Mitatitra fahatapahan'ny aterineto ireo Ejiptana mpikirakira aterineto manodidina ny kianja Tahrir, ilay fon'ny revolisiona Ejiptiana.
Io dia mitondra ho ao an-tsaina avy hatrany ny zava-nitranga tamin'ny andro faharoan'ny fanombohan'ilay revolisiona Ejiptiana rehefa notapahana ny fahafahana miditra aterineto tao Ejipta ny 26 Janoary 2011.
Niverina teo an-kianjan'i Tahrir ny Ejiptiana io Zoma io mba hanao hetsi-panoherana ny fanangonam-pahefana midadasika nomen'ny filoha vaovaon-dry zareo azy tenany Mohammed Morsi ihany. Araka ireo tati-baovao, dia nolemen'i Morsi ny fahefam-pitsarana, tamin'ny nanambaràny fa tsy manana alàlana hanohitra ny fanapahan-keviny ny fitsaràna. Nahatezitra ny Ejiptiana io, izay niverina marobe nankeny amin'ny kianja Tahrir hanohitra ny ambaran-dry zareo fa Farao vaovaon'i Ejipta sy ny fikambanany Firahalahiana Silamo, izay lazain-dry zareo fa manao ampihimamba be loatra ny fahefana.
Ndeha hiverenana ny fahatapahan'ny aterineto, mitatitra i Jadaliyya :
@jadaliyya: Tatira: nihantona daholo ireo tambajotra finday&aterineto ao Tahrir. Minisitry ny Fifandraisan-davitra: “Politika tsy misy idirako ireo”
Majdi Abdelhadi maneso hoe :
@maegdi: tatitra momba ny fanapahana aterineto sy fandrakofana tambajotra finday ny faritr'i Tahrir .. tafaverina ve i Mubarak ? #egypt
Ary ny hafa mahita ilay fanapahana aterineto ho fihetsika iray goavana, hisarihana vahoaka maro kokoa ho eny an-dalambe. Hoy i Tarek Mostafa :
@TarekMostafa: Ireo Ejiptiana mpibitsika dia milaza ilay fahatapahana tambajotra finday&Aterineto ho fiantsoana ny olona hanatevin-daharana ny hetsi-panoherana. #Egypt #Nov23 #Tahrir
Araka ireo mpikatroka mafàna fo, io no fahatapahana aterineto nahasintona olona an-tapitrisany hidina an-dalambe tany ampiandohan'ny revolisiona Ejiptiana, nitondra tamin'ny firodanan'ny fitondrana naharitra 32 taonan'ny filoha Hosni Mubarak, taorian'ny andro 18 nisianà fanoherana goavana .
Ao amin'ny Twitter, Mai Abdelqader mibitsika hoe :
@Mai_AbdelKader: #Morsi, mamerina ny endri-javatra fony #Mubarak, sady manapaka ny #Internet ao amin'ny faritr'i #Tahrir . #Cairo #Egypt
Ampiany hoe :
@Mai_AbdelKader: Dia mety ho izany kaondrana izany tokoa va re i #Morsi ka hanapaka ny #Internet indray? Tsy mampino #Tahrir #Egypt
Ary Samar Elhussieny manamafy hoe:
@S_Elhussieny: tambajotranà Aterineto & fifandraisan-davitra tapaka ao #Tahrir SQ #Egypt #23nov
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Miarahaba an'i jentilisa. Ity no hasiako fanamarihana manokana "Tsy maintsy mahay manoratra amin'ny teny Frantsay ianao...