Mitrandraka Avy Any Ifotony Hisian'ny Fifidianana Madio any Bolgaria

Rava ny governemantan'i Boyko Borisov tamin'ny 20 Febroary, iray volana taorian'ny fihetsiketsehana maro tsy nisy fitsaharana, ary tao anatin'ny andro 5 latsaka, ny 12 May, ireo mponina bolgara dia nifidy parlementa vaovao (lahatsoratra lalindalina kokoa ao amin'ny GV eto). Misy fisalasalana anefa raha ny fanekena ny fifidianana ho avy. Mba hanampiana ny fanaraha-maso ireo fandikàn-dalàna mandritra ny fizotran'ny fifidianana, namorona fiasana maro ao anatin'ny aterineto ireo Bolgara mpikatroka mafàna fo

 

    • Ny Аз Гласувам [“I Vote”; bg] dia noforonin'ny Institute for Public Environment (IPED) fikambanana izay tsy mikatsaka tombontsoa manohana ny fiovàna ara-politika sy ara-tsosialy any Bolgaria. IPED dia miasa mba hampitomboana ny fandraisan'anjaran'ny mponina ao anatin'ny governemanta Bolgara, hamerana ny tsindry aloky ny mafia amin'ny resa-politika, hiantohana ny fisian'ny dingam-pifidianana madio,
    • ary miady amin'ny kolikoly sy ny fanararaotam-pahefana. Ny tanjon'ilay sehatra dia ny hampiroboroboana ny zon'ny mpifidy any Bolgaria, mba hamaliana ireo fanontaniana fametraka matetika mikasika ny fifidianana izay ho avy, mba hifanome-tànana amin'ny fitaterana ny fanitsakitsahana ny fizotry ny fifidianana, ary manangona ny vaovao mikasika ny fifidianana avoakan'ny media.

 

az glasuvam

 

    • За честни избори (“Ho an'ny Fifidianana Madio”; bg] dia sehatra fitrandrahana ifotony ampiantranoin'ny Ushahidi, izay hanampy hanangona tatitra mikasika ny fandikàn-dalàna (lahatsoratra sy sary azo avy amin'ny Facebook, Twitter sy aterineto)

 

Screen shot 2013-05-08 at 1.48.50 AM

 

 

Screen shot 2013-05-08 at 1.48.27 AM

 

Ao amin'ny Twitter, ireo mpisera amin'ny aterineto dia afaka mitatitra ireo fandikàn-dalàna sy mandefa ireo lahatsoratra fanavaozam-baovao mampiasa ireto tenifototra ireto: #bgizbori2013, #izbori2013, sy #izbori (izbori midika hoe ‘fifidianana’ amin'ny fiteny Bolgara)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.