‘Tsy Matoky Intsony Ny Governemanta Ny Vahoaka’ : Niely Be Tany Singapore ity Taratasy Misokatra ity
Nanoratra taratasy misokatra i Catherine Lim, mpanoratra tantara fanta-bahoaka sady mpanoratra avy any Azia Atsimo Atsinanana monina any Singapour, ho an'i Lee Hsien Loong, Praiministra, hilazàny ny alahelony momba ny fihemoran'ny fitokisan'ny vahoaka ny governemantany.
Nanjary nalaza be tamin'ny aterineto sy notaterin'ireo haino aman-jery mahazatra ny olona ilay taratasy. Nahatonga adihevitra mafana sady mahaliana momba ny politika any Singapore izany ary indrindra fa ilay fanenjehana noho ny fanalam-baraka nalefan'ny Piraiminisitra tany am-piandohan'ity volana ity ho anà mpitoraka bilaogy iray. Taratry ny fahamarinan'ny olana marobe avoitran'i Lim ny fiparitahan'ilay taratasy haingana be. Manamafy ny mbola fandraisan'anjara mavitrik'ireo mpisera amin'ny aterineto any Singapore momba ny olana sosialy sy politika izany.
Voalohany, nomarihin'i Lim fa miha-sahy ny olona manao ilay soratra amin'ny rindrina izay mahatonga sazy henjana isan'izany ny fampidirana am-ponja sy ny fikapohana amin'ny karavasy maka endrika asa fandrobàna ny firenena nosy izany :
Tena ao anatin'ny krizy izay tsy itokisan'ny vahoaka intsony ny governemantany sy ny tsy firaharahian'ny governemanta ny hàka indray ny fitokisam-bahoaka intsony isika izao.
Voalohany indrindra, miantso fanaraha-maso avo lenta ny vahoaka, hetsi-bahoaka tena sahisahy izay tsy mbola fahita hatramin'izay, toy ny lalàna naofhezina ho fohy nosoratana ngezabe aminà tranom-panjakàna, ny fitohizan'ny tsikera tena henjana amin'ny aterineto na dia eo aza ny fampitandremana sy ny fandrahonana mafy nataon'ny governemanta, ny fahatetehan'ny famoriam-bahoaka atao any amin'ny Speakers’ Corner ( Zoron'ny mpiteny), tahaka izany ihany koa ny fitombon'ny fankahalana aseho any amin'ireny fivoriana ireny.
Tsinian'i Catherine ny Piraiminisitra noho ny tsy fihainoany ny vahoaka :
…ny fehiny dia ny tsy fahaizanao na fandavanao tsy hihaino ny vahoaka. Taorian'ny fifonanareo sy ny fampanantenanareo mivaivay fa hiova rehefa tsy nahavoa tamin'ny fifidianana solombavam-bahoaka tamin'ny 2011 ( fiovam-po izay nanaitra sy naharisika ny ankamaroan'ny vahoakan'i Singapore toa ahy ihany koa) dia tahàka ny manamafy ny toerany sy miverina miankina indray amin'ny PAP mamboly tahotra amin'ny fanaparitahana ireo fitaovaana fanaraha-maso malazan'ny PAP, indrindra fa ny fanenjehana noho ny fanalam-baraka.
Antoko eo amin'ny fitondrana hatramin'ny 1959 ny PAP na Antokon'ny Hetsi-Bahoaka. Mbola izy no antoko natanjaka tamin'ny fifidianana tamin'ny 2011 saingy vitsy ny isam-bato azony. Tato anatin'ny taona vitsivitsy , Singaporeana maro no nanakiana ny governemanta noho ny tsy fahombiazany manoloana ny fiakatry ny vidim-piainana, ny fitombon'ny tsy fitovian'ny karama ary ny fahamaroan'ireo vahiny mpifindra monina miasa ao amin'ny tanàna.
Nisy ny fitoriana an’ ilay mpitoraka bilaogy izay niampanga tsy nisy porofo ny Piraiminisitra ho voarohirohy aminà kolikoly. Efa niala tsiny ilay mpitoraka bilaogy saingy tsy mbola nosintonina ny raharaha.
Avy eo nampahatsiahivin'i Catherine ny PM Lee fa liana ihany koa ny hahazo zo misimisy kokoa ny tanora :
ny fanantenàn'ny olona, indrindra ny tanora dia mihoatra lavitra ny filàna ara-materialy, entina hilazàna ny filàna fahalalahana maneho hevitra efa nolavina efa hatry ny ela, ny adihevitra misokatra ary ny fivoriam-bahoaka.
Mety tsy mandaitra intsony amin'izao fotoana izao, na niha-ratsy, na mety efa rava aza angamba ny zavatra nandeha tsara tamin'ny vanim-potoana taloha.
