
oram-baratra any Riyadh izay mampatsiahy toetrandro any Parisy. Saripika nozarain'i @mohammed919 tamin'ny alalan'ny sioka an-tserasera (na twitter)
Oram-baratra ny tany Riyadh renivohitry Arabia Saodita omaly [29 Novambra 2012]. Atoa Mohamed AlJuaid no nipika sary sady nizara azy tamin'ny alalan'ny sioka an-tserasera (na twitter) [ar]:
أجواء الرياض باريسيه …. #أمطار_الرياض #الرياض
@mohammed919: toetrandro toy ny any Parisy ny aty Riyadh androany.
Taty aoriana amin'ny hafatra matromatroka kosa i @amasq no nampita fa [ar]:
#أمطار_الرياض : فقد شخصين ودهس ثلاثة آخرين، وإصابة ثماني حالات، ووقوع 712 حادثة مرورية هذي حرب عالميه ماصارت امطار
@amasq: Olona roa no tsy mbola hita izay nalehany; telo ireo voahitsaky ny fiarakodia; valo naratra ary miisa 712 ireo lozam-pifamoivoizana. Tsy oram-baratra intsony ity fa tena efa ady lehibe mihintsy (na “guerre mondial”).