12 Desambra 2012

Tantara tamin'ny 12 Desambra 2012

Mamy Manaikitra Ny Sioka Ho an'ny Depiote Kyrgyz Malaza

  12 Desambra 2012

Nanipy adihevitra ilay solombavambahoaka Kyrgyzy tao Kyrgyzstan, mikasika ny hoe: rehefa inona ny mpanao gazety no afaka manatsonga sioka amin'ny Twitter ho halefany vaovao na tsia. Nivinitra i Shirin Aimatova, mpikambana ao amin'ny Antoko Ata-Meken amin'izao fotoana izao raha namoaka ny siokany nandritra ny olan'ny antenimiera farany teo ny bilaogim-baovao ao an-toerana...

Pakistana: Mehzar – Shiita Kely Taona Indrindra Niharan'ny Herisetra

  12 Desambra 2012

Syeda Mehzar Zahra, anisan'ireo kely taona indrindra niharan'ny fanafihana nataon'ireo mpampihorohoro sy fikambanana mahery fihetsika ao Pakistan tamin'ireo Miozolomana Shiita. Voatifitra ity tovovavy 12 taona – izay nantsoina hoe Anna Frank Pakistana taloha -raha naka azy tany an-tsekoly ny rainy, Syed Nazar Abbas. Ny marainan'ny 30 Novambra 2012 no nisehon'izany raha voalaza fa...

Mankatò Ny Fampiasa Facebook Kostarikana Ny Loka Access Innovation 2012

  12 Desambra 2012

Nanambara ireo nandresy tamin'ny fifaninanana ahazoana ny lokam-panavaozana ny teknolojia hotontosaina isan-taona voalohany, tamin'ny 10 Desambra 2012 lasa teo, ny fikambanana tsy mitady tombom-barotra Access.org. Ny fifaninanana dia natao hamoriana fandraisana an-tanana mampiasa ny serasera sy ny teknolojia fifandraisan-davitra entina hamahavahana ny olan-dehibe any amin'ny fiaraha-monina misy azy. Nozaraina ho sokajy...

Arabia Saodita : Fitokonan'ny Daholobe Tsy Hihinan-kanina Ho Fanohanana Mpikatroka Mafàna Fo Mifonja

Nahasarika betsaka ny saina teo amin'ny tontolon'ny bitsika Saodiana i Mohammad al-Bajady, Saodiana mpikatroka mafàna afo amin'ny resaka Zo'olombelona tato anatin'ny herinandro vitsy lasa. Al-Bajady dia iray isan'ny niara-nanorina ny Saudi Civil and Political Rights Association (ACPRA) Fikambanana Saodiana Sivily sy Politika Miaro ny Zo ary voatàna izy hatramin'ny 21 Martsa 2011. Omaly 9 Desambra, @freealbjadi nilaza ny fitokonana faoben'ny olona tsy hihinan-kanina ho fanohanana an'i al-Bajady ny andron'ny 10 Desambra, izay manamarika ny Andro Iraisampirenena Ho an'ny Zon'Olombelona.