Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

04 Jolay 2013

Tantara tamin'ny 04 Jolay 2013

Nepal : Mpanao Gazety Voasambotra Fa Namoaka An-Gazety Ny Fiainana “Firaisana Ara-nofo” Tao Aminà Sekoly Iray

GV Mpisolovava

Mpanao gazety Nepale telo voaheloka ho namoaka vaovao mahatezitra sy manala baràka tamin'ny aterineto no voasambotra tamin'ny herinandro teo. Nentin'ny mpitandro filaminana hotanana vonjimaika izy ireo taorian'ny fitarainana napetraky n y manampahefana avy ao amin'ny Oniversitem-panjakana zay nitory azy ireo ho namoaka lahatsoratra momba ny fampiasan'ny mpianatra zazavavy baranjely ho...

SARIPIKA: Zavakanto An-Tanandehiben'i Budapest Tokana Aman-Tany

Ny renivohitr'i Hongria, izay efa malaza amin'ny tantara, ny zavakanto ary ny rafitranony, no hita mamelona ny sangan'asa an-tanandehibe tokana aman-tany mampiavaka azy andro maromaro izao. Mipongatra isan'andro ao amin'ny tambajotra sosialy tahaka ny Twiter sy ny instagram ireo sary sy fanehoan-kevitra hita amin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #streetart (kanto an-dalambe)...

Ny Tantara Ambadiky ny Lahatsary [Hosoka] Nisamborana an'i Morsi

Nisy lahatsary nampiseho izay nolazalazaina ho fisamborana ny filoha ejipsiana teo aloha Mohamed Morsi mitety ny aterineto amin'izao fotoana izao. Efa nisy namoaka tamin'ny YouTube tamin'ny 21 mey 2013 ihany io lahatsary notononina io ka nitondra ny lohateny hoe "Ny fotoana nisamborana ny filoha Mohamed Morsi sy ny zanany lahy."

Naongan'ny Ejipsiana i Morsi sy ny Fitondran'ny Mpirahalahy Miozolomana

Tapaka hatreo ny herintaona nitondran'i Morsi, taorian'ny fihetsiketsehana lehibe nanerana an'i Ejipta niantso azy hiala nanomboka tamin'ny 30 Jona. Ny komandin'ny Tafika Ejipsiana Abdel Fattah Al Sisi no nanambara nandritra ny mivantana minitra vitsivitsy lasa izay fa ny Lehiben'ny Fitsarana Momba ny Lalampanorenana Adly Mansour no ho filoha vonjimaika vaovao...

Mitabataba Ao Amin'ny Twitter Ny Filoha Ejipsiana Teo Aloha Morsi

Tsy filohan'i Ejipta intsony ny Filoha Mohamed Morsi. Fa na izany aza dia mitabataba ao amin'ny kaontiny voamarina ao amin'ny Twitter @EgyPresidency izy.