ary efa miha-nahazo taona ireo “master brewers”, matetika tsy te-hanova fahazarana mba hahazoana mpanjifa vaovao sy tanora kokoa.

Emi Machida, ilay Toji, na “master sake brewer”, ao amin'ny Machida Brewery any Gunma Japana milaza hoe: “nanapa-kevitra ny ho tonga tomponà toeram-pampifangaroana iray izahay mba hahafanay mivelona, manao ny karazana sake izay tena tianatsika atao sy sotroina. Noho izany 10 taona lasa izay no nampitsaharanay ny rafitra mampiasa “brewer” ny mpifindra monina.”

Tompom'ilay toeram-pamokarana nandritra ny 130 taona mahery ny fianakaviany, nefa izy no Toji voalohany ao amin'ny fianakaviana.

Lohalaharana eo amin'ny hetsika mipongatry ny “brewer” sady tompony ao Japana i Machida. Fa tsy toy ny mahazatra ihany koa i Machida, satria iray amin'ireo vehivavy Toji vitsy ao anatin’ny tontolo nanjakan’ny lehilahy hatry ny ela ihany koa izy.

Fahiny, milaza ny sasany fa tena asan’ny vehivavy ny fanamboarana sake. Raha ny marina, ny teny hoe Toji, rehefa soratana amin'ny endri-tsoratra tranainy, afaka tena midika hoe vehivavy tokoa.

A display of Machida Brewery's award-winning sake.  Credit: Naomi Gingold. Used with PRI's permission

Fampiratiana ireo sake an'ny Machida Brewery nahazo loka. Loharano: Naomi Gingold. Fanomezandàlan'ny PRI

Fa tamin’ny nitantanan’ny dadaben’i Machida ny teram-pamokarana, nilaza i Machida hoe: ” maloto , tsy madio no nahitàna ny vehivavy, araka izany nilaza tamiko izy fa tsy afaka miditra ao amin'ny toeram-pamokarana masina ny vehivavy.”

Matetika ampiasaina amin'ny fombafomba ara-pivavahana ny sake ao Japana, ary notsofin’ny pretra shintoista rano sy voaravaka tamin’ny tadin’ny Shinto masina ny Brewery Machida, toy ny ankamaroan'ny toeram-pamokarana sake rehetra.

Tsy nieritreritra velively ny ho lasa mpamokatra sake i Machida, rehefa lasa olon-dehibe. Nianatra tany amin'ny oniversite tany Tokyo izy, fa toy ny vehivavy maro, tratry ny fandriky ny làlan-tsokina teo amin'ny sehatry ny asa izy, mpitondra dite sy mpanao dika mitovy.

Ary zavatra noeritreretiny foana ny hiverina tany Gunma mba hanohy ny fandraharahan'ny fianakaviany, indrindra fa izy no vavimatoa.

Tsy nandeha mora foana ny zava-drehetra rehefa nanomboka toy ny Toji izy. Tsy nety nihaino azy ireo rehetra lehilahy mpiasany.

“Raha tahiny aho nanao hoe: apetraho eto ity, afindran’izy ireo any amin'ny toerana hafa izany. Tsy araky ny nangatahiko ny fandehan-javatra,” hoy izy. “Tamin ‘ny farany, te-hirava amin'ny 5 ora ny tsirairay, ary izaho mbola mijanona hatramin'ny misasakalina mamerina ny raharaha.”

Nandre Ihany koa izy fa maro ny mpanjifa no tsy te-hividy sake vokarin’ny tsy zà-draharaha, ary indrindra fa tsy lahy ny “brewer”.

Fa tsy mandre izany intsony izy ankehitriny. Hatramin’ny nandraisany ny fitantanana toy ny Toji, 10 taona lasa izay, nahazo volamena im-pito ny sake tsara kalitao indrindra vokarin’ny Brewery Machida tamin’ny Loka Fanome Isan-taona momba ny Sake any Japana. Tsy nitranga mihitsy izany tamin'ilay Toji tranainy.

