Sempotry Ny Orok'i Obama i Myanmar
Nanoratra indray ny tantara i Barack Obama amin'ny maha-filohan'i Etazonia voalohany azy nanitsaka ny tany Myanmar. Betsaka ny olona nitehaka ny fahatogavany raha ny hafa kosa nampahatsiahy azy fa lasa aloha loatra izao fitsidihan'ny filoha amerikana an'i Myanmar androany izao. Ireo mpikirakira aterineto dia nampiasa ny tenifototra #Oburma mba hitahirizana sy hanaraha-maso ilay fitsidihan'i Obama. Nanjary lohahevitra niely be erantany ny teny fanalahidy toy ny “Myanmar” sy “Aung San Suu Kyi”.
Nampientanentana ny olona ireo vaovao mikasika ny ho fitsidihan'i Obama an'i Myanmar. Nihazakazahan'ireo trano fanaovam-pirinty ny nitsinjara sainam-pirenena Amerikana sy nivarotra zavatra momba an'i Obama.
Thant Myint U, mpahay tantara ary zafikelin'ilay Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana fahiny, U Thant, dia niteny fa tany Myanmar ny raiben'i Obama nandritra ny Ady Lehibe Faha-2.
@thantmyintu Ny fahatsiarovana ny raiben'i Obama nanao raharaha miaramila niaraka tamin'ny Mpitifitry ny Mpanjaka Afrikana tao Burma, dia olana iray ampahany amin'ny nentin'ny Chindwin tao Mandalay.
Tanora iray mpiangaly ‘graffiti’, Ar Kar Kyaw, no nanao graffiti tamin'ny loko ny hoe “Tongasoa Obama” tao Yangon izay nisarika ny sain'ny mpampahalala vaovao sy ny daholobe, na dia azo lazaina ho efa nosimbàn'ireo mpandoko mpifaninana aza ilay izy.
Niatrika fanavaozana madinidinika ny Anjerimanontolon'i Yangon satria voalaza fa hikabary ao amin'ilay sekoly i Obana, izay nanosika an'i Ko Htike hitondra fanamarihana [my] hoe:
Sahala amin'ny hoe nanavotra ny Anjerimanontolon'iYangon nosimbàn'i Khin Nyunt i Obama. Amin'izao fotoana anavaozan-dry zareo izao, anohanany ara-bola ilay toeram-pianarana… izao ny fitondrana miaramila vao toa mba mankatoa ny lanjan'ilay toeram-pampianarana rehefa injay ka ny vavan'ny hafa no miloatra.
Amin'ny lafiny iray, ny sasany nandray ny fitsidihany ho toy ny ezaka hametrahana fifandraisana akaikikaiky kokoa amin'ny firenena iray izay tsy nifampiraharaha afa-tsy tamin'i Shina tato anatin'ny folo taona farany. Myo Set miresaka[my] an'io fomba fijery io :
Mba tsy hitarazohana amin'ny olan'ny Kachin [ady an-trano], andrasana betsaka i Obama mba hiresaka matomatotra kokoa mikasika ny korontana “Rohingya” rehefa tonga. Amin'ny anaran'ny fanampiana noho ny maha-olona, hiezaka izy handranitra an'i Shina momba ny fantsona goavana Kyaut Phyu. […] Te-hanosoka hevitra fotsiny aho ho an'ireo fikambanana Rakhine mba hanolorany ny porofo sy ny tantaran'ny fizotran'ny zava-nisy (manodidina ny olana Rohingya). Ankoatra io, antenaiko mba hiresaka ry zareo (miaraka amin'i Obama) mikasika ny toerana ara-jeografika misy an'i Myanmar sy ny tatitra momba ny fivangongoan'ny mponina ao Bangladesh, miaraka amin'ny Kaomisiona Momba ny Zon'Olombelona aty Myanmar. […] Tsy miankina amin'izay ho resahan'i Obama any, ny tanjony dia ny hanaisorana fotsiny an'i Myanmar amin'i Shina. Heveriko fa ho amin'izany ihany koa no tena tanjona amin'ny fanesorana ireo famaizana. […] Ekeko fa tsy maintsy atrehantsika mialoha lavitra ny tokony ho izy ny fifampiandaniana tsy misy ilàna azy eo amin'i Etazonia-Shina.
Talohan'ny nahatongavan'ny Filoha Obama fotsiny, gadra politika 49[my] no nafahan'ny governemanta.
