Mubarak, (Tahiana) kareem (malala-tanana) na milamina, no teny mahazatra tonga ao an-tsaina rehefa tonga ny Ramadan, volana islamika ifadian-kanina raha tonga miaraka am-pifaliana hivavaka sy mampitsahatra ny fifadian-kanina fanao isan'andro ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina.
Saingy rehefa mitodika any Syria kosa ny artista amin'ity volana masina ity dia – rà, herisetra ary fahakambotiana no hany teny mety aminy. Hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketsehan'ny lohataona arabo tamin'ny Marsa 2011, ny Ramadany any Syria no tsy mba mubarak, na kareem ary indrindra tsy milamina.
Fa inona tokoa no tena mitranga any Syria? Tsy misy afaka ny tena milaza azy. Saingy ny zavatra azon'ny rehetra jerena dia ny colona tsy hita isa vonoina, ampolony alaina an-keriny ary an-jatony no voatery mandao ny tranony
Nilaza ny Firenena Mikambana vao haingana izay fa “tena miharatsy indrindra” ny fifanandrinana any Syria fa tafakatra hatramin'ny 5000 ny olona maty isam-bolana. Ary tsikaritra fa tsy misy fahasamihafana amin'ny volana hafa ny Ramadany amin'ity taona ity. Mety mbola ho ratsy kokoa aza. Samy manampi-tsofina amin'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana Ban Ki Moon hampitsahatra ny herisetra avokoa ny roa tonta mpifanandrina. Ary toa fanompàna ny ratra dia miakatra izay tsy izy ny vidin'ny fanafody sy ny sakafo. Araka ny Syrian Arab News Agency (SANA = Sampan-draharaham-Pampahalalam-Baovao Arabo Syriana):
@Sana_English: #Syria‘s Health Minister: Decision to raise medicine prices intended to preserve medicine security
Minisitry ny fahasalamana: Fanapahan-kevita hampakatra ny vidin'ny fanafody ho fiarovana ny [fisian'ny] fanafody
Tratran'ny fahirano i Homs, tahaka izany ihany koa i Aleppo sy ny tanàna maro hafa ao amin'ny firenena potiky ny ady.
Mamehy ny fandehan-draharaha ao amin'ny siokany hafa ilay vehivavy Syriana Amal Hanano:
@AmalHanano: On the 1st day of Ramadan, #Aleppo is starving. Dollar is up to 300 Syrian Pounds. No food or medicine to be found. #Syria
Tamin'ny andro voalohan'ny Ramadany, matin'ny hanoanana i Aleppo. Mahatratra hatramin'ny 300 livra Syriana ny dolara. Tsy ahitana sakafo na fanafody mihitsy.
Tsy raharahiana hatramin'ny trano fivavahana aza
@GotFreedomSY: A Mosque I could once see from our balcony in Syria is now burning to ruins. One of many Mosques the Assad regime is destroying in Ramadan.
Eo ampirehetana ho amin'ny faharavana ny Moskea iray hitako hatreo an-davarangana. Iray amin'ny Moskea potehin'ny fitondrana Assad mandritra ny Ramadany izany.
Mamelabelatra ny toe-drahraha amin'ny alalan'ny sangan'asa maro ihany koa ny artista Syriana, izay azo jerena an-tserasera.
Tahaka izao no andokoan'i Tammam Azzam ny volatsinana Ramadany:
Ary indro ny Suhoor mampahonena (sakafon'ny olona mialoha ny hifadian-kanina amin'ny fiposahan'ny masoandro) avy amin'ny artista Hicham Chemali nivoaka ao amin'ny pejy Facebook “Sariitatry ny Revolisiona Syriana”:
See how Bashar [Filohan'i Syria] mizara sakafo ho amin'ny Iftar.
Avy any Jordania, miara ory amin'ny mpifanolo-bodirindrina sy rahalahy Syriana ihany koa ny mpanao sariitatra Osama Hajjaj.
Saingy na eo aza izany rehetra izany dia tsy very tsy akory ny kivazivazin'ny Syriana na dia ratsy tsiro aza, ho entina miatrika ny fiainana. Nalaza haingana ity sary ity taona amin'ny Twitter sy taon amin'ny Facebook.
1 hevitra