Afef Abrougui, Mitoraka Bilaogy Avy Any Tonizia
Tany Tonizia, araka ny fitadidian'ny maro, ny vokatry ny fihetsiketsehana tany Sidi Bouzid, toerana izay nisehoan'ny revolisiona sy ny fitroarana, no teraka ny zavatra iarahan'ny maro mahalala hoe Lohataona Arabo. Na izany aza, misy olona vitsivitsy mbola mihevitra hoe “tsy nisy na inona na inona niova” na dia eto aza ilay revolisiona sy ny fiovana nentin'izany.
Eo amin'izay fomba fijery izay, tena fanoharana an-tsary ny zavatra entin'i Afef Abrougui, mpitoraka bilaogy Toniziana sy mafana fo, amintsika mikasika ny zavatra niainan'ny olona sy ny zavatra mbola iainana manerana ny fireneny. Manampy antsika ihany koa izy ity hahalala misimisy kokoa mikasika ny firenena, izay, tsy haintsika marina intsony ny momba azy rehefa nisaraka tamin'ny renim-paritra Afovoany Atsinanana.
Misy tapany roa ny dinidinika, ny tapany voalohany dia laharatsy noraketina tamin'ny Jolaytany Naerobi, kenya, nandritra ny Global Voices Summit farany teo; ny faharoa dia dinidinika voasoratra natao tamin'ny mailaka. Azonao jerena eto ambany daholo izy ireo.
Global Voices (GV): Alef, teneno anay ny mombamomba anao.
Mpianatra ao amin'ny Fifaneraserana Iraisam-pirenena ny tenako any amin'ny Anjerimanontolo any Tunis. Niasa tao amina Rafitra-na Fampilaharana [fanomezana naoty] sy Fitateram-baovaon'ny Ady sy ny Fandriampahalemana aho mikasika ny sivana. Tsy manana bilaogy manokana ny tenako fa vao haingana aho no nanao ny Arab Region eo amin'ny blaogy fanaraha-maso ny Media. Tetikasan'ny Young Leaders Visitors Program ity bilaogy ity, ary nandraisako anjara vao haingana. Manana tanjona amin'ny famelabelarana ny faritra manerana ny renim-paritra Arabo ity bilaogy ity eo amin'ny toeran'ny haino aman-jery fototra malaza indrindra. Nanomboka tamina bilaogy aho hamelabelarako ny vontoatiny tsara mandra-pahitako vola hanaovako tranonkala (enga anie.)
GV: Inona ny fihetseham-ponao mikasika ny hetsi-panoherana amin'ny horonatsary manohitra ny Silamo? AZo amarinina ve izy ireo sa fihetseham-po diso tafahoatra?
Nahatohina ahy bebe kokoa ny fihetseham-po feno herisetra mikasika ny horonan-tsary tsy matihanina noho ny ny tao anatin'ny horonantsary.Ary tsy izaho irery no silamo mihevitra an'izany. Tsy misy afaka azo hanamarinana ny vono olona. Na izany aza, tokony omentsika lanjany ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarena tamin'ireny fihetseham-pon'ny mpanohitra ireny ka nanafika ny masoivohon'i Etazonia any Tunis ireny. Maro amin'izy ireo no olona tsy an'asa, mahantra, tsy nahalala tsara ary voakarama. Ireo voatanisa rehetra ireo no mifangaro [ampiarahana] no mahatonga mora foana ny fitarihana ny fananganana ny antokom-pinoana mirona amin'ny herisetra.
GV: Mitondra antsika ho amin'ny fivavahana izany, izay fantatro fa zavatra tena manokana mihitsy, nefa , hoatry ny ahoana ny lanjan'ny finoana ho anao eo amin'ny fiainanao andavanandro?
