‘Tsy Mila Sipa Aloha, Lalao Volley ihany': Tsy Miraharaha Tolotra Mariazy Atao Aminy Ilay Kazakh Vehivavy Mpilalao Fanatanjahantena Taorian'ny Resaka Niely Be Tety Anaty Aterineto

Altynbekova fan art shared on Twitter via @Linear_Brush

Sarin'i Altynbekova  nataonà mpankafy ary nozaraina tao amin'ny Twitter tamin'ny @Linear_Brush

Nahazo mpanjohy maherin'ny 23.000 hatramin'ny 22 Jolay nanokafan’i Sabina Altynbekova, 17 taona, Kazakh mpilalao volley, azy ny kaontiny ao amin'ny Twitter, amin'ny ampahany, mba hanoherana ireo kaonty sandoka sy mpankafy maro mampiasa ny anarany. Nisy nanome tolokevitra azy mba hamadihana azy ho anaty sarimiaina ary nasehon'ireo mediam-bahoaka ho toy izao Maneho Fihetsika Amboamboarina Manoloana azy Ireo Mpiray Tarika Amin'ilayTanora Kazach Mpilalao Volley Satria Mahafatifaty Loatra Izy, Tsy Misy Mijery Ilay Fanatanjahantena Intsony Ny Olona ary  Ranjo, Volley, Sipa Manja – Manaitra Ny Sain'ny Media i Sabina Altynbekova. 

Hita fa na dia tsy dia sitrapony loatra aza, lasa toy ny andriamanitra kely mihitsy ao amin'ny aterineto- any Asia Atsimo Atsinanana, ilay tovovavy lava no sady mahasarika fijery, mitondra ny laharana faha 20 ao amin'ny ekipa nasionaly latsaky ny 19 taona ao Kazakhstan. Izany rehetra izany, taorian'ireo seho tsara nandraisany anjara ho an'ny fireneny tamin'ny fifaninanana volley-ny tanora tao Tapei, tany Taiwan ny herinandro lasa teo (talohan'ny 28 Jolay 2014).

Azo lazaina fa tsy manome vahana azy eo amin'ny maha mpanao fanatanjahantena vehivavy na ho an'ireo mpilalao taranja volley vehivavy amin'ny ankapobeny, ny fandraisana ho toy ny zavatra fotsiny — matetika ratsy — an'i Altynbekova izay mbola mankany an-tsekoly ankehitriny, satria ny feo ahelin'ireo media sosialy dia ny mikasika ireo ratsam-batany no betsaka kokoa fa tsy ireo zava-bitany. Fa ankoatra izay, namerina an'i Kazakhstan ho eo amin'ny sarintany io, taorian'ny ezaka tsy nahombi'ny Borat hanova ny fomba fijery an'ilay firenena. 

Ny fiankohofàna amin'i Sabina

Nanomboka nanorona mpankafy maro manerantany i Altynbekova niantomboka tamin'ny 16 Jolay, tamin'ny lalao volaohan-dry zareo nihaonan'i Kazakstan tamin'i Shina tamin'ny lalao fifaninanana tany Tapei. Ny 19 jolay, nametraka fanontaniana taminy ny media ao Shina ary nihazakazaka nanao tatitra fohy nanisy tsindrimpeo ny halavan'ny ranjony. Ny 22 jolay, nanoratra tamin'ny bilaoginy bubblews i Hoai Giang Truong, ilay Vietnamiana  mpitoraka bilaogy, :

Noho ny hatsaran-tarehiny, lasa tena nahatonga ” resaka an-databatra ” teo amin'ireo mpankafy azy mihintsy i Sabina. Taorian'ny nizaràna ny sarin'ilay tovovavy taminà tranonkala iray malaza, lasa nifantohan'ny fijerin'ny maro tampoka i Sabina ao amin'ny tambajotra any Azia. Samy miaiky sy mankafy ny hatsaran-tarehin'ilay tovovavin'ny firenena Kazakhstan ny rehetra.

Amin'ny teny hafa, lasa niparitaka be ny lazan'i Sabina amin'ny aterineto.