Fiara nitandahatra no nentina nitsena an'i Obama ary vahoaka sesehena no teny rehetra teny. Taona vitsy lasa izao, tsy nisy olona nihevitra ny hahita saina Amerikanateny an-dalamben'i Myanmar izany. Saingy izay tena mba ankafizin'ny vahoka indrindra dia ny oroka nomen'i Obama an'i Daw Aung San Suu Ky, mpitarika ny mpanohitra. Na dia mijanona ho firenena mpandala ny nentin-drazana aza i Myanmar, saika ny tsirairay mihitsy tety anaty aterineto no tsy mihevitra azy iny ho tsy tamin'ny fotoany ary tonga hatramin'ny fiderana azy iny ho toy ny “oroka mpanjaka“. Thin Thin Tun mamaritra [my] azy ity ho fihetsika fanehoam-pirahalahiana eo amin'ny firenena roa tonta :
Na dia tsy mampahazo aina loatra aza no fijery azy ity amin'ny “Mason'i Myanmar”, (Mino aho) taratry ny fifankatiavana sy firahalahiana mivaivay io (eo amin'i Etazonia sy Myanmar)

Olona an'arivony nivangongo teny amin'ireo arabe tao Yangon hiarahaba an'i Obama. Sary avy amin'i CJMyanmar.
Ireo izay nanam-bintana nanatrika ny kabarin'i Obama tao amin'ny Anjerimanontolo dia niaina ny fampitàna izany mivantana avy amin'ireo fantsom-pahitalavitra tao an-toerana ary ny sasany nandeha tany amin'ireny trano fisotroana dite ireny mba hijery azy io niaraka tamin'ny mpiray vodirindrina. Nay Myo Zin, anaty fanamarihana iray hafa, nanoratra [my] mikasika ny fahatapahana herinaratra ho an'ny faritra sasany tao Yangon nandritra ny fotoana nanaovan'i Obama ny kabariny :
Fotoana vitsy taorian'ny nandefasana ilay kabary, tapaka ny jiro tao Yangon. Hatramin'ny 5:15 hariva, niaina tao anaty haizina izahay. Fohy ny andro mazava satria efa manakaiky ny vaninandro ririnina. Tam-pahanginana no niarahabako tongasoa ny filoha Amerikana avy ao amin'ny tany maizin'i Myanmar. Nihevitra aho fa mba ho am-piadanana no hodiako mandry raha manam-bintana hiaina anaty herinaratra sy rano tsy tapatapaka isika eo am-pihainoana ny kabarin'ny Filoha. Ankehitriny, miha-maizina satria tsy misy jiro ny tanàna atsimon'i Dagona. Amin'ny fanakopakopahana ny fitsofana rivotra, fanantenako ny hoe mba tsy hisy moka hanaikitra an'i Obama ao anaty haizina ao.
Mijanona ho ny kabarin'i Obama no olana resahana betsaka indrindra momba an'i Myanmar. Nanakiana an'i Obama ireo mpanohana an'i Rohingya amin'ny tsy nanamelohany mafy ny korontana tany andrefan'i Myanmar, raha ny hafa indray midera fatratra ilay kabariny. Mandritra izany, Tom Bergreen nanamafy fa tsy tokony ho arahana ny fahasamihafana amin'ny fomba itondran'i Etazonia azy :
Amin'ny lafiny maro dia tiako ilay kabariny, saingy misy sehatra roa ifanalaviran'ny fomba fijerintsika
Voalohany, ary ity aza no tena izy amin'ny ankapoben-javatra no sady kiana ho an'ny politikan'i Etazonia sy ireo firenena tandrefana, nefa heveriko hoe nametraka fanindrahindrana olona manodidina azy, mihoatra lavitry ny maha-olona azy noho ny hoe fandraisana ny heviny sy ny fahaizany mitarika.
Faharoa, na dia tsy hisy zava-miavaka aza ny amin'ny resaka fanajàna zon'olombelona sy ny fampitiavana miandàlana ny olon-dREHETRA hiaina anaty fahamendrehana… (nefa) ny maha-olom-pirenena dia tokony hifototra aminà lalàna napetraka, izay ampiharina tsy mitanila amin'izay rehetra miaina ao anatin'ny sisintanin'i Myanmar. Raha mbola fomba fijery diso hatrany no entin'ireo mpampahalala vaovao sy governemanta vahiny mijery ny fifandirana (IMHO) ho toy ny adim-paritra iray, dia tahaka ny ho sarotra ihany ny hahita vahaolana. Tokony ho tahaka ny olana ara-lalampanorenana no hiatrehana azy io ary tsy maintsy tapahana avy aminà Fehezan-Dalàna.
Mazava loatra fa ny sasany amin'ireo mpikirakira aterineto dia nihanihany any anatin'ny fanehoan-keviny mikasika ny fitsidihan'i Obama. Ny hafa indray liana kokoa amin'ny fampiasana ny finoana nentin-drazany mampiasa ny astra mba hamaritana ny andro nahaterahan'i Obama. Ohatra, miaraka aminà maribolana, dia nizara sarin'i Obama nandraraka rano tao amin'ny kiho Zoma tao amin'ny Pagode ShwedagTon i Win Min Ko:
Teraka Zoma i Obama.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...