
Dikasary avy amin'ny ANN Newscast.
Miaina ny onjanà hatsiaka voalohany amin'ny fiandohan'ny Desambra i Japana (寒波, na kanpa) tato anatin'ny valo taona.
Araka ny lazain'ny mpahay toetrandro, andrasana ao Japana manomboka ny 1 Desambra hatramin'ny 12 Desambra ny maripàna mamirifiry ary raha ny ririnina mahazatra dia toa tsy ho hita raha tsy any amin'ny Febroary any ho any.
Fepetra feno ho an'ny televisiona ny toetrandro mangatsiakan'ny ririnina atosiky ny tafio-drivotra, ny faharatsian'ny fepetra ahafahana mamily fiara, ary ny tontolo manodidina rakotry ny ranomandry satria “rivotra faran'izay mamirifiry, miteraka fahavoazana manerana ny firenena no mandrakotra ireo vondro-nosy Japoney.”
Ny tontolo miavaka fahita rehefa ririnina ao Japana dia ny andian-drivotra mangatsiaka be avy any Siberia mamakivaky ny ranomasin'i Japana mankao Japana. Toy ny “fiantraikan'ilay farihy” iainana any Avaratra Atsinanan'i Etazonia, ny hatsiaka sy rivotra maina avy any amin'ny kaontinanta dia mitondra hamandoana rehefa mitety ireo rano eny amin'ny ranomasin'i Japana.
Ranomandry matevina no vokany manerana ny morontsiraky ny ranomasin'i Japana mitodika any amin'ny tanibe.
Mijoro ho toy ny rindrina iray ireo tendrombohitra mitandahatra ao Japana, mibahana ny toetrandro mitondra ranomandry. Miaina toetrandro ririnina mangatsiaka, maina sy misy masoandro i Tokyo sy ireo tanàna hafa ao amin'ny faritr'i Pasifika, raha ny morontsiraky ny ranomasin'i Japana kosa miaina ao anaty ranomandry sy haizina hatramin'ny faran'ny volana Martsa.
Miaraka amin'ity onjan'hatsiaka farany ity, ny nosy any amin'ny farany avaratra ao Hokkaido dia efa tsy azo aleha, araka ny asehon'ity sary Instagram avy ao Rumoi ity:
http://instagram.com/p/wGcS3_LAKX/
Tafiotran-dranomandry aty Rumoi
Any Atsimo, rakotry ny ranomandry voalohany nilatsaka tao aminy tamin'ity vanin-taona ity ihany koa i Aomori, nahazo fito santimetatra ny tao afovoan-tanàna :
こっちでしかみれない綺麗さー! 感動したw 雪しゃいこう pic.twitter.com/5UsfetrKM3
— ちゃんちか♔嫁 (@Usa1124Love) December 3, 2014
Tontolo mahagaga sy mahate-ho tia re izao! Fatratra ny ranomandry!
Nahazo rakotra ranomandry tsy fahitany firy i Amanohashidate, ilay “tetezana mihantona malaza eny an-danitra” ao akaikin'ny tanànan'i Miyazu avaratr'i Kyoto :
http://instagram.com/p/wHAnDEsxCM/
Ndao hiverina ao Hokkaido, fiara iray fitateram-bahoaka nitondra andianà mpizahatany avy any Singapour no lohatenim-baovao tao amin'ny firenena, taorian'ny nikorisàny noho ny làlana nalàman'ny ranomandry tany akaikin'ny tanànan'i Shimukappu:
【社会】観光バス道路脇に落ち、18人軽傷=凍結でスリップか-北海道占冠村http://t.co/dCesDIA85O pic.twitter.com/b095HTf21g
— matomela (@matomel2000) December 2, 2014
Nikisaka tany amin'ny sisin'ny arabe ilay fiara fitaterana, 18 no naratra. Ny làlana malama no heverina ho nahatonga ny loza.
Tao amin'ny Route 402, atsimo andrefan'i Niigata City, niteraka onja nanerana ny morontsiraky ny ranomasin'i Japana ny rivotra nitsoka mafy nahatratra ny 33.8 metatra/segondra:
http://instagram.com/p/wF68solnFO/
#Japan Sea #Nishiura District
Araka ny asehon'ireto sary teo no ho eo avy amin'i Yokote ireto, tany an-tendrombohitra rakotry ny ranomandry ao Honshu avaratra atsinanana, dia vao manomboka ny ririnina lavabe ao Japana:
悪夢はまだ終わらない pic.twitter.com/ZBYopwSIwW
— ひろたかですー。 (@hirotaka_0117) December 3, 2014
Mbola ho ela vao ho tapitra ny nofy ratsy.