Naparitaka eny amin'ny arabe manerana ireo tanàndehibe ireo polisy misahana ny fifamoivozana mba hanara-maso raha lehilahy avokoa ireo mpitondra fiara tamin'ny 26 Oktobra, andro nosafidiana hanoherana ny fandraràn'ny governemanta ny vehivavy tsy hitondra fiara. Hatramin'ny nanombohan'ny fanentanana, tsy mazava mihitsy ny hevitry ny minisiteran'ny Atitany. Hatrizay, nomena tsiny ny “fiarahamonina” noho ny fandraràna ny vehivavy tsy hitondra fiara, saingy taorian'ireo hetsika marobe mitaky ny fanafoanana ny fandraràn'ny governemanta, tsy toy izany intsony ny zava-misy.
Tamin'ny 25 Oktobra, niantso ireo vehivavy mpikatroka ny manampahefana iray avy ao amin'ny minisiteran'ny atitany mba hampitandrina azy ireo amin'ny fandraisana anjara amin'ny hetsika. Gazety al-Hayat newspaper nitatitra [ar] hoe:
أكد المتحدث الرسمي لوزارة الداخلية اللواء منصور التركي لـ«الحياة» أنه وفقاً لما سبق الإعلان عنه في شأن ما يثار حول قيادة المرأة السيارة واستناداً إلى نتائج المتابعة الأمنية، أجرت الجهات الأمنية المختصة اتصالات بمن ظهرت منهن بوادر تحريض أو مشاركة في شأن المبادرة – التي حددت غداً السبت موعداً لانطلاقها – لافتاً إلى أنه تم اشعارهن بأنه لا تهاون في تطبيق النظام متى ما ارتكبت المخالفات.
Nanamafy tamin'i Al-Hayat ny mpitondratenin'ny minisiteran'ny Atitany fa, taorian'ny fanambarana teo aloha mikasika ny antso hoan'ireo vehivavy mitondra fiara ary vokatry ny fanadihadiana ara-pilaminana, niantso ireo izay mivonona amin'ny fitarihana ny hetsika Asabotsy ny manampahefana. Nilaza izy fa efa nampilazaina izy ireo fa hampiharina ny lalàna manan-kery raha misy ny fanitsakitsahana izany.
Nitatitra momba ny fanaraha-maso nataon'ny polisy ihany koa ireo vehivavy sasany, tahaka ilay mpikatroka Aziza al-Yousef:
#قيادة_26اكتوبر منذ الصباح وسيارتين تمشي خلفي في كل مكان حتي الله يجزاهم خير صلوا على ميت في مسجد خالد
— عزيزة محمد اليوسف (@azizayousef) October 26, 2013
Nanomboka androany vao maraimbe, fiara roa no nanaraka ahy hatraiza hatraiza. Nanatrika fandevenana tao amin'ny [Mpanjaka] Moskea Khalid mihitsy izy ireo.
Fanampin'izany, sazy henjana tsy toy ny mahazatra no hampiharina amin'ireo izay tratra mitondra fiara:
حجز السيارة اسبوع ومخالفة ٩٠٠ ريال وتعهد بعدم القيادة هو عقاب لسيدة تقود ياترى اذا قاد صبي اقصر من المقود كم عقوبته:) #قيادة_26اكتوبر
— Naseema AL ssadah (@nasema33) October 27, 2013
Fihazonana ny fiara mandritra ny herinandro, onitra 900-riyal-Arabia (240 USD) ary fampanantenana an-tsotratra [tsy hitondra fiara intsony] no sazin'ireo vehivavy tratra mitondra fiara. Manontany tena aho hoe inona no sazin'ireo tanora, tovolahy fohifohy raha mitondra fiara izy ireo. 🙂
Na dia teo aza izany, mpikatroka Hala al-Dosari nisioka hoe:
@Falesta 50 امرأة قادت و 18 امرأة تم توفيفها
— هالة الدوسري (@Hala_Aldosari) October 26, 2013
vehivavy 50 no nitondra fiara ary 18 no najanona.
Nandrakitra lahatsary tamin'izy nitondra fiara tamin'ny 26 Oktobra i May al-Suwan ka olona maherin'ny 130.000 no efa nijery izany.
https://www.youtube.com/watch?v=GN0vnhPX2hc
Toy izao manaraka izao no hita ao amin'ny pejy voalohan’ ny gazetim-panjakana saodiana Al-Riyadh:
«26 أكتوبر» مر بهدوء.. وحملات التحريض باءت بالفشل
Nisosa nilamina ny 26 Oktobra. Tsy nahomby ny fitarihana hetsika.
Mpisera Twitter Saodiana Mishari al-Ghamdi naneho hevitra mikasika ny lahatsoratra tao amin'ny gazetin'ny governemanta:
الصحافة التي شوهت اليوم حملة #قيادة_26أكتوبر و نزعت الوطنية ممن قادت سيارتها.. هي التي يسميها إخواننا المتشددون صحافة ليبرالية تابعة للغرب
— Mishari AlGhamdi (@mishari11) October 27, 2013
Mitovy ireo rahalahintsika mahery fihetsika izay miantso ny tenany ho liberaly sy ny mpomba ny Tandrefana ihany ny gazety izay namely ny hetsika androany.
Mpahay tantara Abulaziz al-Kheder naneho-hevitra momba ny fiantraikan'ny hetsika tamin'ny alalan'ny sioka hoe:
أكثر من تأثرت سمعته في هذه الحملة .. الموقف الرسمي #قيادة_26اكتوبر
— عبدالعزيز الخضر (@AAlkhedr) October 26, 2013
Ny tena voa mafy amin'ity hetsika ity dia … ny toerana misy ny manampahefana.
Mikasa hanohy hitaky ny zon'izy ireo hitondra fiara ny vehivavy Saodiana.