Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

20 Mey 2013

Tantara tamin'ny 20 Mey 2013

Mety Hitondra Fiovana Ve Ny Fifidianana Solombavambahoaka Ao Malezia?

Noravàn' i Praiministra Najib Razak ny parlemanta Malezianina tamin'ny 3 Aprily 2013 mba hanomanana ny fifidianana solombavambahoaka faha 13 eo amin'ny firenena. Mety mbola hanjaka hatrany amin'ny fifidianana ve ny mpitondra nandritry ny antsasaky ny taonjato lasa? Sa ve hisafidy ny fiovana ny vahoaka?

Mendrika Ny Fampiasàm-bola Natao Ve Ny Fetiben'ny Jazz Festival Tany Sainte-Lucie ?

Ny fiafaràn'ny Fetiben'ny Jazz sy ny Zavakanto any Sainte Lucie tamin'ity taona ity, indrindra indrindra tao anatin'ny vanim-potoanan'ny adihevitra mikasika tetibolan'ny firenena mandeha amin'izao fotoana, dia nitondra ireo marobe mpisera anaty aterineto hanontany tena mikasika ny fiantraikan'io hetsika io ara-toekarena

Brunei: ‘Efa Manakaiky Ny Fanivànana Ny Aterineto Mihisatra’

Mitaraina noho ny fidirana aterineto meda sady tsy azo antoka any amin'ny fireneny ireo mpampiasa aterineto ao Brunei. I Brunei dia iray amin'ireo manana fidirana aterineto lafo sanda indrindra any Azia Atsimo-Atsinana nefa maro amin'ireo mpampiasa aterineto ao Brunei no mahatsapa fa ratsy ny tolotra aterineto azon'izy ireo raha toa...

Mitrandraka Avy Any Ifotony Hisian'ny Fifidianana Madio any Bolgaria

Dimy andro latsaka, ny 12 May, ireo mponina Bolgara dia nifidy parlementa vaovao. Misy fisalasalana anefa raha ny ho fanekena ny fifidianana ho avy. Mba hanampiana ny fanaraha-maso ireo fanitsakitsahana ny dingam-pifidianana, namorona fiasana maro ao anatin'ny aterineto ireo Bolgara mpikatroka mafàna fo. Tatitr'i Ruslan Trad.

‘Syria Untold’ – Siria Tsy Voalaza : Fitantarana Ny Revolisiona Tany Siria

"Siria Tsy Voalaza" dia tetikasa media tsy miankina iray mitrandraka ny fitantarana ny tolona Siriana sy ireo endrika samihafan'ny fanoherana. Hiarahana amin'ny Global Voices Online ilay tetikasa.

Nankatoavina Ho Afa-Mirotsaka Hofidiana Indray i Evo Morales Ao Bolivia

Ao anatin'ny fitokonana ataon'ny mpiasa [mg] mitaky fisotroan-dronono tsara kokoa no nankatoavan'ny mpanao lalàna ny volavolan-dalàna mamela ny filoha Evo Morales sy ny filoha lefitra Alvaro García Linera hifaninana amin'ny fe-potoa-piasana vaovaon'ny fifidianana Desambra 2014.

Vehivavy Iray Avotra Rehefa Tafahitsoka 17 Andro Tany Ambaninà Orinasa Rava Tao Bangladesh

Tamin'ilay andro niakaran'ny isan'ny maty ho 1.055 nandritra ny firodananà orinasa manana rihana sivy tany Savar (any ivelan'ny Dhaka, renivohitr'i Bangladesh), dia nisy vehivavy mpiasa antsoina hoe Reshma Begum kosa hita velona taorian'ny nahavoafandrika azy tanatin'ilay trano rava nandritra ny 17 andro, firodananà tranobe nahafaty olona be indrindra hatramin'ireo fanafihan'ny...