Nanome rano ireo mpitsoa-ponenana anjatony manao diabe mahatratra 125 maily mankany Aotrishy ny olompirenena Hongroà. Nisy mpivady alemana iray nanangana ny Refugees Welcome, karazana AirBnB izay manampy amin'ny fampifandraisana ny mpitsoaponenana mifampizara efitrano amin'ireo fikambanan'ny mpanao asa an-tsitrapo manampy ny mpitsoaponenana rehefa tonga avy amin'ny dia mampatahotra an-dranomasina ao amin'ny nosy Lesvos sy Kos ao Gresy.
Raha mbola mitolona mafy amin'ny famahana ny krizin'ny mpitsoaponenana mihamitombo ao Eoropa ireo governemanta, dia mifamory handamina ireo fitaovana azo iasana, eny tonga hatramin'ny fampiatranoana mpitsoaponenana aza ny olom-pirenena manerana an'i Gresy, Alemaina, Hongria ary Italia.
Amin'ity GV Face iray ity izahay dia hiresaka momba ireo fikambanana sy ireo olona miasa eny an-kianja ao Gresy miaraka amin'i Asteris Masouras, izay vao nandany ny herinandro tao Lesvos miaraka amin'ny mpitsoaponenana tonga avy any an-dranomasina, Marietta Le hiresaka amintsika amin'ny asa vita tao Budapest, Hongria, izay nahitana mpitsoaponenana an'arivony tsy afa-nihetsika tao amin'ny garan'i Keleti, ary i Anne Hemeda sy i Katrin Zinoun izay hiresaka amintsika ireo asa eo ampanatanterahana hanampiana ny mpitsoaponenana an'hetsiny hanori-ponenana ao Alemaina amin'ity taona ity.
Ireo Fikambanana miasa eny an-kianja:
- Asteris manolokevitra amin'ny fanampiana amin'ny alalan'ny pejy Facebook Help for Refugees in Molyvo [fanampiana ny mpitsoaponenana ao Molyvo] sy amin'ny fanohanana ny Refugee Solidarity Movement Thessaloniki [Hetsika Tesalonikiana fiarahamientana amin'ny mpitsoaponenana]
- Marietta manolokevitra ny Pejy FB Krizin'ny mpitsoaponenana ao Hongria izay mandika ny vaovaon'ny mpitsoaponenana ao amin'ny firenena avy amin'ny teny hongroà.
- Katrin manolokevitra amin'ny fanolorana ny fanomezana amin'ny Workeer, izay mampifandray ny mpitsoaponenana amin'ny mpampiasa sy isika Kann ich Helfen, izay manolotra lesona fampidirana ny mpitsoa-ponenana ao Alemaina.
- Anne manolokevitra ny hanohanana ny fikambanana mpandala ny zon'olombelona ProAsyl (mpanohana ny fialokalofana) izay manolotra raharaha fampahafantarana sy fanolorankevitra ho an'ny mpitsoa-ponenana.