Lahatsary : Miely Manerana An'i Brezila Ny Hetsi-panoherana ‘Fitroarana Vinaigitra’ Mitsipaka Ny Fiakaran'ny Saran-dalana
[Mitondra any amin'ny vohikala teny Portiogey avokoa ny rohy rehetra afa-tsy ireo izay asiana filazana hafa.]
Efa miparitaka manerana ny tanana ilay onjam-panoherana manohitra ny fiakaran'ny saran-dalana ao São Paulo ary lasa hetsika nasionaly mihitsy.
Ilay hetsi-panoherana Free Fare Movement (Hetsika Saran-dalana Maimaim-poana) dia manohitra ny fiakaran'ny saran-dalana miala amin'ny 3 reais Breziliana (1.40 dolara Amerikana) ho 3.20 reais (1.50 dolara Amerikana) nanomboka nihatra tamin'ny fiandohan'ny volana Jona lasa teo. Notsenain'ireo mpitandro ny filaminana tamin'ny tsifotra mampihevina, bala fingotra ary entona mandatsa-dranomaso, niampy fisamborana olona an-jatony, ilay hetsi-panoherana natao tao São Paulo ny 13 Jona.
Nantsoina hoe “Fitroarana Vinaigitra” ilay hetsika taorian'ny fampiasàn'ireo mpanao hetsi-panoherana akanjo vonto vinaigitra hiarovan'izy tena amin'ny vokatry ny baomba mandatsa-dranomaso atsipin'ireo polisy. Voasambotra ilay mpanao gazety Piero Locatelli, mpanoratra ao amin'ny gazetiboky Carta Capital, naka sary ireo mpanao hetsi-panoherana ny 13 Jona noho izy nitondra vinaigitra tao anaty kitapo fibabiny, araky ny hita eto amin'ity Lahatsarin'ny YouTube eto ity.
Ny hetsika manaraka, izay novisavisaina ho tanterahina ny 17 Jona aza moa dia efa nantsoina tamim-panesoana hoe “Diabe hanaovana ny vinaigitra ho ara-dalàna.”
Amin'ny ankapobeny, toy ny hoe “mpanakorontana” sy “mpanimba zavatra” ny fahitan’ ireo filazam-baovao mahazatra ny olona mpanao fihetsiketsehana, kanefa niova tsikelikely io fandrakofam-baovao io noho ny fijoroana vavolombelona nentin'ny fanaovan-gazettin'olon-tsotra izay nameno ny aterneto. Niparitaka be teny anaty tontolon'ny bilaogy ny fijoroana vavolombelona ny amin'ny fisian'ny famoretana feno herisetra ataon'ireo polisy. Ny bilaogy Tumblr feridosnoprotestosp.tumblr.com (izay midika hoe “naratra tao amin'ilay hetsi-panoherana”) dia natsangana mba hitoriana ny tranganà herisetra rehetra mihatra amin'ireo mpanao fihetsiketsehana.
Tao amin'ny Twitter, dia tena nampiasain'ny maro tokoa ilay tenifototra #pimentavsvinagre (#peppervsvinegar). Nozaraina tao amin'ny YouTube ihany koa ny lahatsary toy ity alefan'ity mpiasa an-tsitrapo ao amin'ny Global Voices Raphael Tsavkko ity, izay mampiseho ny herisetran'ny polisy teny amin'ny lalàmben'i Augusta tao São Paulo.
Nizara lahatsary ahitàna ireo zava-nitranga maro samy hafa tao São Paulo ny Anonymous Brasil tao amin'ny YouTube, ary miantso ny olona rehetra hidina an-dalàmbe.
Hetsika manerana an'i Brezila

Niha-nitombo ny hetsika fahaefatra fanoherana ny fiakaran'ny saran-dalana tao São Paulo / São Paulo Movement Free Pass / Facebook
Nanomboka ny 13 Jona dia niafara taminà fisamborana olona an-jatony hatrany ilay hetsika, nidina an-dalambe ny mponina avy any amin'ny faritra maro toy ny avy ao Rio de Janeiro sy Porto Alegre niatrika ny herisetran'ny polisy. Ary raha toa ka ity diabe natao tamin'ity volana ity no nahitàna famoaham-baovao nasionaly sy Iraisam-pirenena be indrindra, dia misy hifandraisany amin'ireo fitakiana iadiana amin'ny fiakaran'ny saran-dalana izay natao tamin'ny taon-dasa ihany izany.
Tao Natal, ilay renivohitr'i Rio Grande do Norte, ilay hetsika mitondra ny anarana hoe “Big Bus Revolt” dia efa nanomboka ny volana Septambra 2012 tamin'ny fotoana nitokonan'ireo tanora teny amin'ny toerana fiantsonan'ny fiara mpitatitra sy ireo arabe fampiasa indrindra ao an-tanàna mba hanoherana ny fiakaran'ny saran-dalana. Tamin'ity taona ity, rehefa nanao izay hamerenana ilay fampiakarana ny saran-dalana indray ny ekipa mpiara-miasa amin'ingahy Ben'ny tanana, dia indreo fa niverina teny an-dalambe indray ireo tanora.