Any Espaina :

 Tiako amin'ny foko manontolo ianao

Indonezia:

Eh Sabina @altynbekova_20 , sary ho anao ity. Sary mampihomehy nalaina avy amin'ny @onecak #LoveSabinaltynbekova pic.twitter.com/tR8YAv85Rn

Malezia:

Ary maro hafa koa.

Hita eny rehetra eny ny sarimiaina fanomezam-boninahitra an'i Sabina, misy mpampiasa Twitter iray aza nampitaha an'i Sabina amin'i Bayonetta, ilay mpilalao fototra ao amin'ilay sarimiaina Japoney Bloody Fate:

 Ooay e. RT @Richmond_Lee: tena ohatran'ny hoe i Bayonetta amin'ny tena izy mihintsy i Sabina Altynbekova (an'ny ekipa vehivavy mpanao volley Kazakhstan)! pic.twitter.com/kuYzwyxITD

Ankehitriny, manana mpanjohy efa ho 250.000 isa eo ny kaonty instagram an'i Sabina, izay mahatonga azy ho mpanao fanatanjahantena amperin'asa malaza any Kazakhstan be mpanaraka indrindra, eo alohan'i Beibut Shumenov (53.000), Ilya Ilyin (37.000), ary Denis Ten (35.000). 

“Te-hifantoka amin'ny filalaovana volley aho”

10423626_748595535184400_8723769737713736057_n

Sabina Altynbekova. Sary avy amin'ny pejy Facebook ofisialin'i Altynbekova.

Tsy dia niomana loatra ny amin'izao fifantohan'ny olona be aminy izao i Altynbekova. Ireo ray aman-dreniny — izay samy mpanao fanatanjahantena fahiny — dia mipetraka any amin'ny tanàna, faritr'i Aktobe, any andrefan'i Kazakhstan, ary miasa saina ny amin'izao lazan'ny zanany vavy tampoka izao. Tsy nankahery ny fientanentanana be loatra amin'i Sabina moa ny mpanazatra azy, manamarika fa mety hanelingelina ny fanazarantenan'i Sabina ny laza be toy izao ary tsy hampifantoka ny ekipa. Ho an'i Altynbekova indray, izay manaraka ny finoana Silamo, dia nampiasa ny lazany vao misandratra izy, mba hiresahana ny fahasahiranan'ireo Silamo mpanao fanatanjahantena  miatrika ny tsy fisakafoanana mandritra ny Ramadany, ary nanamafy ny tenifototra #prayforpalestine (mivavaha ho an'i Paletsina). Nefa nanamarika ihany koa izy:

Te-hifantoka amin'ny filalaovana volley aho ary tsy misy dikany ny lasa olo-malaza. Manantena ny hanao ny tsara rehetra aho ary manantena ny hilalao any Rio 2016  

Ahoana re ny hampirindra izany zavatra izany e? miankina amin'ny hafainganan'ny fitonian'ny zava-mitranga #lovesabinaaltynbekova izany, amin'izao fotoana izao ka hatramin'ny lalao iraisam-pirenena any Brezila afaka roa taona.

Kazakh-Aiza?

10565135_1479132962327088_1931528738195462100_n

Nataon'i Erkaz, mpampiasa Deviant Art ity sarimiaina ity ho fanomezam-boninahitra an'i Sabina, sady nanamarika izy fa “be loatra” ny resaky ny media atao manodidina ilay ankizy 17 taona.

“Olom-pirenena tia ny fireneny sy mendrika daholo ireo vehivavy rehetra ao amin'ny ekipa mpanao volley an'i Kazakhstan, satria miaro ny voninahitr'i Kazakhstan izahay amin'ireo lalao iraisam-pirenena atao. Tsara tokoa fa maro ireo olona lasa mahafantatra ny momba an'i Kazakhstan,”  hoy ny nambaran'i Altynbekova tamin'ny Vesti.kz, media ao an-toerana,  ny 26 Jolay.

