Tantara tamin'ny 30 Oktobra 2013
Ao Anatin'ny Adilahy Politika, Mijaly ny Fampahalalam-baovao Ao Kyrgyzstan
Satria mitohy miteraka fizarazarana ara-politika ny toby fitrandrahana volamena ao Kumtor, ao Kyrgystan, milaza fa manana ny valin-teny rehetra ny "loharanom-baovao" tsy mitonona anarana nolazain'ny fampahalalam-baovao mahazatra.
Zambia: Ny Filoha Mampitombo Ny Karamany, Ireo Depiote Mpanohitra Manameloka
Nofongarin'ny tranonkalan'ny mediam-bahoaka "Zambian Watchdog" ny Didy Fampiharana iray nanondrotana ny karaman'ny Filoha Michael Sata taorian'ny tsy fanetsehana ny karaman'ireo mpiasam-panjakana nandritra ny roa taona.
Natokana Efitra Ireo Ankizy Gadra Saodiana
Rehefa avy nanao fihetsiketsehana "tsy ara-dalàna" , voatàna ao Arabia Saodita ny fianakavian'ireo gadra, anisan'izany ireo ankizy izay tsy navela hihaona tamin'ireo havany nandritra ny Eid Al Adha.
GV Face: “Advox” Amin'ny #IGF2013

Mivantana avy ao Bali, ao Indonezia, araho ny resadresaka ataon' ireo Advoxer: Hisham Almiraat, Ellery Biddle, Sana Saleem, Nighat papa, sy ireo namana hafa ao amin'ny GV mikasika ny olana momba ny zon'ny mpiserasera mandritra ny hetsika amin'ity taona ity.
Nahemotra Ny Fotoam-pitsarana An'i Fujimori Noho Ny Toe-pahasalamany
Maro ireo tsy resy lahatra tamin'ny filazana momba ny toe-pahasalaman'ny filoha teo aloha, izay tokony hiiatrika fitsarana momba ny fividianana lahatsoratra fanadihadiana antserasera an'ireo gazety sasany noentina nampiroboroboana ny fifidianana azy indray tamin'ny fifidianana filoham-pirenena.
Marobe Ireo Polisy Saodiana Nandritra Ny Andron'ny Vehivavy Mitondra Fiara
Manakana ireo vehivavy Saodiana manohitra ny fandraràna hitondra fiara ny polisy misahana ny fifamoivoizana.
MOOC Marobe

Na aiza na aiza jerintsika dia ohatrany misy filazana hafa momba ny fianarana mahafinaritra ny MOOC. Ity misy fantina vitsivitsy mety tiantsika halaina...