Tena mijanona ho ahy manokana ny fivavahana, na dia manan-danja aza izany amiko. Tsy dia miresaka izany firy amin'ny olona aho. Fa nefa moa anontanianao ahy ny tena asan'ny fivavahana amin'ny andavanandrom-piainako,dia tsy mampaninona ahy ny hamaly anao. Maro ny fomba hamahan'ny olona ny fampiasan-tsainy amin'ny fiainany andavanandro, amin'ny fisotroan-toaka, manao Yoga, mandeha tongotra, na mandeha lanonana. Ho ahy, ny fampianarana sy ny soatoavin'ny Silamo [fahamarinana, ny fandeferana, ny fahononana, ny fisaorana, ny tsy fireharehana, ny fanomezana maimaim-poana…] no mahatonga ny fiainan-ko ho tsy feno ady sarotra sy hazava. Ataoko fa manazava izany hoe manan-danja tahaka ny ahoana amin'ny andavanandrom-piainako ny fivavahana.
GV: Efa zatra mihevitra izahay hoe ny vehivavy any amin'ny tontolo Arabo dia enjehina sy tsy dia manana fahalalahana firy. Afaka milaza aminay ny traikefanao manokana vao haingana mikasika izany ve ianao.
Tena iraisan'ny maro ity zavatra fahita andavanandro mikasika ny vehivavy Arabo ity. Norasain'ny haino aman-jery be mpanaraka ity fomba fijery faobe ity izay nanisy endrika ny renim-paritra Arabo ho antoko iray tsy mivaky izay mitovy amin'i Arabia saodita, Iran, ary Afghanistan (nefa ireo firenena roa farany ireo tsy Arabo), izay mampijaly vehivavy. Teraka, notaizaina, ary nianatra tany Tonizia aho, fa mbola tsy niatrika fanenjehana mihitsy amin'ny mahavehivavy ahy.
GV: Lazao anay ny mikasika ny tanànanao sy ny firenenao. Inona ny zavatra tena tianao?
Hay, tena tiako ny lova ara-tantaran'ny fireneko. Fifangaroan'ny sivilizasiona Amazigh, Venisiana, Romana, Arabo ary Ottoman i Tonizia. Izany mahatonga ny firenena ho maro nefa tokana. Tsy voavidim-bola amiko ny fandehanan-tongotra any Medina (Tanàna taloha any Tunis). Tabarka, tanàna amoron-dranomasina any avaratra andrefan'i Tonizia, malaza amin'ny fanjonoana akorandriaka, ny fety iraisam-pirenena hoan'ny jazz, ary ny ala no toerana milamina ho an'ny saina.
GV: Ahoana ny fahitanao ny hoavin'i Tonizia sy ny Arab Spring? Inona ny zava-dehibe manaraka mety hitranga eto amin'ny firenenao?
Mihevitra aho fa hiatrika andro henjana sy sarotra isika, noho ny Toniziana mitady efa ela ny demokrasia sy ny fanajana ny zon'olombelona. Maika hoan'i Tonizia ny fananana lalam-panorenana vaovao arak'izay haingana (efa roa taona izay no nijalian'ny firenena tsy nanana lalam-panorenana) ary fametrahana datim-pifidianana. Fanampin'izany, tsy hilamina mihitsy ity firenena ity raha mbola misy ihany koa Toniziana anjatony mijaly nohon'ny tsy rariny ara-tsosialy sy ny fahantrana.
Miresaka fohifohy mikasika ny fiainan'i Alef, ny asany, ny fandraisany anjara amin'ny Global Voices, ny heviny mikasika Global Voices Summit, ny fihetseham-pon'ny olona mikasika ny asasorany, ny politika Toniziana, ary mazava hoazy, ny traikefany mikasika ny fihetsiketsehana any Tonizia, isika eo amin'ny dinidinika eo amin'ny lahatsary.
Afaka mamaky ny lahatsoratr'i Alef ianao eo amin'ny mikasika ny mpanoratra raha tianao ny mamaky izany. Afaka manaraka azy ihany koa ianao eo amin'ny Twitter.
Fampahafantarana:
Sary nalain'i Laura Schneider tamin'ny Flickr hoan'ny Global Voices Online, naverina nampiasaina tamin'ny fahazoan-dalan'ny Attribution-NonDerivs 2.0 Generic (CC BY-ND 2.0).
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...