Amin'izay indray, tsy ireo mpankafy volley sy sarimiaina ihany no miresaka momba an'i Altynbekova. Vao haingana ny tranonkala 9GAG no nandefa andian-tsary maromaron'ilay mpanao fanatanjahantena. Taorian'ny nivoahan'ilay lahatsoratra, nanomboka niresaka an'i Kazakhstan ireo mpampiasa aterineto, indrindra ireo avy any amin'ny firenena tandrefana. Ao ny tsy fankasitrahana afa-tsy ny lehilahy ihany, ny fanavakavahana, ary ny fanelezana resabe tsy misy dikany sy tsy mitombina, miaraka amin'ny fizaràna lahatsoratra ao amin'ireny sehatra amin'ny aterineto ireny, nasehon'ireo  fanehoan-kevitra eo ambanin'ny lahatsoratra fa mbola tsy fantatry ny olona ny momba an'io firenena ao amin'ny Azia afovoany io: 

Kazakhstan? noheveriko fa anarana sekoly ambony izany…

Nilaza ny mpampiasa aterineto iray hoe:

Firenena lehibe indrindra eto an-tany i Kazakhstan!

Izay nahazoany izao valiny manaraka izao:

Hoy ilay lehilahy mitovy endrika amin'ny tanora Borat.

 

@imanaxl721 tantanan'ireo zazavavy kely ireo daholo ireo firenena rehetra hafa, voalohany amin'ny mpanafatra potasiôma i Kazakhstan, kely daholo ny potasiôma an'ireo firenena hafa rehetra.

Ao amin'ny Twitter, afangaron'ny sasany amin'ny fitiavana ara-nofo ny hadisoan-tsipelina :

Sahako ny milaza fa avy any amin'ny firenena Kagakstahan ilay tovovavy kely mpilalao volley Sabina Altynbekova io, satria izany no tsapako rehefa mijery azy aho. — Handoko Tjung (@handokotjung) 23 Jolay 2014

Ary diso tsipelina maro:

@MimiyAmiy Noho izy no mbola maha tokantena ahy hatramizao. Kahkah. Takda laa, mpilalao volley uzbekistan/kazakhtan. Antara 2 tu la.

— AmReus (@khairul_amri09) 21 Jolay 2014

 

Nilaza izao ny iray tamin'ireo mpanjohy azy, mamaly ny bitsik'i Altynbekova amin'ny teny Rosiana :

wew.. tsy mahay mamaky teny tsy fantatra aho -_- 

— I Putu Wisnu (@nikolaiwolfwood) 26  Jolay 2014

Fa nisy zavatra tsara maromaro azo notsoahana ihany na izany aza ho an'ilay nanamarika an'i Kazakhstan. Voamarina amin'ireo fanehoankevitra eo ambanin'ilay lahatsoratra ao amin'ny 9gag ireo fa olona maro no nihevitra teo aloha fa tany misaritaky ny ady ilay tany manankarena solika, Kazakhstan, ary nahitsy tamin'io hevitra disony io:

Hmm… mety tsy tena ratsy tokoa i Kazakhstan an, nihevitra aho fa firenena simba tahaka an'i Iran sy Irak io.

Nahazo valiny nientanentana teo noho eo avy taminà Kazakh iray mpaneho hevitra io fanamarihana io:

Jereo ao amin'ny Google ny tanàna renivohitry Kazakhstan: Astana. Tsy tanàna simba mihitsy!

Tahaka ny anehoan'ny resadresaka tao amin'ny 9GAG ny farak'izay ratsy indrindra amin'ny aterineto, nahazo mpankafy marani-tsaina sy mirary ny soa ho azy i Sabina, raha nanao ny fanadinana fidirana eny amin'ny anjerimanontolo, ary nanomana ny hankalaza ny andron'ny Aid, manamarika ny fiafaran'ny Ramadany. Manantena ireo fianakaviany sy namany akaiky fa mba ho afaka hiaina tahaka ny be sy ny maro izy eo amin'ny lafiny sasantsasany amin'ny fiainany atsy ho atsy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.