Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Sary “Photoshop”n'ilay Mpikorisa An-dranomandry Koreana Atsimo Yuna Kim Voalaza Fa Nangalarana Medaily Volamenan'i Sochi

Tamin'ny lahatsoratra hafatra, fanehoan-kevitra tsy finoana sy ompa mivantana, nipoaka ny fahatezerana teo amin'ireo mpiserasera izay tsy voafetra tamin'ny Koreana Atsimo ihany raha nandrombaka medaily volamena ilay Rosiana malaza mpikorisa an-dranomandry Adelina Sotnikova manoloana ilay mpifanandrina aminy Koreana Atsimo manana ny lazany ihany koa Yuna Kimi tamin'ny fifaninana malalaka fikorisàna an-dranomandry hoan'ny vehivavy tao Sotchi.

Vantany vao navoaka ny valiny, maro ireo nanontany ny fanolorana saro-boninahitra hoan'i  Sotnikova, nilaza mihitsy aza ny manampahefana fa misy hosoka ny fifaninanana. Nanomboka nipoitra ny vaovao voalohany momba ireo andiam-mpitsara tamin'ny fifaninanana fikorisàna an-dranomandry malalaka hoan'ny vehivavy, izay nahitana mpitsara efatra avy ao Eoropa Atsinanana ( Rosia, Okraina, Estonia, Slovakia). Malaza fa vadin'ny tale jeneraly sy filohan'ny Federasion'ny Kanto Fikorisana An-dranomandry ao Rosia teo aloha ilay mpitsara Rosiana ary manana raharaha mahamenatra teo aloha kosa ilay mpitsara Okraniana izay nahazo fampiatoana herintaona noho ny fifampiraharahana fanakalozam-bato.

Ho an'ny maro tao amin'ny aterineto, toa toy ny raharaha fangalarana volamena mba hahavoa an'ilay mpanjakan'ny fikorisana an-dranomandry ankafizin'i Korea Atsimo izy ity. Nandray fepetra lavidavitra kosa ny mpiserasera sasany: fanangonan-tsonia antserasera mitaky ny fijerena indray ny naoty. Sonia 1,9 tapitrisa no voahangona tao anatin'ny roa andro latsaka. Ny sasany kosa naneho ny hatezerany am-pamazivaziana, ka mampiseho sary mamazivazy ny fianjeran'ilay mpilalao Rosiana amin'ny alalan'ny sariny natao photoshop amin'ny endrika isan-karazany.
 

Eritrereto fa nahita azy tamin'ny fifaninanana dihy B-boy hoan'ny lehilahy izy.

[ Fangatahana fanitsiana diso] Nahare aho fa mpandihy an'ny Exo [tarika lehilahy K-pop ] ilay vehivavy, azafady fafao ny lahatsoratra diso nosoratanao.

Maro ireo vazivazy hita mikasika izay mety ho valifaty amin'ny Lalao Olaimpika 2018, izay hampiantranoin'ny tanànan'i Koreana Atsimo ao Pyeongchang:

Maro be ihany koa ireo sioka mahatsikaiky mikasika ity voka-dalao ity. Hoy ny hafa, “Andraso mandra-pahatonga ny Lalao Olaimpika hampiantranonay ao Pyeongchang. Asehonay aminareo ilay [ mpikorisa an-dranomandry haingam-pandeha malaza ao Korea Atsimo] Lee Sang- hwa izay nahazo meday volamena tamin'ny fifaninana kanto fikorisana an-dranomandry”.Hoy kosa ny sasany nisioka, ” Fangalarana? MANANA fika Vitsivitsy izahay amin'izany. Tsy iza izany fa ny Sampam-pitsikilovam-pirenena sy ireo mpampanoa lalàna ao aminay izay hitsara ny Lalao Olaimpika ao Pyeongchang ” [ Milaza momba ny olana nateraky ny fitsabahan'ny sampam-pitsikilovana tamin'ny fifidianana filoham-pirenena]

Nilaza izy ireo fa santatra ambavarano amin'ny Olaimpika ho atao ao Pyeongchang izany. [Mampiseho mpilalao fikorisana an-dranomandry nentim-paharazana ilay sary natao photoshop] tpt.tpt   

Ny tena tompon-daka amin'ny lalao fikorisana an-dranomandry hoan'ny vehivavy amin'ny Lalao Olaimpika dia … izy .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.