Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

14 Marsa 2013

Tantara tamin'ny 14 Marsa 2013

Sénégal: Namoy ny Ainy ao anaty Haintrano Ny Ankizy eny An-dalambe ao Dakar

Farafahakeliny sivy no maty nandritra ny hain-trano tamin'ny alahady harivan'ny 4 marsa lasa teo nitranga tao amin'ny fokontanin'i Médina ao Dakar. Farafahakeliny ny sivy amin'ireo dia talibés (mpianatra ao amin'ny sekoly koranika iray). Efa maro ny tompon'andraikitra politika no niseho sehatra tamin'ity voina ity. Avoitran'ity voina ity manko ny fahasarotam-piainana...

Hero Reports: Vaovao Tsara Mitarika Ho Amin'ny Fiovana Ara-tsosialy Any Meksika

Tafatafa niarahana tamin'i Yesica Guerra, Talen'ny Hero Reports i Paula Gonzalo avy ao amin'ny Periodismo Ciudadano (Fanaovan-gazety ho an'ny Mponina), tetikasa iray vaovao mitondra ny anaran'ny faritra niaviany, voaangona avy amin'ny vahoaka, na ny fandraisan'anjaran'ny mponina, izay mitantara ny hetsika tsara izay niseho tany Meksika.

Ny ‘Revirevin'i Shina’ Ve Tena ‘Revirevy Miaramila Matanjaka’ Tokoa ?

Nivoaka voalohany tao amin'ny Tea Leaf Nation tamin'ny 8 marsa 2013 ity lahatsoratr'i Rachel Wang ity ary navoaka indray noho ny fifanarahana hifampizara votoaty. Tamin'ny 3 marsa, nisy lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe “Mifantoka sy manangana ny ‘Revirevy Tafika Matanjaka’ ” nivoaka teo amin'ny voalohan-takelaky ny gazety mivoaka isan'andro PLA gazety mivoaka...

Atahorana Ny Fisondrotam-bidin'ny Tapakila Noho Ny Nandravàn'i Shina Ny Ministeran'ny Fitaterana An-dalamby Novesaran-trosa

Nanapa-kevitra i Shina ny handrava ny ministeran'ny fitaterana an-dalamby matanjaka saingy bokan-trosa tao aminy mba hampakàrana ny fahafahan'ny governemanta miasa tsara sy hiadiana amin'ny kolikoly, hetsika iray izay ahiahian'ny maso amin'ireo Shinoa mpampiasa ny aterineto ho midika fisondrotam-bidin'ny tapakila atsy aoriana atsy.

Andian'Olona Tezitra ao Pakistan Mandoro ny Tanàna Kristiana Manodidina Azy Ireo Ao

Noho ny Fiampangana ho nanao fitenenan-dratsy ara-pivavahana, dia nisy andiana miozolomana 3000 nandoro trano 100 tany Joseph Colony, tanàna kristiana an-tsisitsisiny lehibe iray ao amin'ny tanàna faharoa lehibe indrindra ao Pakistan dia i Lahore, tamin'ny Asabotsy 9 Marsa 2013.

Avy Any Arzantina Ny Papa Vaovao, Jorge Bergoglio

Nalaky be tamin'ny fanehoankevitra ireo mpisera anaty aterineto taorian'ny fanambaràna fa hoe sambany no avy any Arzantina, ary Amerikana Latina, no hitondra ny Fiangonana Katolika