Atahorana Ny Fisondrotam-bidin'ny Tapakila Noho Ny Nandravàn'i Shina Ny Ministeran'ny Fitaterana An-dalamby Novesaran-trosa
Nanapa-kevitra i Shina ny handrava ny ministeran'ny fitaterana an-dalamby matanjaka saingy bokan-trosa tao aminy mba hampakàrana ny fahafahan'ny governemanta miasa tsara sy hiadiana amin'ny kolikoly, hetsika iray izay ahiahian'ny maro amin'ireo Shinoa mpampiasa ny aterineto ho midika fisondrotam-bidin'ny tapakila atsy aoriana atsy.
Hivaky ho roa ilay ampihimamba goavana, ny fahefàna ara-pitantanana dia ho eo ambanin'ny Ministeran'ny Fitaterana. Orinasa iray kosa no hapetraka hampiodina ny raharaham-pitaterana ara-barotry ny lalamby Shinoa.
Namela trosa be mitentina 2.66 trillion yuan (420 lavitrisa dolara US ) ny Ministeran'ny Fitaterana an-dalamby, ary tsy mbola nanapa-kevitra ny amin'izay fomba ho entina miatrika izany ireo manampahefana, hoy i Wang Feng, tale lefitry ny Kaomitim-Pirenena Momba Ny Fanarenana ny Seha-Panjakana tamin'ny 11 Martsa 2013. Izay fanapahan-kevitra izay no “havela ho an'ny dingana manaraka,” hoy izy.
Efa ela ilay ministera no lasibatry ny fiampangàna azy ho manao kolikoly sy toerana anjakan'ny tantara ratsy. Tamin'ny 2011, niteraka tsy hafaliana tety anaty aterineto ny fifandonan'ny fiarandalamby roa haingam-pandeha. Tamin'ny 2012, nametra-panontaniana mikasika ilay tranonkala nampiasa loha azy ireo, fanaovana famandrihana tapakila, ny Shinoa, izay nandanian'ny ministeran'ny fitaterana andalamby vola mitentina 300 tapitrisa yuan (47.8 tapitrisa dolara US) ny nanangànana azy, hatramin'ny fanaovana lahatsary fampahafantarana azy izay nandaniana 18.5 tapitrisa yuan (2.94 tapitrisa) ny famokarana azy.
Noharabain'ireo media Shinoa ny fandravàna ilay ministera. Nanao fanmarihana ny China Daily hoe:

Nitatitra momba ny fitaovana efa antitry ny Ministeran'ny Fitaterana andalamby ny televizionam-panjakana Jiangsu TV (dikasarin'ny fàfana youku)
Ilay drafitra vao avy navoaka ho fanta-bahoaka momba ny fanavaozana ireo masoivohon'ny Filankevi-Panjakana dia mety tsy ho midadasika sy handeha lalina araka ny niheveran'ny sasany azy, saingy na miaraka aminà sarintsarim-pifanarahana ‘fisoloan-toerana’ aza, dia efa mba hetsika mendrika ho arahabaina izany.
Na izany aza, niteraka [zh] firaradrarahanà valinteny tsy mahita afa-tsy ny lafiny ratsy ilay hetsika, tao amin'ny Sina Weibo, sehatra Shinoa malaza amin'ny fitorahana bilaogy kiritika. Maro no nanahy fa resaka fanondrotana vidinà tapakila amin'ny fiarandalamby io. Iray amin'ireo mpampiasa tranonkala i “Su Qun” no nanoratra hoe [zh] :
苏群: 铁道部变成公司,对老百姓或许并不是什么好事。。。过去的问题只是买不到票,将来可能会变成买不起票。。。铁路寡头没有私营公司竞争,又有经营压力,就会想方设法把2万亿旧账转嫁到车票上。。。过去有行政铁笼,一没了束缚,就成森林之王,和石油公司一样。
Hivadika ho orinasa ny Ministeran'ny Fitaterana an-dalamby, izay zavatra tsy dia ho tsara loatra… Fahiny, ny olana dia hoe tsy afaka nahazo tapakila fotsiny isika, fa angamba amin'ny hoavy, mety tsy ho vitantsika ny hividy iray amin'izany… Tsy hiatrika fifaninanana aminà orinasa tsy miankina ilay orisana hisahana ny fitaterana an-dalamby, nefa hiatrika tsindry ara-toekarena ry zareo. Hanandrana fomba samihafa ry zareo handefasana an'ilay trosa be 420 lavitrisa dolara ho any amin'ny tapakilan'ny fiarandalamby. Efa nahazatra an-dry zareo ny nifangaroharo tamin'ny mpitantana. Efa tantara sisa izany ankehitriny. Ry zareo izao no lasa mpanjakan'ny ala, tahaka ireo orinasan-tsolika ihany.