Mba hanamboarana sake, manomboka amin'ny fikosehana fonon'akotrim-bary ianao; tena manana ny lanjany ny hoe hatraiza no hoesorinao amin’ny fakàna fanapahankevitra hoe sake manao ahoana ny kalitaony ho azonao. Avy eo sasàna ny vary; andrahoina amin’ny entona ary (ity no karazany fohy) ahotrika.

Misy lanjany betsaka ny zavatra madinika: inona no vary ampiasainao, inona no karazana rano, impiry ary inona no dingana na dingana madinika hanitsianao ny maripàna.

Maharitra tokony ho 45 andro ny fanaovana sake iray sinibe.

Amin'izao fotoana izao, satria tsy mionona fotsiny amin'ny fanarahana maso ny mpiasa sy ny fitaovana ary ny fanandramana ny sake fotsiny ny “master brewer” Machida, hatramin'ny andro voalohany naha-tao amin'ny trano fanatobiana entana azy, mitatitra vary amin’ny taonina, mandany andro sy alina vitsivitsy ao amin'ny efitrano mafàna mihoatra ny 100 degre mba hanomboka ny fanotrehana, mitondra siny feno rano 15 kg miakatra sy midina amin’ny tohatra avo, ary mampifangaro sinibe goavana 3000-6000 litatra fanotrehana ny vary. Asa mandreraka izany.

Mba hahaizany ny zava-kanto, nianatra niaraka tamin’ireo “brewers” efa zokiny sy tamin'ny boky i Machida. “Mbola mianatra foana aho, nefa, amin'ny ankapobeny, ny manao zavatra ankafizinareo sy tianareo ho sotroina no tena zava-dehibe indrindra,” hoy izy.

Manaja ny fomba amam-panao taloha izy, fa mihevitra ihany koa fa zava-dehibe ny manandrana amin’ny fomba vaovao ny fanaovan-javatra.

Mandeha matetika miaraka amin'ny Toji hafa any amin’ny hetsika atao isam-bolana momba ny fandalinana izy, ary anisan’ilay antsoina hoe “Kura Josei No Kai” ihany koa izy, Vondron’ny Indostria Vehivavy Mpanao Sake.

Ary ny fanohanana avy amin'izy ireo, hoy izy, indrindra ilay Toji vavy hafa no fanalahidy.

Women toji - master brewers - at the 2014 'Kura Josei Summit,' the Japanese Women's Sake Industry Group.  Credit: Courtesy Japanese Women’s Sake Industry Group. Used with PRI's permission

Vehivavy toji – master brewers – tao amin'ny ‘fihaonana an-tampony Kura Josei 2014,’ ilay Vondron'ny Indostria Vehivavy Japoney Mpanao Sake. Loharano: Vondron'ny Indostria Vehivavy Japoney Mpanao Sake  Courtesy. Fanomezandàlan'ny PRI

“Nanome herim-po sy tanjaka ho ahy ny fidirana tao amin'ilay vondrona, “hoy ihany izy. Nahatsapa izy fa tsy irery, ary niatrika izany olana izany ny olona rehetra.

Misy 20 eo ho eo ankehitriny ny vehivavy Toji manerana an'i Japana, ary matetika manao hetsika miaraka amin'izy ireo i Machida.

Nomarihany fa mety misy tombony raha vehivavy no manao raharaham-barotra. Satria tsy mahazatra izany, matetika liana bebe kokoa ny media sy ny mpanjifa. Indraindray mazoto kokoa amin’ny fampianarana azy ireo ny “brewers” lahy efa be taona.

Fa ny zava-dehibe indrindra, ankehitriny, hajain’ny olona i Machida noho ny sake-ny matsiro.

Yah. Miala tsiny fa tsy afaka hanandrana azy amin'ny alalan'ny tantara ianareo. Fa mety ho hitanareo any Tokyo, any amin'ny ankamaroan'ny faritra ao Japana, ary angamba indray andro any amin'ny hoavy, amidiny any ivelany izany.

”Nofiko izany,” hoy izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.