Toy ny tany amin'ny tanàna hafa rehetra, niresaka momba ny fanimban-javatra ny filazam-baovao tao an-toerana. Tena nisedra famoretana feno herisetra avy amin'ny polisy ilay hetsika natao ny 15 May 2013, araka ny asehon'ity lahatsary tao amin'ny YouTube nalefan'ny Coletivofoque ity.
Mafana fo maro avy amin'ny Anonymous no nibahana ilay vohikala “site of the Union of Passenger Transport Companies of the City of Natal”(SETURN), na ny vohikalan'ilay Fikambanan'ny Mpitatitra ao amin'ny Kaominin'i Natal , ilay sampana miandraikitra ny fitateram-bahoaka ao amin'ny tanàna, ary nampakatra lahatsoratra hanasàna ny mponina handray anjara amin'ilay hetsi-panoherana hatao ny 20 Jona.
Tao Porto Alegre, ilay renivohitr'i Rio Grande do Sul, nahavita nampiato ilay fanapahan-kevitra fampiakarana ny saran-dalana ny vahoaka tamin'ny alalan'ny fidinana an-dalambe ny volana Martsa 2013. Taorian'io tsindry io, nahaton'ny Fitsarana ilay fanovàna ny volana Aprily. Na dia izany aza anefa, hisy fitsarana ihany afaka roa herinandro aorian'io, izay mety hampihatra ilay fanapahan-kevitra indray. Ny Association of Passenger Transporters (ATP)na ny Fikambanan'ny Mpitatitra vahoaka, ilay orinasa miandraikitra ny fitateram-bahoaka ao amin'ny tanana dia miandry fatratra ilay fitsarana. Ny tolo-kevitr'ilay orinasa dia ny hiakaran'ny saran-dalana ho 2.85 reais Breziliana (1.32 dolara Amerikana) ka hatramin'ny 3.05 reais (1.41 dolara Amerikana).
Mba hanaovana tsindry amin'ilay fiakaran'ny saran-dalana dia nisy ny diabe niarahana nizotra teny amin'ny lalambe teny atsimon'ny renivohitra ny 13 Jona. Nahitàna famoretana avy amin'ny borigady miaramila izany, nisy ny fitifirana tamin'ny bala fingotra sy baomba mandatsa-dranomaso, araky ny naseho tamin'ilay lahatsary tao amin'ny Coletivocatarse :
Voalaza fa nisy tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana no namotika fitoeram-pako sy namaky ny jironà kamiao ka dia 23 ny totalin'ireo olona voasambotra tamin'io alina io, 18 lehilahy ary 5 vehivavy, araky ny voalazan'n’ny vohikalam-baovao. Lahatsary iray nakarin'ilay mpampiasa YouTube Jeronimo Menezes no mampiseho polisy mitam-piadiana miditra tao amin'ilay trano fisotroana iray tao amin'ny João Pessoa Avenue ary nandrahona ny olona tao, mba hanerena azy ireo hanondro izay nandray anjara tamin'ilay hetsi-panoherana.
Ny omaly hariva talohan'ny fanombohan'ny Fiadiana ny Amboaran'ny kaonfederasiona, ilay hetsika atao alohan'ny Amboara eran-tany 2014 izay hatao ao Brezila, dia lasa vanja nandrehitra ny afo nanairana ny sehatra maro hafa manan-daja kokoa ilay ady amin'ny fiakaran'ny saran-dalana, araky ny fampahatsiahivan'ilay mpanao gazety Luís Felipe dos Santos azy.
O aumento da passagem é um pretexto para o padrão do Brasil como país emergente: o serviço encarece, mas não melhora. O ônibus ficou mais caro, mas não justificou esse aumento – continua lotando, continua matando os passageiros (como no Rio), continua atrasando. Como os ônibus, os imóveis também ficaram mais caros e não melhoraram. A saúde ficou mais cara e não melhorou. A educação ficou mais cara e não melhorou. Os preços dos ingressos de estádios de futebol encareceram e não melhoraram.
Ny fiakaran'ny saran-dalana dia sariohatra fotsiny ihany amin'ny fenitra [ny fiainana] ao Brezila amin'ny maha-toekarena vao mipongatra azy : miha lafo ny tolotra samihafa, kanefa tsy mihatsara. Miakatra mihalafo ny saran-dalana, kanefa tsy misy fanazavana – mbola mifanosina be hatrany ao anatin'izy ireny, mbola mahafaty olona foana (tahaky ny ao Rio), ary mbola mitaredretra ihany. Toy ny fiara fitateram-bahoaka, miha lafo ihany koa ny hofan-trano ary tsy mihatsara akory anefa. Eo koa ny sehatry ny fitsaboana izay miha lafo kanefa tsy mihatsara akory. Ny fampianarana miha lafo kanefa tsy misy fivoarana mihitsy. Mihalafo ny tapakila fijerena baolina kitra kanefa tsy misy fihatsarany.
Ity lahatsoratra ity dia niarahana nanoratra tamin'i Débora Baldelli.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...