Niteraka tondra-drano ny orambe mivatravatra tao amin’ny faritra maro ao Metro Manila sy tao amin’ny faritany akaikin’I Nosy Luzon, ao Filipina. Metro Manila, tanàn-dehibe ao an-drenivohitry ny firenena, izay ahitana tanàna sy kaominina 17. Nanapa-kevitra ny goveremanta fa hatsahatra aloha ny fampianarana sy ny asa na ny an’ny fanjakana izany na ny tsy miankina. Mampiseho ny fihanaky ny tondra-drano manerana ny tanàna ireto sary eto ambany ireto, sary tao amin’ny Facebook avokoa ny ankamaroany ary tao amin’ny Twitter, mety mbola hiharatsy ny toe-javatra satria mbola mikija hatrany ny orana hatramin’izao ora handroatana ny lahatsoratra izao

Orambe tao Metro Manila sy faritany 9 hafa. Sary avy tamin'ny governemantan'i Filipina tao amin'ny pejy Facebook

Saritany hafa mampiseho ireo faritra tratran'ny orambe sy ny tondra-drano. Sary tao amin'ny pejy Facebookn'i Nadja De Vera

Tondra-drano ao amin'ny Oniversite Katolika tranainy indrindra ao Azia. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'i Aquitania Austria

Sarinà tondra-drano tao Marikina. Andrin-jiro avokoa ireo tazana ireo. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'i Chris Velasco

Tondra-drano ao Ayala Underpass, ao amin'ny distrikan'ny toekarena ao afovoan-tanàna. Sary tao amin'ny pejy Facebook n'i Joel Garzota Vmobile

Tondra-drano ao Bocaue, Bulacan ao avaratry Manila. Sary tao amin'ny pejy Facebook n'i Almond Andres
Namoaka ny lisitr’ireo faritra tratran’ny tondra-drano ao Metro Manila ny governemanta. Misy ireo lisitra mampiseho ireo arabe difotry ny rano tanteraka. Nandefa lisitra misy ny toeram-pialofana sy ny toeram-pitsaboana ao an-tanàna ihany koa ireo vondronja fampahalalam-baovao.
Nampiasa tenifototra #rescueph sy #prayforthephilippines ny mpisera Twitter mba hampahafatantra ny zava-misy. Ireto ambany ireto ny sioka avy amin’ireo mpanao gazety izay nitatitra ny loza momba ny tondra-drano.
@katray Ry namana fampahalalam-baovao, ankasitrahanay indrindra ny asa ataonareo. Iriko mba tsy ho tratran’ny todra-drano ny mpanao gazety. Raha tsy izany, mino aho fa ho voaharo izy ireo. Tandremo, ry namana. 😉
Diso fanantenana tamin’ny fanapahan-kevitra efa tara noraisin’ny filoha I Carl Ramota:
Ry governemantan’i Aquino hajaina, tokony nivory ianareo tamin’ny alina na androany vao maraimbe. Tsy te hahitanareo miaraka amin’ny fitafy tsy tantera-drano na akanjo mafana izahay ao amin’ny efi-pivoriana, miresaka momba ny zavatra efa fantatray na efa iainanay ankehitriny. Jereo ny zava-misy ary topazo maso sy diniho ireo faritra tratran’ny todra-drano. Mandehana eny amin’ny toeram-pitsaboana ary hizarao fanampiana ireo tsy manan-kialofana. Manaova zavatra! Aza mipetra-potsiny sy be resaka! Tokony handray andraikitra ny mpitondra.
Carlo Ople nanamarika ny andraikitry ny fampahalalam-baovao antserasera amin’ny fanentanana ataony manoloana ny todra-drano:
Raha vao nihanaka ny tondra-drano, nanomboka naka sary ny nandrakitra izany tamin’ny Facebook sy Twitter ny olona. Nanomboka nizara sary ny tambazotran’izy ireo ary nozaraina hatrany hatrany izany sary izany mandram-palaza azy tao amin’ny tambazotran-tserasera. Mampiseho ny faharatsian’ny toe-draharaha ireo sary.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...