Nampitandrina ny mpitondra Singaporeana izy fa raha toa ka tsy jerena ny olan'ny tsy fitokisana, dia mety hitarika ho korontana ara-politika izany :
Fotoana iray eo amin'ny tantaran'i Singapore izao, misy tantara iray vaovao hiseho rehefa voafafan'ny lasa ny teo aloha. Raha toa ka tsy voavaha io olan'ny tsy fitokisana amin'izao fotoana izao io, dia ho sarotsarotra kokoa no miandry izay Piraiminisitra sy ireo andian-taranaka vaovao ho mpitarika manaraka eo, noho izany manomboka eo dia mety hivadika korontana ilay olana.
Nalaza vetivety ny taratasin'i Catherine. Avy amin'Atoa Jacky Foo, Kaonsily Jeneralin'i Singapore any Hong Kong izay tsy nanaiky ny fomba fijerin'i Lim momba ny fihemoran'ny fitokisan'ny vahoaka ny valinteny ôfisialy :
Marina fa tsy lafatra avokoa ny zavatra rehetra any Singapore. Tahaka ireo fiarahamonina hafa mandroso, dia mahatsiaro ho voaterin'ny fanatontoloana ihany koa ny saranga antonony eto amintsika. Niaiky ampahibemaso ny olan'ny tsy fitovian'ny karama sy ny fihisatry ny fivezivezena ara-tsosialy ny governemanta. Efa nanao ezaka maro ry zareo mba hihoarana azy ireny, ary amin'ny fomba maharitra sy tompon'andraikitra, fa tsy amin'ny fidehadehafana hakàna fon'olona. Izany no mbola maha-ambony ihany ny fitokisana ny governemantan'i Singapore.
Narovany ihany koa ilay fanenjehana noho ny fanalam-baraka nataon'ny PM ilay mpitoraka bilaogy :
Diso ihany koa Rtoa Lim amin'ny filazàna fa mandrava tsikelikely ny fifampitokisana ilay fanenjehana ilay mpitoraka bilaogy nataon'ny Piraiminisitra Lee Hsien Loong noho ny fanalam-baraka, ny mifanohitra amin'izany aza no misy, nataon'Atoa Lee izany fihetsika izany satria omen'ny governemanta lanja ho toy ny loharanon'ny fitokisana izay isalorany ny fahamarinana. Ny mpitarika izay tsy mihetsika rehefa ampangaina ho nanao fanodikodinam-bola goavana tao amin'ny volam-panjakana no tsy maintsy mahatonga ny fisalasalàna ny amin'ny fahamarinany sy ny fahaizany mitarika.
Novalian'i Lim i Foo ary nohamafisiny fa ‘tena zava-misy marina ny tsy fitokisana’ :
Tiako ho tsindriana fa tena zava-misy marina ny tsy fitokisana, na dia olom-bitsy ihany aza no voakasik'izany.
Tsikerain'Atoa Foo ho toy ny fitarainana ny tantara lava nosoratako. Efa ho 20 taona izao no nanoratako tsikera ara-politika. Ny filàna fifampitokisana matanjaka amin'ny mpitondra sy ny vahoaka no fototra ijoroany, izay inoako marimarina fa hany antoka hahafahan'ny firenena bitika iray hivelona eo anivonà tontolo iray izay miha-ratsy hatrany hatrany.
Ho valin'ny taratasin'i Catherine dia neken’ ilay tonian-dahatsoratra fahiny tao amin'ny Straits Times, Bertha Henson, ny teboka momba ny fomba niovan'ny politika any Singapore ho ‘fandraharahàna’ tsotra eo amin'ny mpitarika sy ny mponina :
Manjary fandraharahàna ny fifandraisana eo amin'ny mpitondra sy ny entina. Ny mpitarika no mpanao fifanarahana izay karamaintsika hanao asa tsara. Rehefa misy asa tsara vita dia heverintsika fa izay no tokony ataon-dry zareo satria isikano mandoa ny volan'izy ireo. Fa rehefa misy ny tsy mety dia tsy milefitra isika satria heverintsika fa tsy mendrika ny vola aloa aminy ry zareo. Satria koa MANDOA KARAMA ho azy isika, dia misy ny fifanajana kely.
Antony iray fantatro fa andraisana karama ambony dia ny fanaovana politika ‘madio’. Nefa heveriko fa lasa ambony noho ny fitokisana sy ny fanajan'ny vahoaka ireo mpitarika politika ilay izy. Iza no zava-dehibe kokoa amin'izao fotoana izao ?
Mahavariana, navoakan’ny PM Lee tao amin'ny Facebook-ny ny taratasy misokatra iray izay nosoratanà mpiasa iray tsy mitonona anarana rehefa niely be ilay an'i Lim. Nidera ny governemanta sy nanome toky ny PM Lee ilay mpandefa taratasy fa mbola manohy manohana ny fahaizany mitarika ny ankamaroan'ny Singaporeana :
Faly aho, Singaporeana aho. Velom-pisaorana aho fa mandinika tsara sy mitsinjo lavitra ny governemantako. Antenaiko fa mitondra fampaherezana kely ho anareo ny hoe tsy ny Singaporeana rehetra no hisaina toa an'i Roy Ngerng ary ireo mpikatroka mafàna fo hafa izay tsy mety milefitra amin'ny fombany mihantsy ‘ny governemanta.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...