Ejipta: Fihodinana Farany Amin'ny Fifidianana Ho Filoham-Pirenena An-Tsary

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fifidianana ao Ejipta 2011/2012.

Ny 16 Jona, nantsoina hifidy ry zareo Ejiptiana, amin'ny fihodinana faharoa izay ho filoham-pirenena tafiditra anatin'ireo ezaka ataon'ny Supreme Council for the Armed Forces (SCAF), na Filankevitra  Faratampon'ny rMitam-piadiana mba hananana fifehezana na dia kely monja aza eo amin'ny sehatry ny politika. Miaraka amin'ny Parlemanta efa nofoanana, sy ny Fanambaran'ny Lalampanorenana Vaovao manome saika ny fahefana rehetra mihitsy ho an'ny SCAF, tena mampanaintaina na dia ny hisafidy amin'ny mpirotsaka avy amin'ny Firahalahiana Silamo, Mohamed Morsi sy ny Praiminisitry ny fitondrana teo aloha, Ahmed Shafiq aza.

Tena mba marina, tahaka ny samy tsy misy ilàna azy daholo ireto mpirotsaka roa ireto, satria ny iray amin-dry zareo dia sary maneho ireo sisa tavela tamin'ny fotoan'andron'ilay filoha teo aloha voaongana Hosni Mubarak, ary ilay iray faharoa dia heverina ho toy ny mpamadika ny revolisiona.

Ireto manaraka ireto ny saripika sasany amin'izay andro manan-tantaran'ny fifidianana izay nakarin'ireo mpiondana aterineto tao amin'ny tanbajotra sosialy :

Tanora Ejiptiana milanja soratra mivaky hoe "Kristiana aho ary tsy hifidy an'i Shafik". Sary avy amin'i Khaled Mohammed (Facebook)

Tovolahy milanja ny sariben'i Shafik . Sary avy amin'i Jonathan Rashad (Flickr, eo ambany CC licence CC BY-NC-SA 2.0)

Vahoaka Ejiptiana mitazona sary lehibe misy ireo mpirotsaka roa farany, Morsi sy Shafik. Sary avy amin'i Jonathan Rashad (Flickr, eo ambany CC license CC BY-NC-SA 2.0)

Zokiolona Ejiptiana mampiseho ny rantsan-tanany misy ranomainty taorian'ny nifidianany. Sary avy amin'i Jonathan Rashad (Flickr, eo ambany CC licence CC BY-NC-SA 2.0)

Eiptiana mpampiasa Twitter i @TheMiinz no nanangona saripika misy ireo vatom-pifidianana nofoanana arahana hafatra mahatsikaiky :

Ejiptiana mpifidy maneho ny faniriany hifidy ilay bellydancer Hayatem fa tsy ny mpirotsaka naroso. Sary avy amin'i  by @Shaheeeer (Twitter)

Ejiptiana iray nisafidy ny hibodo sy mbola mahatsiarotsiaro ny fahiny. miaraka amin'ny hoe "Tiako ianao ry Sara" . Sary avy amin'i @Qoutb (Twitter)

Mpifidy nisafidy ny hifidy an'i Batman fa tsy i Morsi na i Shafik. Sary avy amin'i @Wessam_S (yfrog)

Ny sasany tamin'ireo vatom-pifidianana dia niaty hafatra politika somary mafonjafonja ihany :

Mpifidy nofoanana ny safidiny, miaraka amin'ny fanamarihana hoe "Tsy misy fandikàn-dalàna, saingy manafintohina ny feon'ny fieritreretana". Sary avy amin'i @YoussraSelim (Twitter)

Mampita ny fahatsapana ankapoben'ny olona momba ireto fifidianana ireto, mpifidy iray izay nofoanana ny safidiny no manoratra "izaho tsy hisafidy mihitsy aminà mpamono olona sy mpamadika. Atsaharo ny fitondra-miaramila, voninahitra ho an'ireo maritiora". Sary avy amin'i Mobteloon (Facebook)

Mpifidy iray nanisy autocollant teo amin'ny vatom-pifidianany mivaky hoe "Poakaty". Sary avy amin'i @Amiralx (Twitpic)

Maneso, vatom-pifidianana iray ahitana fanamarihana hoe "Safidy roa samy mendrika, Tsy afaka ny hifidy iray amin-dry zareo aho. Misaotra anareo, SCAF". Sary avy amin'i Mobteloon (Facebook)

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fifidianana ao Ejipta 2011/2012.


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.