Tantara tamin'ny 08 Aogositra 2012
Iran: Mankalaza Ny Medaly “Manan-tantara” Sady Manakiana Ny Mpitsara
Mankalaza ny andro iray toa zato ho azy ireo teo amin'ny tantaran'ny Lalao Olaimpika ry zareo Iraniana satria nahazo medaly volamena roa ny atleta Iraniana ary medaly volafotsy roa tamin'ny Talata
Jordania: “Rehefa Nitsiky i Monaliza ” Dingana Iray Mankamin'ny Sarimihetsika Erantany
Vao haingana ireo mpamokatra ny sarimihetsika "Rehefa Nitsiky i Monaliza" dia nizara ho an'ny daholobe ny traikefan-dry zareo tao anaty fijerena sarimihetsika iray manokana tany Amman, renivohitra Jordaniana. Ilay sarimihetsika mahatsikaiky dia mitantara ny tantaram-pitiavana nisy teo amin'i Monaliza, tovovavy tanora Jordaniana, sy Hamdi, Ejiptiana miasa ho fanirakiraka. Maneho hevitra momba ilay sarimihetsika ireo Fordaniana bilaogera.
Alzeria: Makhloufi Mandrombaka Ny Volamena Olaimpika Voalohany Ho An'ny Arabo
Ny medaly volamena azon'i Taoufik Makhloufi ho an'i Alzeria tamin'ny hazakazaka 1500 m lehilahy natao halina no mitondra ny medaly volamena voalohany ho an'ny tontolo Arabo ao amin'ny Lalao Olaimpika Londona 2012.. Maneho hevitra momba ilay fandresena ireo mpikirakira aterineto.
Arabia Saodita: Iftar Ramadany Hitenenana Hoe Lavina Ny Fitsitokotokoana
Nanapa-kevitra ny andian-dehilahy Saodiana iray fa hanitsaka ny fitsitokotokoana ka nikarakara sakafo maraina Iftar nahitàna niaraka ireo avy amin'ny vondrom-piarahamonina Sunni sy Shia.. Ny fahombiazan'ny hetsika 'Lavina ny fitsitokotokoana' tao Riyadh dia mandrisika ireo Saodiana hikarakara hetsika toa azy iny manerana ny Fanjakana.
Ejipta: Mankalaza An'i Curiosity Sy Ilay Lehilahin'i Mars – Dr Essam Heggy
Mankalaza ny asa sy ny fiainan'i Dr Essam Mohamed Heggy, izay mpikaroka ao amin'ny NASA ihany koa, manampahaizana momba ny siansan'ny planeta ary isan'ireo ao anatin'ny tarika siantifika nirotsaka amin'ny fikarohana momba ny fiainana eny amin'ny planeta Mars ireo Ejiptiana manaraka manaraka ny dian'ny Mars Curiosity rover.. Ireo fanehoan'kevitra ao amin'ny Twitter dia manamarika fa omen'ny any ivelany lanja kokoa ny traikefan'i Heggy
Qatar: Hafanam-pon'ny Mpianatra Hisian'ny “Cafeterias Sy Toeram-piantsonana Voatafo”
Fantatra amin'ny maha-ivon'ny hafanam-pon'ireo mpianatra ny Anjerimanontolo rehetra. i Qatari Esraa Al Meftah dia miresaka tsotra ataon'ny endrika hafanam-pon'ireo mpianatry ny anjerimanontolo Qatari amin'ny fitakiana "hanokafana fandraisana ody ambavafo "cafeterias" ao anatin'ny faritry ny fianarana sy fametrahana toeram-piantsonana voatafo eny amin'ny faritra natao ho an'ny mpianatra"
Meksika: Namoy Ny Ainy Ilay Mpihira Ranchera, Chavela Vargas
Namoy ny ainy ny atoandron’ny 5 Aogositra lasa teo ilay mpihira Chavela Vargas, teraka tao Kosta Rika saingy mizaka ny zo maha olom-pirenena Meksikana, nijanona tsy nitempo intsony ny fony teo amin’ny...
Filipina: Tondra-drano Tao Metro Manila.
Niteraka tondra-drano ny orambe mivatravatra tao amin’ny faritra maro ao Metro Manila sy tao amin’ny faritany akaikin’I Nosy Luzon, ao Filipina. Metro Manila, tanàn-dehibe ao an-drenivohitry ny firenena, izay ahitana...