23 Novambra 2012

Tantara tamin'ny 23 Novambra 2012

Tontolo Arabo: Inona No Hiova Amin'ny Fahalanian'i Obama Fanindroany?

Lany ho filoham-pirenena amerikanina fanindroany i Barack Obama nefa ahoana ny fandraisan’ireo mpampiasa aterineto any amin’ny tontolo arabo izany? Indro misy pitiny kely tamin’ireo bitsika tao amin’ny Twitter taorian’ny fahalaniany indray. Mizarazara ny fihetseham-po, raha faly noho ny politika ivelan’i Etazonia any an-toerana ny ankabeazany, ny hafa kosa dia faly satria nandresy i Obama.

23 Novambra 2012

Hackathon Ho an'ny Daholobe: Ahoana ny Fanomanana Hackathon?

Amin'ity lahatsoratra manaraka ity, ny vahiny, J.J. Merelo, Dokotera amin'ny Fizika sady Profesora ao amin'ny Anjerimanontolon'i Granada, Espaina, no miresaka amintsika ny zavaniainany tamin'ny fanomanana hackathon ara-panabeazana ho fanazavana ny Hackathon rezionaly Fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012 [en] izay hotontosaina amin'ny volana ambony amin'ny Desambra

23 Novambra 2012

Manangona Vaovao Mikasika Ny Firenena Ho Aminà Toerana Iray Ireo Rindrambaiko Zambiana Ho an'ny Finday

Taorian'ny fanamboarana rindrambaiko ho anà finday Android tamin'ity taona izay manome fahafahana ireo Zambiana handray anjara anatin'ilay fizotran'ny fanoratana ny lalàm-panorenana, nisy rindrambaiko roa hafa ihany koa, ny Zambia News Daily sy ny The Zambian izay manangona ireo vaovao momba ny firenena avy amin'ireo loharano maro ao anaty aterineto, nipoitra teny amin'ny tsena.

23 Novambra 2012

Nahoana No Tsy Tokony Avela Tsy Hisazy Ny Hala-bato Ao Okraina

Rakotry ny ahiahy mikasika ny mety ho fisian'ny hala-bato sy endrika kolikoly hafa koa ny fifidianana parlemantera farany teo tao Okraina. Veronica Khokhlova no mampibaribary ny sasany amin'ireo kiana nakarin'ny fiarahamonina sivily Okrainiana manohitra ilay fifidianana, sady milaza fa fotoana izao tokony hiraisan'ny mpanohitra hina manodidina tolona iray iombonana.

23 Novambra 2012