Nampiakoako izany i Laoxu [zh]:
老徐时评: 铁道部最后一任部长盛光祖讲,票价是偏低的今后将按照市场规律办事。你们不是总嚷嚷要撤了铁道部吗,又一个牛 逼闪闪的垄断性国企即将诞生,从此将放开手脚去追逐市场利润…
Ny minisitra farany tao amin'ny Ministeran'ny Fitaterana An-dalamby, Sheng Guangzu, dia niteny fa ambany ny saran-dàlana. Amin'ny hoavy, hanitsy ny saran-dàlana hifanitsy amin'ny fepetran'ny tsena ry zareo. Ianareo ry zalahy no nitaky ny hitsaharan'ny Ministeran'ny Fitaterana An-dalamby; ankehitriny teraka ny ampihimamba mamiratry ny orinasam-panjakana. Atsy ho atsy dia horaofiny daholo ny tombontsoa eny amin'ny tsena…
“Wuyue Sanren” nikevitra [zh] fa tetika fotsiny ilay hetsika mba hanilihana ilay trosa be misavovon'ny ministera:
五岳散人: 铁道部被合并取消这事儿大概我算是明白了,这招叫做金蝉脱壳。一旦取消合并之后,是政治上、舆论上的负资产会消失,部委都没了,骂人都找不到主语;经济上市场化,抛掉债务转成商业行为,等于切割不良资产。高,真他妈高。
Takatro ny antony nandravàna ny Ministeran'ny Fitaterana an-dalamby. Io tetika io no antsoina hoe “fandosirana amin'ny tetika tsara rindra”. Vantany vao rava, hanjavona ireo fitakiana ara-politika sy avy amin'ny fanehoan-kevitry ny daholobe. Satria efa tsy eo intsony ny ministera, tsy misy na iza na iza hahita zavatra hokianina intsony. Ny fandraisana lalan-jotra mitodika amin'ny tsena sy fametrahana ny trosa ho andraikitry ny orinasam-barotra iray dia mitovy amin'ny famotipotehana ireo renivola tsy mamokatra. Tetika tena mampihaiky io.
Lu Zhengwei, mpahay toekarena, dia nanamafy [zh] ihany koa fa ny trosa midangana dia hery manosika ho amin'ny fanavaozana:
鲁政委: 铁道部已成历史,有关部门誓言市场化改革,所有这一切的推手,其实是高负债使 然:"甩包袱""嫁丑女"一直是中国30多年来的改革推进逻辑。那么,让下个十年的政府改革动力,预计也只能来自财政赤字的爆棚。还是20世纪初的熊彼特 有远见:财政,是理解一切制度变迁的关键。
Hery manosika ho amin'ny fanavaozana ny Ministeran'ny Fitaterana an-dalamby ny trosa miavosa. Nanjary tantara be ny Ministeran'ny Fitaterana an-dalamby. Voatery tsy maintsy miditra amin'ny fanavaozana mitodika amin'ny tsena ireo departemanta voakasika, ka ny rehetra amin'izany dia natosiky ny trosa miavosa avokoa. “Manambadia vehivavy ratsy tarehy” no lojika tao ambadik'ilay fanavaozana nandritra ny 30 taona. Noho izany, ny hery manosika ny fanavaozana ny governemanta ato anatin'ny folo taona ho avy dia andrandraina ihany koa ho avy amin'ny fipatitahan'ny fatiantoky ny fitantanam-bola. Tahaka an'i Joseph Alois Schumpeter [mpahay toekarena] tany am-piandohan'ny taonjato faha-20 ihany, izay niteny hoe : ny Fitantanam-bola no fanalahidin'ny fahatakarana ny fiovan-drafitra rehetra.
Xiao Feng, mpanao gazety ao amin'ny New Weekly [zh] no namintina hoe [zh] :
肖锋 : 新铁路总公司背2.6万亿巨债,势将宣布新一轮涨价。这应和了“改革=涨价”的老路子。以改革之名,行涨价之实,医改如此,教改如此,房改如此,撤并铁道部亦如此。如此如此。
Hibaby trosa goavana mitentina 2.66 trillion yuan(420 lavitrisa dolara US ) ilay orinasam-pitaterana an-dalamby vaovao, izay hitondra mankany amin'ny fisondrotan'ny vidin'ny tapakila. Io no endrika tranainy indrindra amin'ny “fanavaozana = fanondrotam-bidy”. Amin'ny anaran'ny fanavaozana, ny tena raharaha dia ny fisondrotam-bidy, tahaka izay ny fanavaozana ny resaka fitsaboana, ny fanabeazana ary ny trano fonenana. Tsy misy hafa amin'izay koa ny fanaparitahana ny Ministeran'ny Fitaterana an-dalamby.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...