Tantara tamin'ny 20 Jolay 2013
Rosia : Mampisara-kevitra Ny Mpiaro Ny Zon'Olombelona i Snowden

Misara-kevitra manoloana an'i Edward Snowden sy ny fikarakaran'i Kremlin ilay mpiasan'ny NSA taloha, mbola eo ambany fahefan'ny Seranam-piaramanidin'i Moskoa ao Sheremetyevo ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona rosiana.
Saron'ireo Teny vahiny Maro Ny teny Nentim-paharazan'i Japana
Lehilahy lehibe iray 71 taona no nametraka fitoriana tamin'ilay Haino aman-jery NHK any Japana noho ny fahasahiranan-tsainy nateraky ny fampiasàn-dry zareo teny vahiny diso tafahoatra. Tena very tanteraka izy raha resaka fandikan-teny, nefa dia ao amin'ny tanindrazany ihany.
“Bitsika-Adihevitra” Mikasika Ny Lafitsara Sy Lafiratsin'ny Fanaovan-gazetin'olon-tsotra
Nikarakara ady hevitra mikasika ny filazam-baovaon'olon-tsotra tao amin'ny Twitter ny Press Association of Madrid (APM) na ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety ao Madrid tamin'ilay " bitsika-Adihevitra" fahatelo nokarakarainy amin'ilay #Tuitsyperiodigno (#Tweetsanddignifiedjournalism) naroson'io fikambanana io ary ny tanjona amin'izany dia ny endrika samihafa isehoan'ny asa fanaovan-gazety.
Saodiana Mafana Fo Taitra Tamin'ny Fandraràna Tampoka Ny Diany Teny An-tseranam-piaramanidina
Tsy navela hivoaka an'i Arabia Saodita ilay mafana fo sady mpanao gazety, Iman Al-Qahtani, ho fanasaziana azy tamin'ny fanentanany sy ny fanohanany ireo reformista mpitaky fiovàna.
Vehivavy Mpanohana an'i Morsi Maty Nisy Namono Tao Mansoura
Nisy fihetsiketsehan'ny mpanohana an'i Morsi iray tao Mansoura notafihan'ny andian-jiolahimboto, izay nahafatesana vehivavy telo farafahakeliny sy naharatra am-polony. Maneho hevitra amin'ilay fanafihana ny Mpiserasera.
Ramadany Amin-dRa Mandriaka Araka ny Fijerin'ny Artista Ao Syria
Lahatsoratr'i Thalia Rahme nadikan'i Jentilisa miresaka ireo "sanganasa" miompana amin'ny volana Ramadany tsy fahita amin'ny firenena be silamo hafa.
Tanzania: Jery Todika Ny Fiomanana Tamin'ny Fitsidihan'i Obama
Niverina tamin'ny andavanandro i Dar es Salaam, roa andro taorian'ny nandraisany ilay lehilahy tsy iadian-kevitra fa mahery eto amin'izao tontolo izao : ny Filohan'i Etazonia Barack Obama. Nanerana ireo làlana tao an-tanàna ny sarin'io lehilahy io.
Mamakivaky Ny Tantaran'i India Indray Amin'ny Alalan'ny Sarim-pianakaviana
Lahatsoratr'i Ayesha Saldanha nadikan'i Naomy miresaka momba ilay tetikasa manangona sarim-pianakaviana manoritra tsimoramora ny tantaran'i India. Lasa mitantara ny tantaram-pianakaviany ihany koa ny olona noho ilay tetikasa.