10 Novambra 2012

Tantara tamin'ny 10 Novambra 2012

Kyrgyzstan: Fakàna Zaza an-Keriny Tratra tamina Lahatsary

Tratra tamin'ny fakantsarin'ny CCTV tao amin'ny tanànakelin'ny faritany any Kyrgyzstan ny lahatsary mampitsangam-bolo izay toa maneho fakana an-keriny zazakely vao 11 taona monja eo amin'ny faritra be olona eo an-tsena. Nanjary lasa lohahevitra nifaneraserana teo amin'ny mponina Kyrgyzstani amin'ny aterneto ilay lahatsary, miaraka amin'ny fanomezan-tsiny ny renin'ilay zaza noho ny tsy firaharahiana na koa aza mety hoe firaisana tsikombakomba amin'ny fakana an-kerin' ilay zaza mihitsy.

10 Novambra 2012

Afef Abrougui, Mitoraka Bilaogy Avy Any Tonizia

Afef Abrougui, mpandray anjara amin'ny Global Voices any Tonizia, miresaka amintsika mikasika ny traikefany mikasika ny fihetsiketsehana izay niseho teo amin'ny fireneny tamin'ny 2011 ary ny zavatra andrasany amin'ny hoavy tsy ho ela mikasika ny politika Toniziana. Zarainy amintsika ihany koa ny sasany mikasika ny fiainany andavanandro sy ny zavatra ataony.

10 Novambra 2012

Azerbaijan: “Firenena manaratsy ireo mpampiasa tambajotra sosialy ho marary saina”

GV Mpisolovava

Raha tany amin'ny fifidianana filoham-pirenena tany Etazonia ny mason'ny rehetra, nisy fivoriana iraisam-pirenena kosa nanomboka tamin'ny Talata tany Baku, renivohitr'ilay Repolika Sovietikan'Azebaijan taloha. Ny Valan-dresaka ho an'ny Fitantanana ny Aterineto (IGF) faha-fito karakarain'ny Firenena Mikambana dia mitaky ny fitondràna ireo "mpandray anjara rehetra" ho mpiara-miasa mitovy mba hiadian-kevitra momba ireo olana lehibe mifandraika amin'ny hoavin'ny aterineto, ary koa ireo olan'ny fitsipika, fandrindràna, ary mazava ho azy, ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny aterineto.

10 Novambra 2012

Bahrain: Iza no naheno ny fanapoahana baomba ary iza no niharany?

Nilaza ireo manamboninahitra ao Bahrain androany fa mpiasa vahiny roa no maty ary ny fanintelony naratra mafy nandritra ny fanapoahana baomba dimy samihafa tany amin'ny faritr'i Gudaibiya sy Adliya, any amin'ny renivohitra Manama. Tao amin'ny Twitter, tamin'ahiahy ihany no nandraisana izany vaovao izany niaraka tamin'ny antso ho an'ny vahaolana ara-politika mba hanatsaharana ny korontana any amin'ny firenena, taorian'ireo tolona manohitra ny fitondràna izay nanomboka tamin'ny 14 Febroary 2011.

10 Novambra 2012

Mankalaza ny Faharesen'i Romney Ny Mpiserasera Isiraelianina

anaraka akaiky ny fifidianana tany Etazonia ny mpiserasera Isiraelianina, maro tamin'izy ireo no niari-tory mandra-maraina hahitany hoe iza tamin'ny kandidà no nahahoatra ny isan'ny mpifidy lehibe 270 nilaina. Maro an'isa ny Isiraeliana ao amin'ny tambajotra an-tserasera sy ny tontolon'ny bilaogy no manana fironana ankavia ka manantena indray ny hahavoafidy an'i Obama

10 Novambra 2012